Ireo firenena Afrikana manome zom-pirenena ho an'ireo ampielezana

Former Speaker of the US House of Representatives Nancy Pelosi led a US congressional delegation to Ghana from July 28 -31, 2019, to commemorate the “Year of Return” and mark 400 years since the first enslaved Africans arrived in Jamestown, Virginia.

Nancy Pelosi, Filohan'ny Antenimieram-pirenena teo aloha nitarika ny delegasionan'ny Antenimieran'i Etazonia tany Ghana ny 28-31 Jolay 2019, hanamarika ny “Taona Nodiana” sy hanamarika ny 400 taona nahatongavan'ireo Afrikana andevo voalohany tao Jamestown, Virginia. Sary avy amin'ny Masoivohon'i Etazonia ao Ghana ao amin'ny Flickr (azon'ny rehetra ampiasaina).

Misy firenena afrikana tandrefana nampiditra lalàna manome zom-pirenena ireo Afrikana am-pielezana ho ampahan'ny ezaka lehibe mankany amin'ny fampihavanana, fankatoavana ary fanohizam-pifandraisana indray. Ho karazam-panonerana ny tsi-rariny ara-tantara tamin'ny olan'ny varotra andevo transatlantika no tanjon'izao fanaovan-dalàna izao ka ankatoavina amin'ny fomba ofisialy ho mpiray tanindrazana ireo Afrikana taranaka noandevozina.

Fampiharana hetsika

Nandritra ny hetsika “Back to Africa” (mody any Afrika) tamin'ny taonjato faha-18 ka hatramin'ny taonjato faha-20, nafindra monina tamin'ny alalan'ny tetikasa kolonialy na misionera taty amin'ny kaontinanta ireo olona andevo noafahana. Naorina i Sierra Leone tamin'ny faramparan'ny taompolo 1700s nitondra ireo Black Loyalists (taranaka Afrikana niandany tamin'ny Anglisy nandritra ny Revolisiona Amerikana) sy ny Maroons nankany Freetown teo ambany fanaraha-maso britanika, raha nametrahana ireo Afrikana Amerikana tamin'ny alàlan'ny American Colonization Society kosa ny fananganana an'i Liberia tamin'ny taonjato faha-19 .

Mifantoka amin'ny fiverenana an-tsitrapo, ny fifandraisana indray amin'ny vakoka ary ny fifanolorana tombontsoa ara-toekarena kosa ny hetsika ankehitriny.

Namoaka lalàna manome zom-pirenena ireo taranak'andevo i Benin tamin'ny taona 2024. Foiben'ny famarinana andevo manan-tantara io firenena io taloha. Misokatra ho an'ireo mpangataka mihoatra ny 18 taona ka tsy manana zom-pirenena afrikana hafa ny lalàna, izay najoron'ny Filoha Patrice Talon, fepetra ihany koa ny fahafahana manome porofo fananana razambe Afrikana atsimon'i Sahara amin'ny alàlan'ny fitiliana ADN, fijoroana vavolombelona voamarina, na firaketana an-tsoratry ny fianakaviana. Nanetsika sehatra ankihy ahafahan'izay mangataka sertifikà zom-pirenena Beninoà vonjimaika ny governemanta, saingy tsy maintsy mamita ny dingana any Bénin ireo mpangataka nankatoavina.

Nandritra ny fanamarihana ny Andro Iraisampirenena ho an'ny vehivavy sy ny tovovavy  taranaka Afrikana tamin'ny 25 Jolay, no nahazoan'i Ciara, kintan'ny pop Amerikana, sertifikàn'ny zom-pireneny tany Bénin.

Tamin'ny Janoary 2025 ny Governemantan'i Guinée-Bissau, araka ny hetsika Taompolon'ny Fodiana natomboka tamin'ny taona 2021 hifandraisana indray amin'ny taranaka Afro, indrindra fa ireo manana razambe avy amin'ny foko Balanta, Fula, Djola, Baga, na Mandinka nanome zom-pirenena ho an'ireo taranaka afrikana sivy mpikambana ao amin'ny Fikambanana Tantara sy Tetiharana B'urassa miorina ao Balanta.

