Tery anelanelan'ny fikajiana sy ny fiavotan-tena ny vondrom-piarahamonina indizeny ao Nepal

A Bote fisherman with his tools in Patihani village in Chitwan district, Nepal. Image by the author. used with permission.

Bote iray mpanjono miaraka amin'ny fitaovany. Sary avy amin'ny mpanoratra. Nahazoana alalana.

Vondrom-piarahamonina teratany mandrafitra ny 0,04 isanjaton'ny mponina rehetra ao Nepal ny Botes. Taranaka maro nifandimby no nifandraisan-dry zareo akaiky tamin'ireo renirano sy ony ao amin'ny firenena sy nivelomany tamin'ny fanjonoana tamin'ireo rano sy ny fandehanana an-tsambo hazo izay nitondra olona sy entana taloha. Saingy tandindonin-doza ankehitriny io fomba fiaina anjato taona maro io. Mampihena ny fisitrahan-dry zareo ny harena voajanahary sy ny zo ara-drazana ny fanafoanana vonjimaika ny fahazoan-dàlana hanjono, ka voafetra ireo soa fanararaotra ara-toekarena.

Iza moa ireo Botes ireo?

Heverina fa avy amin'ny Bot (बोट), midika hoe “hazo” amin'ny teny Nepali ny voambolana Bote. Manolo-kevitra ireo manam-pahaizana momba ny fiteny fa avy amin'ny fanaon-dry zareo manamboatra sambo avy amin'ny rantsa-kazo izany anarana izany. Any amin'ny distrikan'i Syangja, Gulmi, Palpa, Chitwan, Nawalparasi, Gorkha, Tanahun, ary Baglung ny vondrom-piarahamonina Bote no tena mipetraka. Tsy manan-tany ny ankamaroan’ny Botes ary mipetraka amin’ny tanim-panjakana.

Raha ifotorana amin'ny asan'ny razambeny, nosokajiana ho Pani Bote sy Pakha Bote ry zareo. Mpanjono sy mpanao sambo ny Pani Bote ara-tarazo, fa mivelona amin'ny fambolena kosa ny Pakha Bote. Mifantoka amin'ny Pani Bote ity lahatsoratra ity, indrindra ho an'ireo monina manamorona ny Reniranon'i Rapti ao amin'ny faritry ny valan-javaboahary Chitwan (CNP). Eo andalam-pamolavolana (indray) noho ny fitomboan'ny tsindry avy amin'ny lalàm-pikajiana ny fiveloman-dry zareo.

Tokony ho dimampolo taona lasa izay, nanery ny vondrom-piarahamonina Bote monina manamorona ny Reniranon'i Rapti ny Mpanjaka Mahendra mba hisafidy na ny renirano na ny tany. Nisafidy ny renirano ny Botes, nentin'ny fahatsapana lalina mifandray aminy ho mpamatsy. Ao Chitwan, niankina tamin'ny fandehanana an-tsambo sy ny fanjonoana tao amin'ny Reniranon'i Rapti ny vondrom-piarahamonina Bote ho fivelomany. Ny fanangonana hazo ao amin'ny alan'i Chitwan National Park (CNP) amin'izao fotoana sy ny fanjonoana an-drenirano no ivon'ny fomba fiainany. Mivelona amin'ny fitaterana olona antsambo niampita ny renirano sy nivarotra trondro, na vaovao na maina, teny amin'ireo tsena akaiky ry zareo. Amin'izany fomba izany ny Botes ao Chitwan no mitazona fifamatorana tsy azo sarahina amin'ny Reniranon'i Rapti.

Fikajiana sa Fivelomana

Nitondra fahasahiranana lehibe ho an'ny vondrom-piarahamonina Bote monina ao anaty faritry ny valan-javaboary ny fampiharana henjana ny lalàm-pikajiana, toy ny fitakiana fahazoan-dàlana hanjono amin'ny renirano sy farihy ao anatin'ny valan-javaboarin'i Chitwan. Vao mainka manampy trotraka amin'ny fahazoana alalana ny fahamaroan'antontan-taratasy sy ny fanasarotan'ny birao. Nitsahatra tsy namoaka fahazoan-dàlana vaovao hanjono ihany koa ny tompon’andraikitry ny valan-javaboary tao anatin'ny fito taona farany.

Hasta Bahadur Bote of Patihani village in Chitwan district with a fishing net. Image by the author. Used with permission.

