
Sary nasongadina nampiasana Canva Pro.
Manamarika ny faha-31 taonany amin'ny lohahevitra hoe “Fitiavana iray, Feo iray, Andro iray” ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Reggae (International Reggae Day). Miantso ny “hifantohana indray”, ary angamba hamelona indray, ny hira reggae ho fitaovana mitondra ny fikatrohana.
Ho ampahany amin’ny fankalazana, nambaran'ny ekipa IRD ny taona faharoan'ny Loka Fiahiana maha-olona Winnie Mandela, izay nomena ny Praisiminisitra Mia Mottley avy any Barbados tamin’ity taona ity, noho ny fijoroany hentitra ho amin’ny rariny ara-toetrandro :
The award honours individuals whose life’s work reflects the values of love, justice and truth long championed by Reggae music.
Prime Minister Mottley’s bold leadership on climate justice has shifted global discourse and given voice to the world’s most vulnerable. Her tireless advocacy, particularly for Small Island Developing States, stands as a powerful call to action. Her message is clear. Her stance is unwavering. Her voice, global.
“Manome haja ireo olona ahitana taratra ny lanjan'ny fitiavana, ny rariny, ary ny fahamarinana, izay mampalaza ny mozika Reggae hatry ny ela ny loka.
Nampiova ny adihevitra maneran-tany ny fitarihana mahery nataon-dRamatoa Praisiminisitra Mottley momba ny rariny ara-toetrandro, ka nanome feo ho an’ireo marefo indrindra eto ambon'ny tany. Fiantsoana matotra sy mahery vaika hanetsika izao tontolo izao ny fiezahany tsy misy fitsaharana, indrindra ho an’ireo Nosy kely an-dalam-pandrosoana. Mazava ny hafany. Tsy miova ny fijorony. Manako maneran-tany ny feony.”
Tamin’ny herintaona, nankalazaina tany an-drenivohitr’i Jamaika ny faha-30 taona, nahitana seho an’habakabaka tamin’ny alalan’ny drone sy hetsika hafa. Ity tanàna ity no voatendrin’ny UNESCO ho Tanànan’ny Mozika tamin’ny taona 2015.
Nankalazaina maneran-tany ny Andro Iraisampirenena ho an’ny Reggae, hatrany amin’ny tanàna mamirapiratra toa an’i Las Vegas, izay nanokafana tamim-pomba ofisialy ilay toerana vaovao natao hanintonana antsoina hoe “Bob Marley Hope Road” :
The Welcome to Las Vegas sign is glowing in reggae colors for International Reggae Day and the grand opening of @BMHopeRoad at Mandalay Bay!🎶 @CommishJGibson and Shacia Päyne Marley lit the sign to honor Bob Marley’s legacy and welcome this vibrant new attraction to the Strip. pic.twitter.com/wHgOXjm4pU
— Clark County Nevada (@ClarkCountyNV) July 1, 2025
” Namirapiratry ny loko reggae ny famantarana tongasoa eto Las Vegas ho fankalazana ny andro iraisampirenena ho an’ny Reggae sy ny fanokafana ofisialy ny @BMHopeRoad ao Mandalay Bay!🎶
Nampirehitra ny famantarana i @CommishJGibson sy Shacia Päyne Marley ho fanomezam-boninahitra an’i Bob Marley sy handraisana ity toerana manintona vaovao ity ao amin’ny Strip.” pic.twitter.com/wHgOXjm4pU
… Ka hatrany Nairobi, Kenya:
To commemorate international Reggae day @HomeboyzRadio wamepiga vibes the whole day nakwambia.
