
Siriana mpanamory fiaramanidina mpiady, Ragheed Al-Tatari taloha sy taorian'ny nanagadràna azy. Fanambàrana sary nataon'i Rami Alhames tao amin'ny Canva Pro, nampiasàna pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube nakarin'ilay mpampiasa boschev. Fampiasàna ara-drariny.
Lasa mariky ny fahasahiana ara-maoraly tao anatina tontolon'ny tantara feno herisetra nataon'ny fitondràna siriàna ny anaran'i Ragheed Al-Tatari. Mpanamory fahiny tao anivon'ny tafika an'habakabaka siriàna, nàka fanapahankevitra iray i Al-Tatari izay nosandainy 43 taona tamin'ny androm-piainany tany am-ponja: tamin'ny 1982, nolaviny ny handaroka baomba ny tanànan'i Hama. Tamin'izany fotoana izany, nijoro nanohitra ny fitondràna tsirefesimandidin'i Hafez al-Assad i Hama, ary dia zavadoza ny setry avy amin'ny fitondràna.
Fandàvana baiko miaramila

Ny filoha siriàna Hafez al-Assad miaraka amin'ny rahalahiny Rifaat al-Assad nandritra ny lanonana iray ara-miaramila tao Damaskaosy, 1984. Sehatra ho an'ny daholobe tao amin'ny Wikimedia Commons.
Teo ambany fibaikoan'i Assad, nanatanteraka fanafihana goavana tao amin'ilay tanàna ny tafika siriàna, notarihan'ny rahalahiny Rifaat Assad, iray amin'ireo famoretana tena feno habibiana indrindra teo amin'ny tantaran'i Siria maoderina. An'arivony maro ireo sivily maty nandritra ilay fandripahana. Patrick Seale, nitatitra ho an'ny The Globe and Mail, dia namaritra ilay hetsika ho toy ny “tapabolana nanaranam-po tamin'ny famonoana, fandravàna ary fandrobàna” izay nandrava ilay tanàna sy nahafaty mponina 25.000 raha kely indrindra. Kanefa i Al-Tatari tsy afaka nandresy lahatra ny tenany hanatanteraka ireo baiko. Nanoloana ny fahatsinjovany fandarohana baomba mahatsiravina an'ireo sivily, nisafidy izy ny hankahàtra ireo lehibeny ka nandà tsy hamita ilay iraka. Noho ilay fihetsiny nankahàtra, nosazian'ny fitondràna siriàna izy, sazy niavaka, 43 taona an-tranomazina. Tsy hoe fotsiny hanova ny fiainany ilay fihetsiny, fa koa nanàko lalina tany anatin'ny fahatsiavoana faoben'ireo Siriàna, indrindra fa ny tao Hama.
Araka ny lazain'ny Fikambanan'ireo Voafonja sy ireo olona nanjavona tao amin'ny fonjan'i Saydnaya, nosamborina tamin'ny 1980 i Al Tatari sy mpanamory telo hafa noho ny nandàvany tsy hanatanteraka fanafihana an'habakabaka tao amin'ny Governoràn'i Hama.
Nitady fialofana tao Jordana ny kaomandin'ilay andiany, raha i Al-Tatari sy nàmany iray hafa kosa niverina tany amin'ny tobin-dry zareo tao Aleppo tsy nanatontosa ilay fanafihana an'habakabaka voalahatra. Na nampangaina ho tsy nankato ny lehibeny aza i Al-Tatari, dia nafahan'ny fitsaràna tamin'ilay fiampangàna azy izy, tamin'ny fitanisàna fa, amin'ny maha-manamboninahitra lefitra azy, nanaraka ny baiko fanafoanana iraka avy amin'ny kaomandy izy.
Na teo aza ny fanafahana azy nadiodio, namoaka didy ny fitsaràna ny hanalàna azy tsy hanao asa miaramila. Rehefa tafaverina tao Siria izy taorian'ny nanafahana azy sy nandavàna ny fangatahany hialokaloka tany Egipta, dia notànana avy hatrany izy tamin'ny 24 Novambra 1981.
Nafenina am-ponja an-taona maro
Nampijaliana tamin'ny fomba feno habibiana tao amin'ny General Intelligence Prison i Al-Tatari.
Avy eo, tao amin'ny fonjan'i Mezzeh, notànana tsy nisy fiampangàna ho nahavita heloka izy. Tamin'ny 1982, nentina niatrika ny fitsaràna miaramila niavaka nandritra ny minitra vitsy izy, tsy nisy fampilazàna nialoha, na fampahafantarana ny rehetra, na fampilazàna azy nivantana. Taty aoriana tamin'io taona io ihany, nafindra i Al-Tatari ho any amin'ilay Fonja malazan'ny taniefitra Tadmor, izay nijanonany efa ho 21 taona.
