‘Hafatra mivantana’ alefan'ireo Belarosiana nijirika ny fotodrafitrasa teknolojikan'ny zotram-pitateran'i Rosia voalohany

Sary avy amin'i Egor Myznik ao amin'ny Unsplash

Lahatsoratra niseho voalohany tao amin'ny Holod Media tamin'ny 28 Jolay 2025. Nandika ny lahatsoratra ny Global Voices sy nanitsy azy hazava kokoa.

Nilaza ho tompon'andraikitra tamin'ny fanafihana ny fotodrafitrasa informatikan'ny Aeroflot, zotram-piaramanidina lehibe indrindra ao Rosia, ny Silent Crow sy ny Cyber Partisans, vondrona mpijirika Belarosiana roa tsy miseho anarana mipetraka ivelan'ny firenena ary miady amin'ny didy jadona Belarosiana sy Rosiana.

Araka ny fomba fijerin'ireo mpijirika ireo, dia fanehoana ny maha “tsy misy dikany” ny fiarovana nomerikan'ireo rafitra rosiana fototra izao fanafihana izao. Niresaka ny fikorontanana tao amin'ny rafitra famoahan-torohainy ity zotram-piaramanidina Rosiana ity tamin'ny 28 Jolay, ka nitarika tamin'ny fanafoanana sy fanemoran-tsidina maro izany.

Araka ny vaovao ao amin'ny tranokalan'ny zotram-piaramanidina, sidina Aeroflot 19 sy an'ireo rantsa-mangaikany toa ny Rossiya Airlines, no nofoanana tao Moskoa, ary 16 no nahemotra. Raha ny fitodiana indray dia sidina 16 no nofoanana ary 27 no nahemotra. Ny tao Saint-Pétersbourg indray, sidina enina araka ny kaody SU — anondroana ny sidina Aeroflot ao amin'ny International Air Transport Association (IATA) — no nofoanana ary sivy no nahemotra; sidina efatra sy 16 avy kosa no voakasika tamin’ny sidim-piverenana. Nanambara “fanitsiana an-tery ny oran'ny sidina” noho ny “fikorontanan'ny servisy” ny Aeroflot.

Nivoaka taorian'izay ny fanambaràna tao amin'ny fantsona Telegram an'ny Silent Crow, nilazan'ny vondrona ny andraikiny tamin'ny “asa maharitraritra sy midadasika” amin'ny rafitra teknolojian-torohain'ny (IT) zotram-piaramanidina. Araka ny fanambaràna, efa herintaona izao no tafiditra tao anatin'ny tambajotran'ny orinasa ireo mpijirika, nandritra izany fotoana izany no nahazoany niditra tamin'ireo vonam-potodrafitrasa fototra, anisany ny Tier0 — fotodrafitrasa kitro ifaharana izay atahorana indrindra raha tafajirika.

Nilaza ireo mpijirika fa misy ampahany simba sy potika ireo rafitra fototra, ao anatin'izany ny angon-drakitry ny tantaran'ny sidina, ny rafi-pitantanana mpiasa, sy ny maro hafa. Nolazainy ihany koa fa tafiditra amin'ireo solosaina manokan'ny mpiasa sy ny an'ny mpitarika ny orinasa ry zareo, ary azon-dry zareo ny voasoratra ao amin'ny lohamilina sy ny fifandraisana anatiny.

Nampian‘ireo vondrona fa manodidina ny 7000 eo ho eo ny lohamilina fizika sy virtoaly no potika, ary mahatratra 22 terabytes eo ho eo ny fitambaran'ny angon-drakitra azo, anisan'izany ny tobin'angon-drakitra, mailaka ary ireo rafitra fitehirizan-drakitra. Raha ny tombatomban'izy ireo dia mety hahatratra an'arivony tapitrisa dolara amerikana ny fahavoazana voalaza.

Nosoritan'ireo mpijirika fa famelezana ny fiarovana Rosiana sy ny rafitra an'habaka ny hetsika, tafiditra ao ny Sampam-piarovana federaly ao amin'ny Federasiona Rosiana (FSB), ny Foibem-Pandrindrana Nasionaly amin'ireo Tranga an-Tsolosaina(NCCCI), sy ireo hafa, izao fanafihana izao ho “hafatra mivantana” amin'ny tsy fahombiazan'ny fepetram-piarovana an'habaka ao Rosia ary nilazana fa “efa narahi-maso hatry ny ela ny mpiasan'ny famoretana.”

Nambaran’ireo vondrona ihany koa ny fikasany hamoaka ny ampahany amin’ny angon-drakitra azo, ka nilazany hoe: “Tsy nopotehinay fotsiny ny fotodrafitrasa fa namelanay dia ihany koa.”

Fanamarihana: Aza hadinoina ny manampy ny Global Voices raha mbola misy ny azonao atao

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.