Folo taona niresahana zo nomerika: hatraiza no dingana vitan'ireo Goavan'ny Teknôlôjia?

the image is split into two parts. on the left is a group of leaders of big tech companies, with Elon Musk prominent. ON the right is a group of people of varying ages and ethnicities all staring down at their phones

Saripika natolotry ny Ranking Digital Rights

Folotaona taorian'ny andiany voalohany ny  2025 Ranking Digital Rights Index: Big Tech Edition (Tondro fandaharana ny zo nomerika: Andiany ho an'ireo goavan'ny teknôlôjia) dia nanasongadina tontolo iray misy zava-mifanohitra. Raha maneho fanatsaràna hatrany hatrany tamin'ny resaka fangaraharàna ny sasany amin'ireo sehatra nomerika isan'ny mahataona indrindra erantany, indrindra fa ny tatitra ara-pitantanana avy amin'ireo orinasa shinoa toy ny  Alibaba, Baidu, ary Tencent, dia endrika mitoboka sy mampiahiahy kosa no sary asehon'ny tombana ankapobeny. Anaty tontolo iray voamariky ny fitomboan'ny tsirefesimandidy, ny fampiasàna ireo fitaovana AI, ary ireo fifandonana erantany misy amin'izao fotoana izao, dia asehon'ilay tatitra fa marobe ireo orinasa Goavan'ny Teknôlôjia no manohy amin'ny ampahany betsaka “ny fandraharahàny toy ny mahazatra”, tsy mahavita akory miatrika ireo olana goavana.

Mijanona ho olana iray lehibe ny fivangongoam-pahefana any anatin'ireo goavan'ny teknôlôjia. Asongadin'ilay tatitra ny fomba mahery setra niteloman'ireo orinasa toy ny Alphabet, Amazon, Apple, Meta, ary Microsoft nàka ireo mpifaninana taminy, nanamafy araka izany ny fibahanan-toeran-dry zareo eo anivon'ny tontolo nomerika. Io fivangongoan'ny tsena io, izay itazonan'ny Alphabet, Meta, ary Amazon ny roa ampahatelon'ny vola miditra amin'ny dokambarotra an-tserasera, no manome an-dry zareo ny tanjaka amin'ny fidirana amin'ny aterineto sy ny fivezivezen'ny torohay.

Na eo aza ny fitomboan'ny fanarahamason'ny rafitra ara-pitsaràna, toa nitombo ny fitaomana pôlitikan'ireo Goavan'ny Teknôlôjia, porofoin'ireo didy nanenjehana ny Google ho manao ampihimamba tsy ara-dalàna ny fikarohana sy ny dokambarotra. Ny sary natao ohatra nahitàna ireo Tale Jeneralina orinasa amerikàna goavan'ny teknôlôjia, napetraka teny aloha nandritra ny fanosorana ny filohampirenena, dia manoritra ny fifandraisan'izy ireo akaiky amin'ireo andrimpanjakana, izay mety ho hisatra ho an'ny fandrindràna ilaina, nefa ny zon'olombelona sy ireo rafitra demaokratika dia miatrika fanamby tsy mbola nisy toa azy manerana izao tontolo izao.

Vao mainka miharatsy kokoa io fanjakazakàna io ao anatina toejavatra misy fifandonana. “AlphabetAmazon, ary Microsoft dia samy namokatra fitaovana natao ho an'ny ady sy ny fampidirana ireo fitaovampiadiana mahafaty. Ny fotodrafitrasa cloud-ndry zareo dia nanohana ireo fampielezankevitra ara-tafika,” hoy ilay tatitra. Ny Ranking Digital Rights koa dia miantso ny hifantohan'ny saina amin'ny fampielezankevitra, indrindra fa ao amin'ny X sy ireo sehatra fananan'ny Meta.

