
Olona mikirakira finday ao antanàn-dehiben'i Ho Chi Minh City, Vietnam, mikaroka fampiasa (appli). Sary tao amin'ny pejy Flickr an'ny governmenta Amerikana USAID. CC BY-NC 2.0
Nilaza ny fanjakana Vietnamiana fa norarany ny fampiasa fandefasan-kafatra Telegram satria tsy mifanaraka amin’ny fitsipika ao an-toerana, raha nampitandrina kosa ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona fa mety hametra bebe kokoa ny fivezivezen'ny vaovao ao amin'ny firenena izany.
Tamin'ny 21 May, namoaka didy ny Departemantan'ny Serasera ao amin'ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao sy ny Fifandraisana, nanome baiko ny mpamatsy aterineto ao an-toerana handràra ny Telegram noho ny anjara asany amin'ny fanapariahana hetsika an-tserasera tsy ara-dalàna.
Nolazainy fa mifandray amin'ny “hosoka, fanondranana zava-mahadomelina, fampihorohoroana, ary fanaparitahana loharanom-baovao manohitra ny fitondrana” ny 68 isanjaton'ny fantsona sy vondrona Telegram miisa 9600 ao Vietnam. Nampiany ihany koa fa “noforonin'ny mpanohitra sy ny mpandala ny nentim-paharazana manaparitaka votoaty manohitra ny fitondrana” ireo vondrona misy mpandray anjara an'aliny.
Tamin'ny taona 2024, misy 11,8 tapitrisa ny vietnamiana mpampiasa Telegram. Nanankery tamin’ny 2 jona ity fandrarana ity.
Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Reuters, nilaza ny Telegram fa “gaga” izy ireo tamin’ny fiampangana nataon'ny governemanta vietnamiana. “Novalianay ara-potoana ny fangatahana ara-pitsarana avy any Vietnam.”
Tao amin'ny fanehoan-kevitra navoakan'ny gazetiboky an-tserasera The Diplomat, nanamarika ilay mpamakafaka politika Vu Lam fa tojo disadisa ara-pitsarana any amin'ny firenena hafa ihany koa ny Telegram saingy nomarihany fa namoaka ny fandraràna tsy misy dingana manara-dalàna i Vietnam.
Hanoi has enacted a sweeping pre-emptive ban without due process, judicial oversight, or independent review. Furthermore, the Vietnamese government has been evasive about whether it communicated with Telegram before taking action.
Namoaka fandrarana mialoha ny fotoana tsy misy fizotrany manara-dalàna, na fanaraha-maso ara-pitsarana, na fanadihadiana mahaleotena i Hanoi. Ankoatra izay, tsy nanamarika ny governemanta Vietnamiana raha nifandray tamin'ny Telegram izy ireo talohan'ny nandraisany fanapahan-kevitra.
Nilaza i Vu Lam fa manamafy ny fandraràna fa “ny fanaraha-maso ny fampahalalam-baovao no mbola zava-dehibe indrindra amin'ny fanjakana-antoko Vietnamiana” mandritra ny fanohizana ny tetezamita tarihin’ny antoko sy ao anatin’ny fanadihadiana momba ny kolikoly.
In the current context, banning Telegram may be partly aimed at stifling dissent ahead of key political milestones, including potential leadership transitions and party congress preparations.
Amin'ny toe-java-misy ankehitriny, mety ho tanjona ampahany amin'ny fanapenam-bava izay tsy mitovy hevitra mialoha ny dingana lehibe ara-politika ny fandraràna ny Telegram, ao anatin'izany ny mety hisian'ny fanovana ny fitondrana sy ny fanomanana ny kaongresin'ny antoko.
Namoaka tatitra momba ny fiantraikan'ny fandraràna ny Telegram ry zareo Vietnamiana .
This move aligns with Việt Nam's broader efforts to tighten control over digital platforms. New regulations enacted last year require social media companies to verify user identities and provide data to authorities, a policy that has drawn criticism from free speech advocates.
Mifanaraka amin'ny ezaka midadasika kokoa ataon'i Việt Nam hanamafisana ny fanaraha-maso ireo sehatra nomerika ity hetsika ity. Mitaky ny orinasan’ny media sosialy ny fitsipika vaovao lany tamin'ny herintaona hanamarina ny mombamomba ny mpisera sy hanome angon-drakitra ho an'ny manampahefana, politika izay niteraka fanakianana avy amin'ireo mpiaro ny fahalalahana maneho hevitra.
Tondroiny amin’izany ny fandaniana ny lalànan'ny fiarovana an-tserasera tamin’ny taona 2018 sy ny didim-panjakana mifandraika amin'ny aterineto tamin’ny taona 2024, izay nanome fahefana ny manampahefana hifehy ny votoaty an-tserasera sy mitaky ireo sehatra misahana ny teknolojia hisoratra anarana sy hiara-hiasa amin'ny manampahefana eo an-toerana.
Nofehezin’ny Radio Free Asia, izay mahazo famatsiam-bola avy amin'ny governemanta amerikana, toy izao ny endriky ny fahalalahana nomerika ao Vietnam.
Vietnam’s communist government has tightened controls on online information available inside the country. It has regularly blocked websites belonging to independent newspapers and foreign news outlets, including RFA Vietnamese.
Nohamafisin'ny governemanta komonista Vietnamiana ny fanaraha-maso ny fampahalalam-baovao an-tserasera ao amin'ny firenena. Nosakanany tsy tapaka ny tranokalan'ny gazety tsy miankina sy ny fampahalalam-baovao vahiny, anisan'izany ny RFA Vietnamiana.
Nanakiana ny fandrarana ny Telegram ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona Forum Asia ary niantso ny sehatra misahana ny teknolojia mba hanohana ny zon'ny mpampiasa azy ireo.
Although social media platforms once enabled freedom of expression in Vietnam, the government now treats online communications as a threat. Tech companies, through compliance or silence, have become complicit in this growing censorship.
Technology companies must stop enabling authoritarian regimes that aim to suppress freedom of expression and put its citizens under online surveillance. These companies should resist government pressure to censor political expression and silence dissent.
Na dia efa nahitana ny fahalalahana maneho hevitra aza ny sehatra media sosialy tany Vietnam, dia toy ny fandrahonana no fandraisan’ny fanjakana ny fifandraisana an-tserasera izany ankehitriny. Lasa miray tsikombakomba amin'ity fitomboan'ny sivana ity ny orinasa misahana ny teknolojia, amin'ny alàlan'ny fanarahan-dalàna na fanginana.
Tokony tsy hankatoa ny fikasan’ny fitondrana tsirefesimandidy hanafoana ny fahalalahana maneho hevitra sy hametraka ny olom-pireneny ho eo ambany fanaraha-mason'ny aterineto ny orinasa misahana ny teknolojia. Tokony hanohitra ny faneren'ny governemanta hanivana ny fanehoan-kevitra ara-politika sy hampangina ny tsy fitovian-kevitra ireo orinasa ireo.
Voalaza fa niteraka fanehoan-kevitra mifamahofaho avy amin'ireo tanora mpisera aterineto ny fandraràna ny Telegram. Nisy olona sasany nilaza fa mampihanaka ny fisolokiana ny fampiasana Telegram, ny sasany naneho ny fahasorenany amin’ny fanelingelenana izay hateraky ny fandraràna, raha nikoropaka kosa ny maro hafa nitady sehatra fandefasana hafatra solony hafa.







