Vehivavy mainty hoditra sambany voafidy ho ao anatin'ny Akademian'ny literatiora breziliàna tato anatin'ny 128 taona

Brazilian writer Writer Ana Maria Gonçalves, who became the first Black woman to be elected to the Brazilian Academy of Letters

Ana Maria Gonçalves, mpanoratra, lasa vehivavy voalohany voafidy ho anisan'ireo ao anatin'ny Akademian'ny Literatiora Breziliàna. Saripika an'i Tânia Rêgo/Agência Brasil, nahazoana alalana

Tamin'ny 10 Jolay, nambaran'ny Akademian'ny Literatiora Breziliàna (Academia Brasileira de Letras — ABL) fa nifidy ny vehivavy voalohany mainty hoditra ho mpikambana ao aminy izy tato anatin'ny 128 taona nisiany. Ny vehivavy nahatifitra tendrombohitra ka lasa “Velona mandrakizay” – fomba fiantso ireo “mpikambana” ao anatin'ilay andry rehefa lasa mpikambana maharitra ry zareo — dia i Ana Maria Gonçalves,  55 taona, mpanoratra teraka tao amin'ny fanjakan'i Minas Gerais, fantatra kokoa amin'ilay tantaram-pitiavana be mpanjifa indrindra nosoratany “Um defeito de cor” ( “tsy fetezan'ny loko”).

Najoro tamin'ny 1897, taoriana kelin'ny nahalasa ho repoblika an'i Brezila, fikambanana iray tsy mitady tombony ara-bola ny akademia, manokan-tena ho amin'ny “fampiroboroboana ny fiteny sy ny literatiora nasiônaly,” araka ny ambaran'ny tranonkalany. Ankehitriny, manana mpikambana 40 mavitrika izy ary vahiny 20 mpiara-mitan-tsoroka.

Na eo aza ny maha-firenena safiotra an'i Brezila, ahitana vahoaka izay vehivavy ny mihoatra ny antsasa-manila ary ny ankamazoany dia misora-tena ho taranaka avy amin'ny Afrikàna (olona avy amin'ny foko mainty na safiotra araka ny fomba fitiliana nampiasaina nanaovana fanisàm-bahoaka), tsy afaka nitarafana hatrany ny tena firafitry ny mponina ao aminy ny isan'ireo seza ao amin'ilay andry.

Teo amin'ny tantarany, vehivavy 13 monja no voafidy ho mpikambana tao amin'ny Akademia. Ny voalohany dia ilay mpanoratra Rachel de Queiroz, tamin'ny 1977, taona iray taorian'ny nanesorana ny fandraràna ny fandraisana vehivavy ho mpikambana. Gonçalves no farany indrindra, ary manatevina ny laharan'ireo vehivavy hafa dimy mpikambana amin'izao fotoana izao. Izy no nandimby toerana an'ilay mpahay gramera sady philologue, Evanildo Bechara, izay nodimandry tamin'ny May tamin'ity taona ity.

Tamin'ny 2018, mpanoratra iray hafa avy ao Minas Gerais, Conceição Evaristo, no nanolotra ny firotsahany ary efa saika lasa ho ny vehivavy mainty hoditra voalohany nahazo seza tao amin'ny akademia. Cacá Diegues, lehilahy fotsy hoditra, mpamokatra sarimihetsika, no voafidy ho solony.

Momba ny maha-zavadehibe ny nifidianana an'i Gonçalves, i Merval Pereira filohan'ny ABL no niteny nanoloana ny Akademia, nilaza fa ny fanendrena azy dia nanampy ‘‘hanaporofoana fa ny ABL dia mikendry ny hampitombo ny fisoloantenany manaraka ny miralenta, ny firazanana ary izay lafin-javatra rehetra maneho ny kolontsaina breziliàna.’’

Queremos ser reconhecidos como uma instituição cultural que represente o Brasil, a diversidade brasileira. Ela aumenta nossa vontade de estar sempre presente nos movimentos sociais relevantes.

Tianay ny mba ho ankatoavina ho toy ny andrimpanjakana ara-kolontsaina maneho an'i Brezila, ny fahasamihafàna breziliàna. Izy no mampitombo ny fahavononanay hiatrika / ho hita anatin'ireo hetsika sôsialy misongadina.

