Frantsa: fifanarahana manan-tantara nankatoavana ny fisian'ny “Fanjakan'i Nouvelle-Calédonie” ao anatin'ny fanjakana frantsay

New Caledonia negotiation

Ny 12 Jolay 2025 no nambara ilay fifanarahana manan-tantara. Saripika avy amin'ny pejy Facebook-n'i Philippe Gomès, filohan'ny governemanta fahiny tao Nouvelle-Calédonie, faritra frantsay an-dranomasina ao amin'ny Ranomasimbe Pasifika.

Ankolafy isan-karazany no nanasonia fifanarahana iray manantantara izay mankato ny fanjakan'i Nouvelle-Calédonie ao anatin'i Frantsa.

Nouvelle-Calédonie dia faritany iray ao atsimon'i Pasifika izay nozanahan'i Frantsa tamin'ny 1853 ary ao anatin'ny lisitry ny Firenena Mikambana misy ireo tokony homena fahaleovantena hatramin'ny 1986. Ilay fifanarahana goavana momba ny fandriampahalemana natao tao Noumea tamin'ny 1998 dia nametraka fitsapankevibahoaka natao intelo miantaona mba hahafahana mamaritra ny hoavy pôlitikan'i Nouvelle-Calédonie. Ny fitsapankevitra fahatelo natao tamin'ny 2021 dia nobodoin'ny vahoaka Kanak indizeny nandritra ny fotoanan'ny valanaretina.

Tamin'ny May 2024, nitranga ireo hetsipanoherana sy korontana taorian'ny nandanian'ny Antenimieram-Pirenena ny tolo-dalàna iray mety hanamaivana ny fisolontena an'ireo vahoaka Kanak,  izay manome ny 42 isanjaton'ny mponina 270.000 misy ao Nouvelle-Calédonie.

Naaton'ny filoha frantsay Emmanuel Macron ilay tolo-dalàna ary nivoadiany ny hanao fifanakalozankevitra momba ilay olana. Taorian'ireo volana maro nifampiraharahana, nisy fifanarahana iray vita sonia ka tamin'ny 12 Jolay 2025 no nambaran'ny delegasiôna iray nahitana vondrona efatra mpanohitra fizakantena sy vondrona roa mpandala fahaleovantena avy ao Nouvelle-Calédonie.

Raha fintinina, ilay fifanarahana misy pejy 13 mitondra ny lohateny ôfisialy hoe “Volavolam-Pifanarahana momba ny Hoavin'i Nouvelle-Calédonie” raha lany dia mety hanangana fanjakana iray Nouvelle-Calédonie ao anatin'i Frantsa, ary ho azo hankatoavin'ny fiombonambe iraisampirenena ny zompirenena avy ao Nouvelle-Calédonie. Hanana tanjaka bebe kokoa araka izany i Nouvelle-Calédonie amin'ny fitantanana, saingy i Frantsa no mbola hitazona ny resaka fiarovana, ny vola sy ny fitsaràna. Homena alàlana i Nouvelle-Calédonie hanana ny herim-piarovany azy manokana sy ara-pombandrazany ao amin'ny faritra. Azony atao ihany koa ny mitantana ny fifandraisany ara-diplaomatika, saingy na izany aza dia “mijanona ao anatin'ny fanajàna ireo fanolorantena sy ny tombontsoa ambonin'i Frantsa eo amin'ny sehatra iraisampirenena.”

Ny sasinteny amin'ilay antontan-taratasy dia manasongadina ireo marimaritra iraisana vita nandritra ireo fifampiresahana nafana.

Miantehitra indray amin'ny fifampitokisana, ny fifampiresahana ary ny fandriampahalemana ry zareo ao Nouvelle-Calédonie, amin'ny alàlan'io fifanarahana io izay manolotra fandaminana vaovao ara-pôlitika, fifampizaràna fiandrianampirenena misimisy kokoa, fitantanana vaovao ny ara-toekarena sy sôsialy, ary hoavy iray niaraha-namerina nandrafitra indray.

“Fanambin'ny fifampitokisana” no namaritan'i Macron ilay fifanarahana. Ny praiminisitra frantsay, François Bayrou, tsy nanafina “ny fireharehàny” nahita fifanarahana iray “mifanaraka tsara amin'ny tantara.” Ny minisitra frantsay misahana ireo faritra an-dranomasina niantso azy iny ho “marimaritra voasaina tsara.”

