Fanangonam-bola: Mananika an'i Everest virtoaly miaraka amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices

Ny ezaka fivezivezena am-bisikileta ao Everest ataoko no vao haingana indrindra amin'ireo andiana dia fanakaran-kevitra notanterahiko hiatrehana ny fahasahiranako ara-pisefoana izay nanova ny fahavitako mandeha lavitra. Tamin'ny taona 2022 aho nandeha tamin'ny Pilgrimage for a Million Lives, 190 maily izay maneho refy ankihibe 12 isaky ny matin'ny COVID. Tamin'ny taona 2023 izaho sy Ivan Sigal nandeha namakivaky ny Lohasaha Afovoan'i California nanaraka dian'ny Diaben'ny Mpiasan'ny Fambolena taona 1966 mba hianatra ny hoavin'ny sakafo sy ny tontolo iainana. Tamin'ny taona 2024 aho nanamboatra ny Sarintan'Anjoria Am-bisikileta hitady ny fanantenana manoloana ny krizy izay toa tsy ho azo avadika. Ary tamin'ity vaninandro mafana ity aho namakivaky ny Great Divide avy any Colorado ka hatrany Utah mba hisaina indray ny amin'ny tena herin'ny fifandraisan'ny olona amin'ny teknolojia.

Sarotra sy tena ilaina ary mahafinaritra tokoa ny mamboly fifankahazoana mihoatra ny fahasamihafan'olombelona ao anaty tontolom-pifanandrinana sy fifaninanana. Amin'ity vaninandro mafana ity, mivoy am-bisikileta mitovitovy amin'ny mananika Tendrombohitra Everest aho ao anaty diam-pifandraisana sy fifankahazoana. Rehefa manao izany aho dia manasa anareo hanjohy sy hanome fanampiana ho an'ny Global Voices hanatratra ny tanjon'izy ireo manangonam-bola $250.000 hanohizana ny tati-baovao, fandikan-teny miampita sisintany sy fanohanana ho an'ireo vondrom-piarahamonina tsy voasolontena nataon-dry zareo nandritra ny 20 taona farany.

Tia haika ny fanatanjahan-tena mivoy am-bisikileta lavitr'ezaka, ary ny iray amin'ireo fanambiny lehibe indrindra dia ny Everest Roam (toa mananika an'i Everest), izay hiakaran'ny mpitaingina ny mihoatra ny 10.000 metatra amin'ny haavony ao anatin'ny latsaky ny 36 ora, mivoy 400km (248 maily) farafahakeliny. Amin'ny nofinofiko indrindra, tiako ny mahaangona dolara iray isaky ny mahahanika iray metatra amin'ity fiakarana 10.000 metatra ity.

Fanamarihana: Raha hanome amin'ny alàlan'ity paosy eto ambany ity ianao dia mariho eo amin'ny sehatra fanehoan-kevitra fa ho an'ny fanentanana Everest izany!

Hevitra an-tsaina ihany ho an'ny maro amin'ny mpitaingina am-bisikileta izany Everest izany — anamarihana zava-bita manokana. Saingy mihoatra noho ny isa i Everest. Toerana nalaza anatin'ny taonjaton'ny anjoria sy ny fizahana voalohany, akon'ny fotoana nitadiavan'ny Tandrefana laza tamin'ny fambaboana ny natiora izany Everset izany. Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay ny fampahalalam-baovao tandrefana nanomboka niresaka an'i Everest lalina sy voaloko kokoa—mitantara ireo Sherpa mpihanika ao an-toerana sy manoritsoritra ny fanamby hikojakojana ny rohivoary [mg] manoloana ny firoboroboan'ny fizahantany mianjoria. Saingy mbola maro ny zavatra tandrovin'ireo vondrom-piarahamonina sy kolontsaina mifanila amin'ny tendrombohitra avo indrindra erantany mihoatra noho izay asehon'ireo sarimihetsika IMAX.

Nifantohako voalohany teo amin'ny fiainana i Nepal sy ny Lohasahan'i Kathmandu tamin'ny alalan'ny vondron'ireo Nepaley namana tany amin'ny oniversite. Rehefa nifindra tany Etazonia ry zareo nandritra ny ady an-trano nepaley, dia nosoritsoritan-dry zareo ny fanambin'ny miaina am-pilaminana sy azo antoka mandritra ny fotoam-pifandirana sy ny korontana. Nampahafantarin'ireo namako ahy ny Momos, Kheer ary ireo sakafo Nepaley hafa. Nianatra nilalao Bagh-Chal ihany koa aho, lalao nepaley fahiny ahitana tigra sy osy, mampianatra ny mpilalao hieritreritra ny hery sy ny tanjaka tsy mitovy sy ny tsy fanaovana herisetra. Tena feno fankasitrahana ireo namana ireo aho. Nasehon-dry zareo ahy ny atao raha mpivahiny, raha mpampiantrano, raha namana ao amin'ny fiaraha-monina iray izay mampitodika ny olona ho amin'ny tenany aloha voalohany.

