MIVANTANA amin'ny 14 Aogositra: Habaka ankihy ho an'ny fiteny Quechua: filaminana sy fampiatìna anjotra

Tsy mitsaha-mitombo ny votoaty ankihy amin'ny fiteny Quechua, afa-manararaotra bebe kokoa ny fianakaviamben'ny mpiteny Quechua hisolo tena anjotra sy hifandray kokoa manoloana ny elanelana ara-jeografika. Mitombo isa tokoa ny votoaty, fa mitombo miaraka amin'izany ihany koa ny fanamby hiantohana ireo habaka nomerika ho toerana tsimialonjafy, azo antoka ary mahafoaka ny rehetra, ao anatin'izany ny fandanjalanjàna votoaty havoaka na tsia amin'ny media sosialy.

Amin'ity fizarana Global Voices Insights ity, hojeren'ireo nasaina ny andraikitry ny mpikatroka ankihy amin'ny famolavolana sehatra anjotra maneho ny soatoavina sy ny filan'ny fianakaviamben-dry zareo. Hoheverina mandritra ny fotoana ihany koa ny andraikitry ny mpandray anjara hafa, toy ny orinasan'ny teknolojia, amin'ny fampahazoana antoka fa raisina sy ho azon'ireo fianakaviamben'ny fiteny ireo idirana ireo habaka ankihy ireo.

Miaraha aminay amin'ny Mivantana YouTube amin'ny 14 aogositra 2025, amin’ny 11 ora EDT/3 ora hariva UTC/5 hariva CET (6 ora hariva eto Madagasikara) hijery fifanakalozan-kevitra ahitana an'i:

Américo Mendoza Mori : mpikaroka momba ny literatiora, ny haifiteny ary ny kolontsaina Amerikana Latina, ka ifantohana manokana ny teny sy ny politikan'ny teny indizeny. Mampianatra ao amin'ny Kolejy St. Olaf any Minnesota izy ankehitriny. Mandray anjara mavitrika amin'ny hetsika fampiroboroboana sy fampianarana ny kolontsaina Quechua sy Andeana izy ao Però sy any Etazonia. Anisan'ny famoahana akademika nosoratany ny Quechuactivism amin'ny Tambajotra Sosialy: Votoaty Ankihy sy ny Fanentanana amin'ny fiteny Indizeny (2023), ary vao haingana ny namoahany ny Runa TikTok: Mandrafitra antsaritany indray ny fijoroan'ny ampielezana indizeny Quechua any amin'ny tambajotra sosialin'i Etazonia (2025).

Dhanaraj Thakur : Talem-pikarohana ao amin'ny Foiben'ny Demokrasia & Teknolojia, izay itarihany fikarohana ampandrosoana ny zon'olombelona sy ny fahalalahana sivily anjotra. Nanaovana antsafa izy ary voatsonga ao amin'ny famoaham-baovao maro ny asany, anisan'izany ny WIRED, CNN, ny WSJ, ny Economist, ary ny Guardian (UK). Ankoatra izay, namoaka lahatsoratra an-gazety efa voajern'ny mpikaroka mitovy aminy, tokom-boky ary taratasim-belakevitra mihoatra ny 50 izy. Manana mari-pahaizana PhD amin'ny Politikam-panjakana avy amin'ny Georgia Institute of Technology izy, ary nahazo diplaoma tao amin'ny London School of Economics sy ny University of the West Indies (Jamaica).

Emma Vadillo Quesada : tonian-dahatsoratra sy profesora avy any Frantsa sy Però. Manana mari-pahaizana roa avy amin'ny Sciences Po Paris sy Columbia University izy sy diplaoma amin'ny fiteny sy ny kolontsaina Quechua avy amin'ny INALCO. Mankamamy ny famelomana indray ny fiteny izy, indrindra ny teny Quechua, ary niara-niasa tamin'ny Wikimedia, ny Tetikasan'ny Teny Tandindonin-doza, ny Fiombonana Quechua ao New York ary ny Asociación Pukllasunchis ankoatra ny hafa. Niara-nikarakara ny fihaonambe Contribuling sy HIGA izy ary niasa tamin'ireo tetikasa iraisan'ny sekoly lehibe isankarazany toa ny Lingua Libre na MOOC Quechua. Tamin'ny taona 2024 izy niara-nanorina ny Watuchi Siminchik Wasi izay manana tanjona hitandro ny fiteny quechua sy indizeny ao Abya Yala amin'ny alalan'ny famoaham-boky, ny fifampianarana ary ny fananganana fiaraha-monina. (watuchi.org, @wa.tu.chi) Mampianatra Quechua Tatsimo ao amin'ny Alliance Française ao Lima ihany koa izy.

Nicaela León Coico : mpahay teny Quechua sy mpanao fandravahana an-tsary. Mpikatroka an'aterineto, mifantoka amin'ny famelomana ny fiteny Quechua amin'ny alalan'ny fampiasana ny zavakanto sy ny teknolojia ny asany. Mpikambana ao amin'ny Editorial Collective Atuq Yachachiq sy Simi App izy.

Mpandrindra: Marco Antonio Martínez : Marco Antonio Martínez, avy amin'ny vondrom-piarahamonina Maaxïnkojm ao Sierra Mixe ao Oaxaca, Meksika, miteny Ayöök, iray amin'ny karazam-piteny Mixe. Nianatra hahazo ny mari-pahaizana Bachelor amin'ny fitantanan-draharaha sy ny mari-pahaizana maîtrise momba ny hetsika ara-tsosialy amin'ny Hodidina Manerantany, sy noho ny toe-javatra samihafa, dia nandray anjara tamin'ireo tetikasam-pisoloanteny tamin'ny alalan'ny sehatra toy ny radio, atrikasa momba ny teny, ary ny aterineto.

Mpikambana ao amin'ny COLMIX (Mixe Collective) izy ary mpiara-manorina ny Kumoontun, fikambanana sivily tsy mitady tombombarotra te-hanohana sy handray anjara amin'ny tetikasam-piarahamonina, mamokatra sy ara-kolontsaina ao amin'ny vondrom-piarahamonina indizeny ao Sierra Mixe ao Oaxaca.

Hotontosaina amin'ny teny espaniola sy anglisy ity webinar ity, arahina fandikana eo noho eo. Miangavy mba misorata anarana ato azafady.

Manantena izahay fa hiaraka aminay ianao amin’ny Alakamisy 14 aogositra, amin’ny 11 ora maraina EDT/3 ora hariva UTC/5 hariva CET (tsindrio eto raha hanova azy ho amin'ny hasin'oran’ny toerana misy anao).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.