
Pikantsary avy amin'ny lahatsary ‘Sana Yousaf, TikTok Star, Dead at 17‘ (Sana Yousaf, Olo-malaza ao amin'ny Tiktok, maty teo amin'ny faha-17 taonany) ao amin'ny YouTube an'ny Entertainment Tonight. Nahazoana alàlana.
Nampivarahontsana ahy tanteraka ny famonoana an'i Sana Yousaf, tovovavy 17 taona mpamorona votoaty an-tserasera, tao Islamabad ny 2 jona lasa teo. Toy ireo vehivavy Pakistaney maro manerana izao tontolo izao, savolaina aho noho ny vesatr'izao famoizana izao. Satria tsy momba an'i Sana ihany izao. Voakasik'io avokoa ny zazavavy rehetra izay efa nisy nilaza fa tsy dia misy dikany ny ainy, mafy loatra ny feony, ary mampidi-doza loatra ny fahafahany.
Nahazo mpanaraka 800,000 tao amin'ny TikTok ary manodidina ny 500,000 tao amin'ny Instagram i Sana Yousaf, tovovavy iray nihetsiketsika avy ao Chitral, faritanin'i Khyber Pakhtunkhwa ao Pakistàna, tamin'ny fizaràna kolontsaina sy fahatokisan-tena ary fifaliana. Nanome aingam-panahy ireo tovovavy mitovy aminy izy. Nankalaza ny lova navelan'ny razambeny izy, niresaka momba ny fanabeazana, ary niaina tsotra tanatinà tontolo nomerika izay matetika no mankahala vehivavy. Io fisiany io monja dia ampy ninoanà lehilahy iray fa manana zo hanapitra ny ainy izy.
Tao an-tranony ihany izy no nisy novonoinà lehilahy iray izay voalaza fa efa nanara-maso ny nataony rehetra no sady nisisika hifanerasera aminy efa volana maro. Tsy zakany ny fandàvany hany ka, toy ireo rehetra teo alohany, dia naleony nampangina an'i Sana.
Mbola mampihoron-koditra lavitra noho ny famonoana angamba ny zava-niseho taorian'izay: ireo lahatsoratra, lahatsara fohy, fanehoankevitra. Maro no nilaza fa raharaha notadiavina ny azy. Rariny izy raha maty noho ny fisehosehoany, ny fanehoany hevitra, ny “fihantsiany”. Tsy iray, tsy roa no manana izany fisainana izany. Mahazatra izany ao an-toerana, ary zaraina anaty vondrona WhatsApp, zarain'ireo influenceurs, manakoako anaty resaka momba ny fitondrantena sy ny finoana. Mampibaribary ny halalin'ny fanjakazakan'ny lahy eo amin'ny fiarahamonina misy antsika, izay ampianarana azy ireo fa manan-jo hampangiana ny vehivavy sy hanjakazaka amin'ny vatany ary hanao izay hankatoavany azy ny lehilahy — ary izay vehivavy sahy mibahan-toerana kosa dia loza mitatao.
Mandra-panoherantsika an'io fomba fisainana io, na ao an-trano, na any am-pianarana, na eo amin'ny media sosialy, dia ho tara foana ny rariny, raha ho avy aza. Satria tsy vao izao no nisy izany. Ary tsy vitsy.
Tamin'ny 2016, i Qandeel Baloch, Pakistaney malaza tao amin'ny media sosialy fantatra noho ny fanoherany ireo fomba amam-panao patriarka, dia maty nokendain'ny anadahiny noho ireo antony ireo ihany: fisehoana, fahasahiana, fihantsiana. Araka ny voalazan'ny Vaomieran'ny zon'olombelona ao Pakistàna, dia tranganà famonoana ho fiarovam-boninahitra miisa 470 mahery no notaterina tamin'ny taona 2021. Tombanan'ny mpiaro ny zon'olombelona ho 1 000 isan-taona anefa ny isa marina. Amin’ireny vono olona ireny dia raisina ho nitondra henatra ho an’ny fianakaviana ilay niharam-boina, ary heverina ho fomba iray hamerenana ny voninahin'ny fianakaviana ny fahafatesany.
Tamin'io taona io hatrany i Saman Abbas, tovovavy Pakistaney-Italiana iray 18 taona, no novonoin'ny fianakaviany tao Italia rehefa nandà vady atolotra. Herintaona mahery taty aoriana vao hita ny vatana mangatsiakany, nilevina tao aminà fasana marivo akaikinà trano fiompiana iray tsy misy mipetraka. Voaheloka higadra mandra-pahafatiny ny ray aman-teniny tamin'ny 2024. Io tranga nahazo azy io dia lasa ho iray amin'ireo ohatra malaza indrindra ao Italia entina mampiseho fa tsy voasakan'ny sisintany ny fanjakazakana ny vatan'ny vehivavy sy ny hoaviny.
Ary ny tahotra kosa tsy mifidy saranga sy fahafahana.