Wazito Sana wale. pic.twitter.com/UFeBXCPbJ2
— Mr. BeyondPrescription (@_Kivunja) July 1, 2025
” Nitondra mozika sy “vibes” tao nakwambia nandritra ny tontolo andro ny @HomeboyzRadio ho fankalazana ny andro iraisampirenena ho an’ny Reggae, Wazito Sana wale. pic.twitter.com/UFeBXCPbJ2
Nanana traika maharitra teo amin'ny mpitendry mozika ao Malaysia ny mozika reggae :
Sasi The Don: from Segambut to the world
In conjunction with International Reggae Day, FMT Lifestyle speaks with the popular artiste to learn more about his musical journey.
Story by: Sheela Vijyan
Shot by: Fauzi Yunus & Muhammad Akif Irfan
Presented by: Theevya Ragu
Edited… pic.twitter.com/aZLdHG4ieE— Free Malaysia Today (@fmtoday) July 1, 2025
Sasi The Don: avy eto Segambut ka hatramin'ny sehatra maneran-tany
Ho fankalazana ny andro iraisampirenena ho an’ny Reggae, niresaka tamin’i FMT Lifestyle ilay mpanakanto malaza momba ny dian-kira sy ny fivoarany eo amin’ny sehatry ny mozika.
Nosoratan'i : Sheela Vijyan
Naka sary i : Fauzi Yunus sy Muhammad Akif Irfan
Natolotr'i : Theevya Ragu Nanatontosa … pic.twitter.com/aZLdHG4ieE
Nanatevin-daharana ny fankalazana koa ny Tranombokim-bahoaka ao Greensboro, North Carolina :
Your Greensboro Public Library card gives you access to Freegal Music, a FREE music service. 🎶
Start listening today ➡ https://t.co/HNRHMDeKD9
International Reggae Day has been celebrated on July 1 in Kingston, Jamacia's capital, since 1994. [Source: https://t.co/TANkdeQZyh] pic.twitter.com/L1K5WL50ou
— Greensboro Public Library (@GSOLibrary) July 1, 2025
“Ahafahanao miditra hira maimaimpoana ny karatra maha-mpikambana amin'ny Tranombokim-bahoaka ao Greensboro — tolotra mozika maimaimpoana.” 🎶
Atombohy anio ny fihainoana ao amin'ny ➡ https://t.co/HNRHMDeKD9
Efa nankalazaina isaky ny 1 Jolay ao Kingston, renivohitr’i Jamaika, hatramin’ny taona 1994, ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Reggae.
[Loharano: https://t.co/TANkdeQZyh] pic.twitter.com/L1K5WL50ou
Tao an-tanindrazana any Jamaika, ampifaliana ny nifantohana tamin’ny fankalazana ny andro iraisampirenena ho an’ny Reggae ny an'ny radio maro, indrindra fa ny Irie FM, radio malaza miorina ao Ocho Rios, izay nilaza tamin'ny fomba ofisialy ho tobin'ny reggae tamin’ny taona 1990, ary “mbola mitazona izany karazana mozika izany ho lohalaharana sy ivony hatramin’izao”. Nanome voninahitra an’i Mutabaruka, poeta dub sady mpanolotra fandaharana ao amin’ilay radio, izy ireo, sy ireo olo-malazan’ny reggae hafa, nandritra ny hetsika mivantana natao tany Kingston ambonitanàna, iray amin’ireo fety maro nokarakaraina nanerana an’i Kingston tamin’ny 1 Jolay.
Namaritra amin’ny fomba mahafinaritra ny Irie FM fa ny mozika reggae dia “fanahy… tsy hoe feo fotsiny, fa tena fanahy mihitsy” :
“Reggae music is a spirit.”
It moves through generations, whispers through struggle, and dances in our joy.
This isn’t just sound, it’s soul.
Happy International Reggae Day from Irie FM.#InternationalReggaeDay #ReggaeIsASpirit #IrieFM #OneLove #RootsRockReggae pic.twitter.com/400CUsQto9— IG: iriefmofficial (@IRIE_FM) July 1, 2025
“Ny mozika reggae dia fanahy.”