Tsy fahampian'ny mangarahara

Na manasongadina andiana fivoarana aza ilay tatitra, indrindra fa teny anivon'ireo orinasa shinoa (Alibaba, Tencent, ary Baidu), tamin'ny fanehoana fitomboana fangaharahàna tamin'ny sehatry ny  fitantanana, ny fanndalinana dia nahafahana nahatsikaritra izay ahiahy izay. Na naneho fanatsaràna aza ny Meta tamin'ny fampahafantarany ny fomba fiasan'ny algôritmany hifantenana ny votoaty sy hanamafisana ny fiarovana amin'ny alàlan'ny fanaovana ho mandeha ho azy nychiffremet de bout en bout”(izay mifampiresaka ihany no afaka mahafantatra ny hafatra) amin'ireo tolotra sasantsasany fandefasana hafatra, mbola misy hatrany ireo tsy fanjariana lehibe tavela ao anatin'ilay indostria.  Olana iray mahazatra ny tsy fahampian'ny mangarahara amin'ny fomba fikirakiràn'ny orinasa ny angondrakitra manokan'ireo mpampiasa azy na ny fameperana votoaty, ahitàna an'i Samsung tsy mizara fampahafantarana momba io sehatra io.

Loharano: Ranking Digital Rights/2025.

Mitoetra ho manjavozavo be ny tena milina manodina ny tombony ho an'ireo Goavan'ny Teknôlôjia — ireo algôritma sy doka voakendry. Na eo aza ireo efa fantatra fa ambana ho an'ny demaokrasia mifamatotra amin'ny fandisoana vaovao sy ny fitsabahana amina fifidianana, tamin'ireo orinasa nanaovana tombana dia tsy nisy na iray aza nahavita nanatratra na dia ny antsasany monja tamin'ny isa azo tratrarina tamin'io sehatra io. Alphabet sy Meta aza dia nahitàna fihemorana kely ny fangaraharàny momba ny fomba fanaony amin'ny resaka doka voakendry. Ny ankamaroan'ireo orinasa dia tsy nahavita namoaka fampahafantarana momba ireo doka nesoriny noho izy ireny nanitsaka ny politikany, na nanome porofo momba ny fampiharana ny fitsipik'izy ireo mahakasika ny doka voakendry.

X no tena nahitàna fihemorana be raha miohatra amin'ireo orinasa hafa nanaovana fandalinana. “Ny fiovan'ilay orinasa, niala avy amin'ny naha-Twitter ho an'ny daholobe azy, ho lasa fananana manokana eo an-tànan'ny X Corp. ary ny nanafoanany ny tarika mpiaro ny zon'olombelona tao aminy, dia nifanojo tamin'ny fihenana be tamin'ny resaka mangarahara tamin'ny fomba fanaony amin'ny resaka fitantanana, ny fahalalahan'ny fanehoana hevitra, ary ny tsiambaratelo,” hoy ny notsindrian'ilay tatitra. Ny 2022 sy 2023, tsy nahavita nanome tatitra mangarahara ny X. Na nisy ihany aza tatitra navoaka tamin'ny Septambra 2024, tsy nahafeno ireo fepetra fanaovana tombana ilay izy. Fa ny mbola mampanahy kokoa dia ny filazàna famafàna ireo tatitra momba ny mangarahara efa nisy an-taona marobe, hatrany amin'ny 2011.

Farany, avoitran'ilay tatitra ny fivoarana ara-pôlitika iray mampanahy. Nisy ireo orinasa toa an'i Meta sy YouTube nanitsy ny pôlitikany momba ny votoaty, tamin'ny fomba niteraka ahiahy be, toy ny nandravàn'ny Meta ny fandaharanasany fanamarinana zavamisy ataon'ireo olontsotra tao Etazonia sy ny fanafoanan'ny YouTube ny “maripamantarana ho lahy na vavy” tsy ho anatin'ny politikany momba ny kabarim-pankahalàna. Ny Global Voices dia nanaraka ny fiantraikan'io pôlitika io ho an'i Afrika, ary koa ny filàna ny fomba fanamarinana zavamisy ao anatin'ny tsirefesimandidy nomerika, indrindra fa mandritra ny fifidianana, toy ny tranga tao Indônezia.

Io dia manosoka hevitra momba ny mety hisian'ny fikisahana mankany amin'ny fanamarinana ireo fitondrantena efa misy, fa tsy ny fitazonana ireo fotokevitra efa noraisina tany aloha.

Ny tondro 2025 nomen'ny RDR dia mampiseho fitobohana anaty fotoan-tsarotra iray. Na dia eken'ny tatitra aza ny fisian'ny fivoarana iray miabo, dia takiany ihany koa ny fanavoazana ezaka avy amin'ireo mpitan-tsoroka isankarazany, indrindra fa ny fiarahamonina sivily, ny mpampiasa vola ary ireo mpandrafitra ny pôlitika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.