Na dia efa ela aza aho no liana amin'ny kolontsaina nepaley nandritra ny androm-piainako, dia tsy fantatro raha ho afaka hitsidika an'izany Nepal izany. Ny fahasahiranako ara-pisefoana no ahafahana miantoka fa mampiditra hopitaly ahy avy hatrany ny fahalotoan'ny rivotra ao Kathmandu, renivohitra (nahatratra 333 ny AQI tamin'ny Avrily teo). Rehefa hanao ny Everest Roam Challenge anefa aho, dia nandahatra hira, tantara, kolontsaina ary famakafakana momba ny firenena mandritra ny 30 ora ny vondrom-piarahamonina Global Voices izay hanampy ahy hifandray lalindalina kokoa rehefa mivoy miaraka amin'ireo vondrom-piarahamonina any an-tanindrazany avy.

Vondrom-piarahamonin'ireo mpanoratra, mpandika teny ary mpikatroky ny zon'olombelona manao ho fanoitra ny herin'ny aterineto hilaza ireo tantara manangana fifankahazoana mihoatra sisintany ny Global Voices, manampahaizana manokana momba ny media antserasera ary mpandika lahatsoratra tsy voasakan-tsisintany, ary maro an'isa ny mpirotsaka an-tsitrapo izahay. Dimy ambin'ny folo taona lasa izay ny vondrom-piarahamonina Global Voices no nanome aingam-panahy ahy amin'ireo fomba entina mampiaraka ny fankamamiako ny teknolojia sy ny fifankahazoan'olombelona. Tamin'ny alalan'ny vondrom-piarahamonina GV no nahitako ny mpanolotsaiko PhD, ireo hiriky ny fikarohako tany am-boalohany, ary ny tambajotran'ireo olona manana foto-kevitra izay nampahery ahy, nihaika ahy, ary nanampy ahy hahita izao tontolo izao amin'ny loko marevaka kokoa. Ankehitriny aho manana andraikitra ao amin'ny biraon'ny Sakaizan'ny Global Voices miorina eto Etazonia. Manana vondrom-piarahamonina matanjaka avy any Azia Atsimo ny GV, ary faly aho mizara ny playlist-ny!

Tsy moramora ny mipasoka asam-piarahamonina maneran-tany miasa amin'ny fiteny am-polony izany—mitaky fotoam-pitantanana, asa famoaham-baovao sy fandrindrana ary teknolojia tsara izany. Hanampy an-dry zareo ao amin'ny Global Voices hanohy hampifandray ireo vondron'olona misandrahaka manerantany ho amin'ny soa iombonana ny vola voaangona ho an'ny Global Voices amin'ny alalan'ny Fanamby fananihana an'i Everest (na Everest Roam Challenge).

Koa raha miraharaha ny fahavitantsika itambarana ianao hahazo ny olombelona mpiara-belona amintsika sy hiatrika ireo fanamby manerantany amin'izao androntsika izao, dia manasa anao aho hanaraka ny diako sy hanolotra fanomezana ho an'ny Global Voices.

Antsipirian'ny fivoizana:

  • Fotoam-pivoizana: 1-3 Aogositra
    • Andro fiandry raha misy olana ara-toetrandro: 10-12 Aogositra
  • Kinasan-dalana (drafitra amin'izao fotoana): FLX Everest Roam (ao amin'ny Komoot). Tanjona fitarihan-dalana:
    • Mananika ireo lalana tsara tarehy indrindra sy manana ny lazany mbamin'ireo havoana feno vatokely manelanelana an'i Ithaca sy Watkins Glen NY
    • Manakely indrindra ny fiverimberenam-piakarana
  • Halavirana: 400km, 300 maily 
  • Fisolampy ambony indrindra: 20%
  • Fetram-potoana: 36 ora

Ahoana no anarahana ny fivoizana:

Raha sahirana mivoy ny bisikiletako aho, ny ekipa Global Voices no hanamarina, hanavao ranty, ary hizara fampitàm-baovao avy amin'ny diako. Afa-manjohy ahy ianareo ato amin'ireto:

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.