Mozika tsy tontan'ny ela, mitsoka am-pahanginana amin’ny fotoan-tsarotra,
ary mandihy miaraka amin’ny fifaliantsika. Tsy feo fotsiny izy io, fa fanahy.Tratry ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Reggae avy amin’ny Irie FM!
#andro reggae iraisam-pirenena #ReggaeDiaFanahy #IrieFM #fitiavana tokana #RootsRockReggae pic.twitter.com/400CUsQto9
Etsy an-kilany, nizara ny antsipirihan’ireo boky maro navoakany momba ny reggae ny University of the West Indies Press :
🎶 Celebrate #InternationalReggaeDay with our recommended reads!
Explore reggae’s roots, revolution & global influence.
🌍 One Love. One Voice. One Day.#UWIPress #OneLove #ReggaeDay #ReggaeHistory #IRD2025 #CaribbeanCulture pic.twitter.com/RAIhmEQmto
— UWIPRESS (@UWIPRESS) July 1, 2025
” 🎶 Ankalazao #AndroIraisam-pirenena ho an'ny Reggae miaraka amin'ireo ampirisihanay hovakiana!
Trandraho ny fototry ny reggae, ny fivoarany sy ny fiantraikany manerantany. 📚 https://t.co/thyfY5pC2W 🌍Fitiavana iray. Feo iray. Andro iray. .#UWIPress #FitiavanaIray #Reggae #Tantaran'ny andron'nyReggae #IRD2025 #CaribbeanCulture pic.twitter.com/RAIhmEQmto — UWIPRESS (@UWIPRESS) July 1, 2025
Niantsafa indray maraina tamin’ny fahitalavitra iray tao Jamaika i Andrea Davis, izay namorona ny andro iraisampirenena ho an’ny Reggae (IRD). Etsy ankilany, any amin’ny firenena sasany kosa, nifantoka tamin’ny herin’ny mozika reggae amin’ny fanovàna tsara ny fikambanana miaro zon’olombelona sy ny fiarahamonim-pirenena. Nisioka ity fikambanana poloney iray ity :
International Reggae Day, which takes place every year on 1 July, is a worldwide celebration of Jamaica’s gift to the world, reggae music.#ReggaeDay #MusicAgainstRacismhttps://t.co/V5YbPcLSJc pic.twitter.com/EerxFvC8NM
— NEVER AGAIN/NIGDY WIĘCEJ (@StowNIGDYWIECEJ) July 1, 2025
“Ankalazaina manerantany, isaky ny 1 jolay, ilay fanomezan’i Jamaika ho an’izao tontolo izao na ny andron'ny Reggae iraisampirenena.”
Amin'ny fifantohan'ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Reggae amin’ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny tontolo iainana amin’ity taona ity dia misy aingam-panahy avy amin’i Wangari Maathai, efa nahazo ny loka nobel ho an’ny fandriampahalemana, andrisihana ny mpanjohy azy ihany koa mandritra ny andron'ny reggae erantany mba “hambolena hazo reggae” ho fanohanana ny haika hazo arivo miliara ataon'ny Firenena Mikambana.
Manana hery maneran-tany hatrany ny mozika reggae, satria mitondra hafatra mahasintona olona maneran-tany. Nitondra fikatrohana, zavamisy nasongadina nandritra fankalazana azy tamin’ity taona 2024 ity izy io, anisan’izany ny anjara toerany tamin’ny ady hanoherana ny apartheid.
Azo jerena ho fiantsorohana ny hafatra manerantany momba ny fitiavana, ny firaisankina, ary ny fandriampahalemana izay nentin’ny mozika reggae hatrizay ny lohahevitra amin’ity taona ity izay anasongadinana ny tontolo iainana sy ny fikatrohana. Angamba handray an-tanana hanohy ny fanamby hanandratra sy hitondra io “fanahin’ny reggae” io hatrany ny indostrian’ny mozika Jamaikana amin’ny ankapobeny sy ireo mpanakanto malaza amin’izao fotoana izao.






