
Mouhamed Zamal Guèye, ankavanana eo amin'ny sary. Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube Lofleaudumal.
Mitohy mampanan-karena ny tontolo mampiasa sy miteny frantsay ny literatiora senegaly: tanora senegaley iray poeta, i Mouhamed Zamal Guèye, no vao avy nahazo loka iray malaza sy iraisampirenena ho an'ny tononkalo.
26 taona i Guèye, ary ny 5 Jolay teo no nahazoany ny andiany 2025 tamin'ny fifaninanana iraisampirenena momba ny tononkalo nokarakarain'ny fikambanana Femmes au Secours de la Paix, ONG iray noforonin'ireo vehivavy mitolona hisian'ny fandriampahalemana, tamin'ny 2015 tao Frantsa. Ilay loka dia atolotra ivelan'ny fankalazana ny Andro Erantany ho an'ny Fandriampahalemana ankalazaina rehefa 21 Septambra manerana izao tontolo izao.
Tamim-pamirapiratana tokoa no nahazoan'i Guèye ny loka voalohany tamin'ilay fifaninanana nafantoka tamin'ny lohahevitra hoe “Ny fandriampahalemana ao an-jaridainako”. Ao amin'ny kaontiny X, manoratra izy:
Ce qui m’arrive aujourd’hui n’est pas le fruit du hasard, ni le simple résultat d’un effort personnel. C’est plus grand que moi, plus juste, plus profond. C’est un signe, un souffle, une bénédiction. Je le ressens dans chaque regard bienveillant, dans chaque message reçu, dans… pic.twitter.com/EnZLNbIsGO
— Zamal_gueye🇸🇳 (@gueye_zamal) July 7, 2025
Tsy zavatra kisendrasendra akory izay mitranga amiko androany, na hoe vokatry ny ezaka manokan'ny tena. Lehibe kokoa noho izaho, mety kokoa, lalina kokoa. Famantarana iray io, fofonaina, fitahiana. Tsapako any anatin'ny tsipalotra tsirairay feno hatsaram-panahy, any anatin'ny hafatra tsirairay voaray, any anaty …pic.twitter.com/EnZLNbIsGO
— Zamal_gueye🇸🇳 (@gueye_zamal) 7 Jolay 2025
Fombandrazana iray efa raikitra ao Senegaly no tohizan'i Guèye: poeta izy, mpanoratra angona iray mitondra ny lohateny hoe Symphonie des émotions, fa manampahaizana manokana ihany koa amin'ny resaka fitantanambola, taorian'ny nandrantoany fianarana tany Frantsa.
Io zotra io dia ahatsiarovana ny an'ilay filoham-pirenena voalohany, Léopold Sédar Senghor (1906-2001), izay poeta iray goavana ary Afrikana voalohany tafiditra tao amin'ny Akademia frantsay, no sady nanao raharaha pôlitika, tsy frantsay fotsiny, avy eo senegaley, fa manerana an'i Afrika manontolo. Tahaka izany koa, tamin'ny 2021, nahazo ny loka Goncourt, iray amin'ireo loka ho an'ny literatiora malaza indrindra ao Frantsa sy manerana ny tontolon'ireo tany mampiasa sy miteny frantsay, ilay Senegaley, Mohamed Mbougar Sarr, tamin'ny alalan'ilay tantara noforoniny La plus secrète histoire des hommes. Izy dia nianatra rahateo tao amin'ny lisea Prytanée Militaire ao an-tanànan'i Saint-Louis, faritra avaratry ny firenena, izay toy izao no nambaran'i Guèye tao anaty antsafa iray ho an'ny gazety senegaley Le Soleil:
Avy eo aho niaraka tamin'ireo ankizy tao amin'ny tarika Prytanée Militaire, ireo ankizy mendrika indrindra tao amin'ny firenena, ary nezahako ny hitovy laharana tamin-dry zareo: namaky rakibolana aho, nitadidy voambolana, niezaka nihoatra ny tenako ihany. Io kolontsain'ny mba ho lafatra io, dia azoko avy amin'io fitakiana lasa aloha loatra io, avy amin'io faniriana ny hanao tsara kokoa hatrany io.
Ao anatin'ity lahatsary manambatra ny fiteny wolof sy frantsay ity, hazavain'i Guèye ny zotra nodiaviny ary velabelariny ny dikan'ilay angona tononkalo nataony:
Araka ny ambarany ihany ao anatin'ilay antsafa ho an'ny gazety Le Soleil, ny fifehezantena no fanalahidy iray nahitany fahombiazana:
Nangatahan'i Binetou Dieye, zokiko vavy, ny hamintinako ireo boky, raha tsy izany tsy nomena ody am-bavafo sy vola fanao am-paosy aho. Tamin'ny alalan'io fombafomba io, nampitainy tamiko ny fifehezantena ara-tsaina izay, rehefa nandeha ny fotoana, dia nivadika ho fankafizana.