Tamin'ny Jolay 2021, i Noor Mukadam, vehivavy 27 taona avy aminà fianakaviana diplaomaty ao Islamabad, dia nampijaliana sy novonoin'i Zahir Jaffer, zanaky ny iray amin'ireo fianakaviana mpandraharaha matanjaka indrindra ao Pakistàna. Na dia nanana ny maha-izy azy teo amin'ny fiarahamonina aza i Noor ary na dia teo aza ireo porofo be dia be, dia narirarira nandritra ny volana maromaro ny fitsaràna teo ambany fanarahamason'ny besinimaro. Raha tsy nahazo tsindry mavesatra avy amin'ny vahoaka marobe tsy nivoaka ny fanamelohana. Mbola maro no matahotra ny mety hanafoanana izany amin'ny fampakarana, tahaka ilay mpamono an'i Qandeel Baloch izay votsotra ihany tamin'ny farany.
Mbola ireo tranga henontsika fotsiny ireo. Maro ireo tsy tafavoaka akory ny antontan-taratasin'ny polisy, na mety tsy voarakitra akory aza.
Tsy resaka vono olona ihany anefa izao rehetra izao, fa mikasika ny fahasemporana isan'andro amin'ny maha-vehivavy ao Pakistàna. Nahoana isika no tsy hita eny amin'ny valanjavaboary, sisin-dalana, toeram-pisotroana dite? Tsy hoe tsy tokony ho eny isika, fa natao hahatsapa fa tsy mendrika ny ho eny.
Ny Aprily 2025, nisy tranga iray nalaza be tao Lahore nampiseho mazava izany. Nisy vehivavy iray nanao yoga tao amin'ny zaridainam-panjakana no voalaza fa nasaina niala sy nampiseho ny karapanondrony, rehefa nitaraina ny lehilahy iray fa “tsy maotina” ny fihetsiny. Niandany tamin’ilay lehilahy ilay mpiambina. Tamin'io fotoana io, vehivavy iray nanenjana vatana tsotra teo ambany masoandro maraina no noheverina ho loza mitatao. Niteraka adihevitra fohy ilay tantara, saingy ho an'ny maro amintsika, efa ho lava sy mankaleo ny hafatra: na ny tsy fihetsehanao aza dia mety efa tafahoatra raha vehivavy ianao ao Pakistàna.
Lehibe tao aho. Haiko tsara izany fo mitebiteby isaky ny hiampita arabe izany. Izany folo taona dia mianatra miforitra. Izany filazàna fa mety hitondra henatra ny vatanao, ny akanjonao, ny hehinao, ny anaranao eo amin'ny varavarana. Manaraka ahy hatrany anatiko lalina any izany tahotra izany na izao aza, efa am-polo taona mahery aty aoriana.
Amin'izao 2025 izao, mbola mitohy ny famonoana amin'ny asidra, maherin'ny 200 ao anatin'ny taona, ary vehivavy no tena iharany. Mandava anie vady atolotra, mangataha fisaraham-panambadiana, ataovy ren'ny fianakavianao hoe “mandoto ny voninahiny” ianao, fa mety hitondra takaitra mandra-pahafaty. Mazava be mibaribary ny hafatra: rehefa tsy hita, mankatoa, ary tsy re feo ihany ny vehivavy no misy vidiny ny ainy.
Ho an'ny ankamaroanay aty Lahore, Lôndôna, na New York, efa tsy manaitra intsony ireo famonoana ireo. Mandrotika fanahy, fa tsy vaovao. Izay no tena mampivarahontsana.
Tsy azontsika atao ny mamela izao hiseho. Tsy azontsika atao ny mandrehitra labozia fotsiny dia mivadika pejy hafa.
Niteraka fihetsiketsehana sy tenifototra (#JusticeForSanaYousaf sy #StopHonourKillings) ny fahafatesan'i Sana, saingy lalina kokoa noho izao ny rariny angatahina. Tsy tokony ho nilaina akory ny fitakian-drainy ny rariny tany amin'ireo manampahefana. Ny famonoana azy feno habibiana, ny fahanginan'ireo eo amin'ny fitondrana, ary ny fahalalana fa maro ireo efa niahiahy ny hisehoan'izao kanefa tsy nanao na inona na inona dia tsy ahafahana mamadika ny pejy.
Tsy amin'ny maha-mpiaro ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety na amin'ny maha-mpanao gazety ahy fotsiny no anoratako ity, fa amin'ny maha-vehivavy Pakistaney ahy. Amin'ny maha-olona mbola mifoha rakotra hatsembohana amin'ny sasakalina, mahatsiaro ny tebiteby rehefa hody any an-trano. Manoratra ity aho noho ny finoako fa izao tontolo izao no mendrika ireo zazavavy toa an'i Sana fa tsy fasana velively.
Aoka mba tsy ny fahafatesany fotsiny ihany no hahatsiarovana an'i Sana Yousaf, fa ny fiainany ihany koa. Ny zavatra sahiny natao: naka sehatra. Nitatitra ny fahamarinany. Nandihy. Nisy.
Aoka izao no ho rivopanovantsika.







