Mpampiasa aterineto ao Rosia, mety ho voasazy noho ny fikarokarohana

 

Sary an'i David Pupăză tao amin'ny Unsplash

Ny 22 Jolay teo, nankatoavin'ny Domàm-panjakana rosiàna ny volavolan-dalàna iray mampiditra ny onitra noho ny fikarohana votoaty “mahery fihetsika” ao amin'ny aterineto. Ankoatra izay, misy izao ny lalàna vaovao iray manasokajy ny fampiasana VPN (tambajotra virtoaly) ho toy ny toedraharaha vao mainka manavesatra ny fanenjehana heloka bevava, izay mety hahatonga ilay fandikandalàna ho mafimafy kokoa eo anatrehan'ny lalàna ary hiteraka sazy henjana kokoa.

Anton Gorelkin, solontena avy amin'ny Domàm-panjakana, raha nanoratra tao amin'ny fantsony Telegram, dia nilaza hoe “Ho afaka mampiasa malalaka ny VPN amin'izay rehetra ilàny azy ny olom-pirenena. Kanefa, raha misy olona mampiasa ny tolotra tahàka izany hanaovana heloka, dia horaisina ho toejavatra vao mainka mampitombo ny vesatra ilay izy.”

Araka ilay fanitsiana vaovao, mety omena onitra eo anelanelan'ny RUB 3,000 hatramin'ny 5,000 (manodidina ny USD 33 hatramin'ny USD 55) ny olona iray noho ny fikarohany na fidirany tamina “fitaovana / torohay mahery fihetsika” — tafiditra amin'izany ny fampiasana VPN — eny fa na efa voasakana amin'ny fomba ôfisialy aza ireny tranonkala ireny. Ilay lalàna ihany koa dia mampiditra onitra ho an'ireo fitaovana fampahafantarana na fanaovana doka mandingana ireo fameperana ny aterineto, toy ny VPN. Ny onitra dia miainga amin'ny USD 555 ho an'ny isambatan'olona, ary USD 5,550 ho an'ireo fikambanana mijoro araka ny lalàna.

Araka ny hazavain'i Meduza, midadasika be ny famaritana ny atao hoe “fitaovana mahery fihetsika” any anatin'ireo fanitsiana. Ny andininy vaovao ao anatin'ilay lalàna dia manondro mazava tsara fomba roa entina mamaritra hoe heverina ho toy ny “mahery fihetsika ve sa tsia” ilay torohay. Ny fomba voalohany, izay mangarahara, dia milaza fa ilay fitaovana dia tsy maintsy hita ao anatin'ny lisitra federaly azon'ny daholobe jerena, ahitàna ireo fitaovana mahery fihetsika. Ahitàna tranonkala mihoatra ny 5.000 izay lisitra izay.

Ny fomba faharoa, izay araka ireo nanoratra azy, dia mitanisa ny famaritana ny “fitaovana mahery fihetsika” amin'ny fampiasana ny lalàna federaly “Momba ny fanoherana ireo hetsika mahery vaika,” manokatra ny varavarana ho amina fandikana midadasika sy fanararaotana bebe kokoa. Araka io lalàna io, afaka ampidirina ao anatin'ny fitaovana mahery fihetsika daholo ireo antontan-kevitra sy torohay izay miantso ny hanaovana hetsika mahery vaika, na manamarina na mankatoa ny filàna manao hetsika mahery vaika tahaka izany.

Somary lasa lavidavitra ihany ny fotokevitra momba ny “mahery fihetsika” ao anatin'ny lalàna rosiàna amin'izao fotoana izao: hita ao anatiny ny hetsika fampihorohoroana, hatramin'ny fampiasana ireo marika anà fikambanana tondroina ho “mpanao antendro” ao Rosia. Io maripamantarana io, ohatra, dia nampiharina tamin'ny Orina Miady amin'ny Kolikoly naorin'i Alexey Navalny, ary na ho an'ny “hetsika iraisampirenena ho an'ny LGBT” aza.

Mbola tsy voasokajy ho “mpanao antendro /mahery fihetsika” aloha ireo rosiàna tsy miankina mpampahalala vaovao, saingy noho ny tsy fisian'ny lalàna manakana ireo manampahefana mba tsy hanao izany, manosoka hevitra i Meduza hoe ny fanitsiana efa misy dia dingana iray mankany amin'ny fanaovana ho heloka ny famakiana (boky/lahatsoratra) satria, raha ny marina, ny fihetsika iray tahaka izany dia mety handrara tanteraka ny olona tsy hamaky ireny loharanom-baovao sy torohay ireny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.