Taorian'ny fahombiazan'ny Taom-Podiana 2019, izay nahasarika Afrikana-Amerikana sy Karaiba an'arivony ho any Ghana, dia nitarin'ny firenena ny firotsahan'ny any am-pielezana tamin'ny alalan'ny hetsika Beyond the Return (2020–2030). Ampiroboroboan'ny fandaharan'asa ny fifandraisana ara-kolontsaina indray, ny fizahan-tany ary ny fampiasam-bola sady manolotra fonenana maharitra ary, amin'ny tranga voafaritra, ny zom-pirenena feno ho an'ny taranaka Afrikana noandevozina. Mahazo ny “zo honina“, manori-ponenana tsy voafetran-taona, ny ankamaroan'ny mpangataka fa ny olona voazaha toetra voaporofo ho manana fifandraisana ara-drazana na ara-kolontsaina no naturalisé, na nahazo zom-pirenena, toy ireo 126 nomena zom-pirenena tamin'ny taona 2019.

Mihoatra noho ny fihetsika saimbôlika ny nataon'ireo firenena Afrikana, manome zom-pirenena ho an'ny am-pielezana ho toy ny fampihavanana ara-kolontsaina sy fitaovam-pampandrosoana stratejika. Governemanta maro no mihevitra ny fianakaviambeny manerantany ho olom-pirenena mitondra renivola (vola sy fahaizana). Nahatratra 54 lavitrisa dolara US ny vola fanampiana nalefa taty Afrika atsimon'i Sahara tamin'ny taona 2023. Ny fankatoavan'i Ghana ny fisian'izany no nanangany forum sy fitaovana toy ny forum fampiasam-bolan'ny any am-pielezana sy ireo sehatra fitadiava-namana ara-pihariana toy ny WIDU.africa entina mampiasa ny renivolan'ny am-pielezana any amin'ny famatsiana vola ny orinasa madinika sy salantsalany mbamin'ny fotodrafitrasa sy famoronana asa.

Tohano ny Global Voices ahafahanay mamoaka lahatsoratra tahaka izao


Fantaro bebe kokoa ny fanentanana fitia tsy mba hetra ataonay.

Traika any amin'ireo tafody sy ny ao an-toerana

Mipaka lalina ny fiantraikany ho an'ireo tafaverina. Nilaza tamin'ny AP i Deijha Gordon, izay nifindra avy any New York ho any Ghana, raha nahazo zom-pirenena fa “tahaka ny tsara ery izany manana fifandraisana tsara amin'ny firenena afrikana iray izany amin'ny maha-Afrikana-Amerikana, Amerikana mainty. Raha tany Amerika manko, tsy misy ahafahanay manjohy ny fototra niavianay ankoatra ny hoe Afrika. Ny fananana izany fifandrohizana izany no ahatsapako hoe mety ny zavatra nataoko”.

Tombony iray amin'ny fahazoana zom-pirenena Afrikana Andrefana ny fahazoana pasipaoro CEDEAO (ECOWAS), izay ahafahana mivezivezy malalaka amin'ireo firenena 15 ao Afrika Andrefana.

Na izany aza, mbola misy ireo fanamby mitampikitra. Any Ghana, nampirongatra ny fizahantany ny “Taonan'ny Fodiana”, saingy nampitandrina ny mpitsikera fa tsy voazara ara-drariny ny tombony ara-toekarena ary mety hampiakatra ny vidin-javatra ho an'ny mponina ao an-toerana. Nametraka fanamby ao Ghana ny fodian'ireo ampielezana, indrindra ireo avy any amin'ny tany Tandrefana, amin'ny fampideraderana ireo tombontsoa izay manimba ny lalàna sy ny zon'ireo eo an-toerana. Nampiakatra ny vidin'ny tany ny fivoaran'ny tanàna, nanery ny mponina teo ho any an-tanàna itatra, mampihena ny toerana maitso ary lasan'ny olon-tsotra ho fananany manokana ny moron-dranomasina.

Amin'ny alàlan'ny fivoaran'ireo lasitrasa ireo, tsy manasa ny ampielezany ihany i Afrika fa mikolokolo azy ireo ho mpiara-miombon'antoka amin'ny fahaterahan'ny kaontinanta indray.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.