Taorian'ny 2001, nafindra izy ho ao amin'ny fonjan'i Saydnaya, handany 10 taona tao, izay ny tena nanahirana indrindra teo amin'ny tantaran'ny fonja, indrindra tamin'ny 2008 fony nikomy ireo mpifonja ary niatrika ny fara-tampony indrindra tamin'ny herisetra.
Nandritra ny taona marobe ny tantaran'i Al-Tatari no mbola tavela be tsy fantatr'izao tontolo izao, mandrapahatongan'ny 2005 nanànany ny hirika voalohany mba hahita an'i Wael, ilay hany zanany lahitokana. Tamin'ny 2011, ho fanehoana fanoherana ireo fepetra nitazonana azy, nolaviny ny hitafy ny akanjo noteren'ny manampahefana ho tsy maintsy hitafiany tao am-ponjan'i Adra, toerana nanakanana azy tsy hifanerasera tamin'ny havany sy ireo nàmany, ary niainany fepetra ratsy tsy araka ny maha-olombelona, toy ireo mpigadra hafa niafara tany am-ponjan'ny fitondrana Assad.
Fahafahana sy voninahitra

Ny imam ao amin'ny Maoske Mohammed Al-Hamed ao Hama, manome voninahitra an'i Ragheed Al-Tatari, nanolotra azy sabatra iray volamena tamin'ny anaran'ireo mponina ao Hama, mariky ny fahasahiana sy ny fihantsiana, Saripika avy amin'i @Asmaa59475027
Gadra ampolony maro noho ny resaka pôlitika no navotsotry ny tafi-panoherana ao Siria avy any am-ponja siriàna taorian'ny nionganan'ny fitondran'ny filoha teo aloha Bashar al-Assad. Taorian'ny 43 taona, nahita ny andro mazava ihany i Al-Tatari ary sambany nandao ny fonja taorian'ny nahafotsy ny volony sy nampikentrona ny endriny, maneho sarim-piainana rava tany ambadiky ny bara vy.
Ireo fikambanana mpiaro zon'olombelona dia mihevitra an'i Al-Tatari ho ny gadra pôlitika nandany fotoana ela indrindra tany am-ponja tao Siria. Nomen'ny maro ny anaram-bosotra ho “zokiolon'ireo Siriàna gadra pôlitika” izy. Ankehitriny, niverina eny an-dalamben'i Siria i Al-Tatari taorian'ny sedra iray lavabe sy nangidy, ary saripika maro ao amin'ny X ( Twitter taloha) no mampiseho ilay mpanamory fahiny mitsiky taorian'ny nahazoany ny fahafahany.
Tanaty hetsika mafonja ho firaisankina sy ho fanajàna, nanome voninahitra azy ireo mponina ao Hama, izay mbola tandindonin'ny fahatsiarovana ilay fandripahana tamin'ny 1982. Nomen'izy ireo ho azy ny sabatra iray volamena, mariky ny fahasahiana sy ny fihantsiana, fankatoavana ny tsy fivadihany sy ny herimpony nanoloana ny iray tamin'ireo fitondràna tena mpamoritra indrindra tao anatin'ny tantaran'ny vaninandro maoderina.
Ver essa foto no Instagram
Ny mponina tao amin'ny faritanin'i Hama ao Siria dia nanome voninahitra an'ilay mpanamory, Ragheed al-Tatari, taorian'ny 43 taona laniny tany am-ponjan'ny fitondrana Asssad, noho izy nandà tsy hanatanteraka ny baiko fandarohana baomba ireo sivily tany amin'ny taona 80 teo ambany fifehezan'i Hafez al-Assad.
Nosamborina i Al-Tatari fony izy vao nisandratra teo amin'ny faha-27 taonany, ary nafahana teo amin'ny faha-70 taonany, avy any amin'ny fonjaben'i Tartous, taorian'ny nakàn'ireo ankolafy mpanohitra ireo tanàna teo ambany vahohon'ny fitondrana, ary nanafahany ireo gadra tany am-ponja tao an-toerana, niaraka tamin'ny fandosiran'i Bashar al-Assad nankany Rosia.
Ho an'ireo mponina ao Hama, ny fihantsiana nataon'i Al-Tatari nanoherany ireo baikon'i Assad no lasa ho toy ny fihetsika maneho fahadiovan-tsaina tanaty vanimpotoana iray izay mazàna dia ny firaisana tsikombakomba sisa no andikàna ny mahatafavoaka velona. Ny zavamisy hoe nisafidy ny hanome voninahitra an'i Al-Tatari ireo mponina ao Hama, taompolo maro aty aorian'ny nanandraman'ny fitondràna hamafa ireo tantaram-panoherana tahàka izany, dia milaza betsaka momba ny lova maharitry ny tsy fivadihana. Io koa dia vavolombelona iray amin'ny fomba afaka mampaharitra ny fahatsiarovana sy ny rariny na eo aza ny fitondràna faran'izay mpamoritra indrindra.