Victor Tutugoro, iray tamin'ireo mpifanakalo hevitra avy amin'ny ankolafy mpandàla fahaleovantena, nilaza fa tonga tamina “marimaritra iray mifandanja” ry zareo.

Mazava ho azy, ara-pamaritana, tsy afaka ny hahafa-po 100 isanjato ny rehetra ny marimaritra iray, Saingy marimaritra iray mifandanja ho an'ny rehetra io.

Ary io dia ahafahantsika mijery ny any aloha, miaraka manorina Nouvelle-Calédonie, fa koa zompirenena iray, ary io hoavy iraisana io, izay resahan'ny rehetra nandritra ny taona marobe.

Io fomba fijery io dia  iombonan'ilay mpitarika tsy mivadi-belirano sady filohan'ny faritany atsimo, Sonia Backès, izay isan'ireo nandray anjara tamin'ny fifampiraharahana rahateo.

Tsy hahafa-po tanteraka ny rehetra io marimaritra io. Saingy resy lahatra tanteraka aho fa io dia hahafahantsika hanala an'i Nouvelle-Calédonie anatin'ny tangoliky ny herisetra, ny fisalasalana ary ny faharavana.

Mba hampanan-kery azy, ilain'ilay fifanarahana ny fankatoavana avy amin'ny vahoaka ao Nouvelle-Calédonie. Mbola mila fankatoavan'ny parlemanta frantsay ihany koa ary atsofoka ao anaty lahatsoratra voatokana ho amin'izany ao anatin'ny Lalàm-panorenana frantsay.

Asa mavesatra no miandry ny governemanta frantsay sy ireo ankolafy samihafa avy ao Nouvelle-Calédonie amin'ny ho fandresena lahatra ireo mpifidy an-dry zareo hanohana io fifanarahana io. Tatitra iray an'ny ABC no nitanisa mpitarika fikambanana sivily marobe ao Nouvelle-Calédonie naneho ahiahy momba ny fialàna tamin'ireo fangatahana fiandrianampirenena tanteraka. Raha naneho hevitra momba ilay fifanarahana, nanontany momba io ny mpikambana iray ary amin'ny Rassemblement National, elatra havanana ao Frantsa.

Manana ahiahy goavana izahay momba ireo voambolana ampiasaina.  Mazava loatra, ny famoronana fanjakana iray anatin'ny fanjakana frantsay dia miteraka fanontaniana iray mavesa-danja. Ny famoronana zompirenena iray hilahatra amin'ny zompirenena frantsay dia miteraka olana fototra iray.

Fony izy nantsafain'ireo mpampahalala vaovao, ny filoha nitarika ny mpandray anjara avy amin'ireo mpandala ny fahaleovantena – FLNKS (Kanak and Socialist National Liberation Front), Emmanuel Tjibaou, dia efa nitsinjo nialoha ireo fanehoankevitra manakiana.

Ny fisafidianana io zotra vaovao sy manahirana io koa dia midika fa tsy maintsy hiharan'ny fanakianana izahay. Ho tsiratsiraina, rahonana, indrinda fa nifidy zotra iray hafa izahay.

Nic Maclellan, mpanao gazety, no namintina [en] izay ho fiovàna ho ateraky ny fankatoavan'i Frantsa sy Nouvelle-Calédonie an'io fifanarahana io.

…azo heverina fa, ato anatin'ny volana vitsy ho avy, hisy adihevitra lavabe ao Nouvelle-Calédonie sy Frantsa alohan'ny fankatoavana araka ny lalàna io fifanarahana io, ary andalana marobe no hiadiana hevitra, tsy hoe fotsiny ho an'ireo mpiaro, fa koa ho an'ireo mpanohitra ny fahaleovantena.

Araka izany, mbola lavitra ny làlana ho an'ilay “fifanarahana manan-tantara”, ary ny tetiandro napetraka tamin'ny 12 Jolay dia mety ho voatohintohin'ireo hery nasiônaly sy iraisampirenena midadasika kokoa. Eo am-panipazana taikely (“dé” [fr]) i Nouvelle-Calédonie, ao anatin'ny ‘fanambin'ny fifampitokisana.’

Voalahatra ho amin'ny 26 Febroary amin'ny taona ho avy ny fitsapankevibahoaka ao Nouvelle-Calédonie.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.