Hasta Bahadur Bote ao an-tanànan'i Patihani ao amin'ny distrikan'i Chitwan miaraka amin'ny harato fanjonoana. Sary avy amin'ny mpanoratra. Nahazoana alalana.

Nandritra ny antsafa nifanatrehana tamin'ny volana Jona no nilazan'i Hasta Bahadur Bote, mponina ao Bote Tole ao an-tanànan'i Patihani, distrikan'i Chitwan, Nepal, tamin'ny Global Voices fa olona iray monja amin'ny tokantrano Bote eo amin'ny 60 eo ho eo amin'izao fotoana izao no manana fahazoan-dàlana manjono manankery. Voatery nandao ny asa fivelomany ny ambiny noho ny fepetram-pikajiana [mg] nampiharin'ny ny valan-javaboary. Voatery mitady toeran-kafa hamelomana ankohonana ireo vondrom-piarahamonina vazimba teratany  hafa mitovy amin'ny Bote, izay nifandrindra tamin'ny zavaboary nandritra ireo taranaka maro mifandimby ny fiainany. Saingy noho ny tsy fahaizana afa-tsy ny manjono sy ny miantsambo, dia misedra mafy ny tsy fisian'asa ny vondrom-piarahamonina.

Hoy i Hasta Bahadur Bote:

Growing up on the riverbank and coming from a lineage of fishers, I began fishing at a very young age. I feel deeply connected to the river. I want to continue my ancestral occupation, but I am forced to live a stagnant life, with fishing skills in my hands but no way to use them. I tried several times to go through the licensing process, but all my efforts went in vain.

Lehibe teo amoron'ny renirano aho ary taranaka mpanjono, mbola kely mihitsy aho dia efa nanomboka nanjono. Mahatsiaro ho mifandray akaiky amin'ny renirano aho. Te-hanohy ny asan-drazako aho, saingy mihitsoka izany, manana fahaizana manjono ny tanako fa tsy misy fomba hampiasana azy ireo. Imbetsaka aho no nanandrana nanavatsava hanao izay hahazoana lisansa, saingy aim-bery foana ny ezaka rehetra nataoko.

Hoy koa izy: “Maneso ahy isan’andro ny harato sy ny fandrika eo an-jorontranoko. Mahatonga ahy hahatsapa ho tsinontsinona ny fananana fahakingana hanjono nefa tsy afa-mamelona ny ankohonako.”

Ny sandan'ny fikajiana

Naka fomba fikajiana manangana tamboho ny valan-javaboarin'i Chitwan, izay mihevitra ny fampiasan'ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana ny harena voajanahary ho loza mitatao amin'izany fikajiana izany. Vokatr'izany, noferana ny fahazoan‘ireo vondrom-piarahamonina monina eo akaiky misitraka loharanon-karena. Na dia nahitana fahombiazana aza ny ezaka fiarovana ny valan-javaboary amin'ny lafiny sasany, dia matiantoka tanteraka ny vondrom-piarahamonina Bote nivelona tamin'ny toerana.

Heverin'ny mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina Bote ho fanitsakitsahana ny zo ara-drazana ireny fameperanba ireny. “Ny jono anie, ho anay, ka tsy asa fanao fotsiny fa fomban-drazana nolovaina tamin'ny taranaka nifandimby. Io no hany marika hanondroana anay (ny fizianay), ary manahy izahay fa ho nafoy izany,” hoy i Hasta Bahadur Bote.

Efa ela ny vondrom-piarahamonina vazimba teratany ao Nepal no nihazona fifandraisana akaiky tamin'ny natiora; na izany aza, lasa niharan'ny herisetra ampanginana ny vondrom-piarahamonina Indizeny Bote ao Chitwan tamin'ireo zava-bitam-piarovana ny valan-javaboary nankalazain'ny (mpikarakara) valan-javaboary . Maro ireo manam-pahaizana milaza fa ny fampiarahana ny fiarovana sy ny vondrom-piarahamonina ny fomba fiarovana tsara indrindra fa tsy ny famerana ny zon'ny vondrom-piarahamonina indizeny. Tinakin'ny androany ny fampidirana manan-danja ny Vazimba amin'ny ezaka fikajiana sy ny fiarovana ny zon'ny razambeny. Manentana ny governemanta ny vondrom-piarahamonina Bote ao Chitwan mba handinika ny fiveloman'izy ireo ho ampahany amin'ny fikajiana ny fiarovana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.