Mozika Nepaley ho an'ny fanamby mitovy amin'ny mianika an’i Everest

A screenshot from Resham रेशम - Prakash Dutraj, one of the songs in the GV Nepali playlist.

Pikantsarin'i Resham रेशम – Prakash Dutraj, iray amin'ireo hira ao amin'ny rakikira GV Nepaley. Pikantsary tao amin'ny YouTube. Nampiasaina araka ny tokony ho izy.

Manana fifandraisana manokana amin'ny kolontsaina Nepaley ny Global Voices. Maro amin'ireo mpandray anjara efa hatry ny ela no avy any Nepal, ahafahanay mitantara momba ny fiteny, zavakanto, haisoratra, tantara, politika, ary ny vaovao Nepaley. Iray amin'ireo mpiara-miasa amin'ny fampita-baovao akaiky indrindra antsika ny The Nepali Times, ary tany Kathmandu mihintsy aza no toerana nanaovanay ny fihaonana an-tampony tamin'ny taona 2024, izay nifandraisanay nandritra ny roa andro, niara-miasa, ary nifampiresaka tamin'ireo mpanao gazety, mpikatroka, mpandala ny teknolojia, ary ireo hafa manerana izao tontolo izao.

Izany no iray amin'ireo antony nanapahan'i Nathan Matias (Nate) mpanohana ny Global Voices efa hatry ny ela hanao fanamby am-bisikileta Everest Roam, izay hiakaran'ny mpitaingina bisikileta mihoatra ny 10.000 metatra amin'ny haavony ao anatin'ny 36 ora latsaka, mandeha amin'ny halavirana 400 kilometatra farafahakeliny. Nanao ity dia ity izy mba hanampiana ny Global Voices hahatratra ny tanjona amin’ny fanangonana 250.000 dolara amerikana hanohizana ny asa lehibe ataonay amin'ny fanaovana tatitra miampita sisintany, fandikan-teny, ary fanohanana ireo vondrom-piarahamonina vitsy mpisolontena, toy ny efa nataonay nandritra ny 20 taona lasa izay.

Mba hanampiana an'i Nate amin'ity diany ity, nandrakitra rakikira amin'ny teny Nepaley mba hohenoiny mandritra ny dia ny mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices Nepaley. Ankafizo eto ny rakikira feno:

Ankoatra ny rakikira amin'ny teny Nepaley, nandrakitra rakikira amin’ny ankapobeny ihany koa ny vondrom-piarahamonina, izay hita ato.

Aza adinoina ny manampy ny Global Voices raha mbola misy ny azonao atao:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.