Nambaran'i Gonçalves fa ny literatiora no solomaso nampahafantatra azy tamin'izao tontolo izao sy ny hirika ho amin'ireo kolontsaina isankarazany, sady nomarihany hoe:

Que eu não seja a única mulher negra. Mais do que a representatividade que o momento pede, é importante a produção de presença. Isso que gostaria de fazer também dentro da ABL. Estou chegando, conhecendo e tentando me entender com os colegas e como a Academia funciona. Me encanta muito a possibilidade de trabalhar institucionalmente pelo livro, num país onde perdemos leitores.

Antenaiko fa tsy ho izaho irery no ho vehivavy mainty hoditra [eto]. Mihoatra noho ny fisoloantena takian'ity fotoana ity, zavadehibe ny mamorona fanatrehana. Izany no iriako hatao ao anatin'ny ABL. Tonga eto aho, mianatra sy miezaka hahatakatra ny fomba ataon'ireo mpiaramiasa amiko sy ny asan'ny Akademia. Talanjona aho amin'ireo hirika ananana hiasàna ho an'ny boky avy ao anatina andrimpanjakana ao anatina firenena iray izay efa andaozan'ny mpamaky antsika.

Tohano ny Global Voices fa mamoaka lahatsoratra bebe kokoa tahaka ity iray ity izahay

Manasa anao hijery ato raha mila fanazavàna misimisy kokoa momba ity fanentanana ity.

Asan'ny mpanoratra

Gonçalves dia mpanoratra tantara, scénariste sy mpanoratra tantara tsangana, no sady mampianatra ny asa fanoratana araham-pamoronana.

Ny asany tena fantadaza indrindra dia ilay tantaram-pitiavana ara-tantara “Um defeito de cor,” izay voafidy ho iray amin'ireo boky breziliàna tsara indrindra ho an'ny taonjato faha-21, fisafidianana nataon'ireo mpitsara nasain'ny gazety Folha de S. Paulo tamin'ny volana May 2025. Tamin'ny 2006 no natonta voalohany, nahalafosana dika nihoatra ny 150.000 izy io ary tonga tamin'ny fanontàna azy fanin-41. Tamin'ny 2024,  lasa aingampanahy izy nakàna ny lohahevitry ny diaben'ny Portela, iray amin'ireo sekoly goavana fianarana samba amin'ny fetiben'i Rio de Janeiro.

Tanaty 951 pejy izay nilàna taona dimy ny fikarohana sy fanoratana azy, i Gonçalves no mitantara ny tantaran'i Kehinde, vehivavy afrikàna teraka tao amin'ny fanjakan'i Dahomey (niova anarana ho Benin tamin'ny 1975), izay nobaboina teo amin'ny fahavalo taonany ary naondrana ho andevo tao Brezila. Mitantara ny zotram-piainany ilay boky, anisan'izany ny hadisoam-panantenana, ny fijaliana, ny tantaram-pitiavany, ny fitadiavany zanaka lahy, ny maha-mpino azy ary ny nahatonga azy nandao io finoana io sy ny nahazoany ny fahalalahany.

Toa hoe olona iray tena nisy, ary nanana tantara, no aingam-panahy nakàna ilay olo-manga, dia i Luísa Mahin, izay misy fahabangana ny rakitra ara-tantara momba azy, araka ny tatitry ny DW Brasil. Heverina fa Mahin dia nandray anjara tamin'ireo fitroarana sy fikomiana nanan-tantara nataon'ireo nandevozina nandritra ny vanimpotoana fanjanahana tao Brezila tamin'ny taonjato faha-19, toy ilay fikomiana tao Malês, izay nampivondrona ireo Afrikàna andevo marobe, anisan'izany ireo miozolomàna maro, niady ho amin'ny fanafoanana ny fanandevozana tao Bahia tamin'ny 1835. Heverina ihany koa fa i Mahin no renin'i Luís Gama, izay taty aoriana dia lasa olo-malazan'ny fanafoanana ny fanandevozana tao amin'ilay firenena.

Na i Gonçalves izy tenany aza dia niantso ilay bokiny ho ‘‘tantaram-pitiavana tena marina,’’ araka ny tantarain'ny mpampahalala vaovao G1:

‘‘Um Defeito de Cor’’ é a história da luta preta no Brasil incorporada em uma mulher que enfrentou os maiores desafios imagináveis pra continuar viva e preservar suas heranças e raízes.

“Ny tsy fetezan'ny loko” dia tantaran'ny tolon'ireo Mainty Hoditra tao Brezila notarafina avy amina vehivavy iray izay niatrika ireo fanamby goavana azon'ny saina eritreretina mba hitahirizana ireo lovany sy faka niaviany, ary mba ho tafavoaka velona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.