An'ny voambolana ny fitenenana: Fizarana faha-28

Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'i Diana Eyango Officiel.

Tsy voatery hitovy hatrany ny endrika teny frantsay ifampiresahana manerana ny lafivalon'izao tontolo izao. Ato anatin'ny fizaràna “An'ny voambolana ny fitenenana” izahay manasongadina ireo voambolana na fomba fiteny manavaka ny faritra iray, firenena iray, na vondrom-piarahamonina iray, sy ireo izay tsy mety adika ka tazonina ho teny frantsay ihany na adika amin'ny ampahany, ary farany dia ireo voambolana frantsay mitsofoka any anatin'ireo fiteny hafa, tsy nasiana fandikàna saingy miova tanteraka ny heviny indraindray.

Hita ato avokoa ireo fizaràna rehetra nataonay teo aloha: Les mots ont la parole.

Anio, ireto fomba fiteny sy voambolana telo ireto no nosafidianay:

Aplatventrisme: voambolana fampiasa mahazatra any Québec, vao tafiditra ao amin'ny Petit Larousse 2026, rakibolana fakàna hevitra ao Frantsa. Matetika soratana hoe à-plat-ventrisme, fomba fitenenana manondro toe-tsaim-panompoana olona mba hahazoana tombontsoa sasantsasany avy amin'izany fihetsika izany. Mamariparitra mazava izany fomba fiasa izany ity rantin'ny gazety gabôney ity :

L’aplaventrisme. Ce mot vient de «s’aplatir» et «ventre». Mais aussi de l’expression «se coucher à plat ventre», exprimant entre autres une attitude de soumission extrême, voire d’humiliation ou de renoncement à sa dignité.

Ny aplaventrisme. Voambolana miainga amin'ny «s’aplatir» na manafisaka sy «ventre» na kibo. Nefa manondro ihany koa ny fomba fitenenana «se coucher à plat ventre» na mandry mihohoka, maneho fihetsika fanoavana faratampony, hatramin'ny fahafaham-baraka na tsy mandray ny fahamendrehany.

Thanatopracteur : Voambolana tambateny grika roa: “thanatos” (θάνατος) na “maty” sy “praxis” (πρᾶξις) na “fomba fanao”. Entina anondroana ireo mpikarakara faty alohan'ny fandevenana ny teny hoe “thanatopractor”. Tsy dia fantatra loatra eto Afrika ny anarana anondroana io asa io. Antsoina hoe “morguiers” ireo matihanina amin'ity sehatra ity eto amin'ny kaontinanta. Lasa jerena amin'ny fomba tena manokana, araka ny hazavaina ao amin'ity lahatsary natokana amin'ny sehatrasan'ny fahafatesana ao Kamerona ity ireo mpiasa amin'ity sehatry ny fahasalamana ity noho ilay misitery miompana amin'ny fahafatesana:

A la togolaise : fiteny ampiasaina any Togo marika esoeso amin'ny valinteny izay matetika efa fantatra mialoha ny valin'ny fanontaniana iray. Ohatra, rehefa anontaniana amin'ny lehilahy na vehivavy Togoley iray ny hoe “manahoana ianao?”, ny valiny dia hoe “tsara à la togolaise” na “mandeha à la togolaise aho”. Marina fa mampihomehy ny valinteny amin'izao endriny izao saingy manondro toe-pahasorenana na lonilony ezahina ho mahazatra ao amin'ny tontolon'i Togo.

Raha manana voambolana na fomba fiteny hozaraina ianao ho hita anatin'ny fizarana ataonay “An'ny voambolana ny fitenenana- Les mots ont la parole”, mifandraisa aminay: filip.noubel@globalvoices.org na jean.dedieusovon@globalvoices.org [teny frantsay]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.