Mitaky ny karamany sahaza azy sy mifanaraka amin'ny asa vitany ireo mpiasan'ny fahasalamana any India

Women protesting on Kerala. Kerala Asha Health Workers Association (KAHWA). Used with permission.

Andriambavilanitra mpanao fihetsiketsehana ao Kerala. Sarin'i Kerala Asha Health Workers Association (KAHWA). Nahazoana alàlana.

Niampita ary nihoatra ny 100 andro mihitsy ny tolona tsy an-kiato izay nanomboka ny 10 Febroary 2025 nataon'ny ASHA Health Workers Association (KAHWA) fikambanan'ny mpiasan'ny fahasalamana ASHA tany Kerala fanjakana iray ao India. Nifanojo tamin'ny tolona nasionaly nokarakarain'ny ankamaroan'ny sendika hafa ity fotoana ity, izay itakiana tambin-karama mendrika sy ara-drariny ho an'ny  mpikatroky ny mpiasan'ny fahasalamana ara-dalàna (Accredited Social Health Activist na ASHA), sy Anganwadi (fikarakarana ankizy ambanivohitra), ary ireo mpiasa ao amin'ny Mid-day Meal Scheme (Fandaharam-panomezan-tsakafo atoandro). Nanamarika ihany koa io ny faha-sivy taona nitondran'ny Left Democratic Front (LDF) ny governemanta. Nandritra ireo zato andro ireo, niharitra ny hafanana sy ny ora-mikija ireo vehivavy mpanao fihetsiketsehana ireo, niaina sy natory andro aman'alina tao anaty fialofana kely vonjimaika teo ivelan'ny tranoben'ny Sekretarian'ny tanànan’i Thiruvananthapuram. Nanao endrika fihetsiketsehana maro ry zareo ary anisan'ny nanamarika izany ohatra ny fanapahan'izy ireo ny volony, ny fikarakarana fivoriam-bahoaka, ny fitokonana tsy mihinan-kanina naharitra 41 andro.

Kely karama noho ireo mpiasa an-tselika tsy za-draharaha

Manome fitsaboana an-tsitrapo ho an’ny olona any ambanivohitra ary mitana andraikitra ho rohy mampitohy azy ireo amin’ny rafitra ara-pitsaboana ofisialy ireo mpiasa ASHA ireo, amin’ny alalan’ny tetikasa vatsian’ny fanjakana vola.

Mitaky ny hampitomboan'ny fanjakana ny mari-karama mba hifanaraka amin'ny karama farany ambany indrindra isan'andro hankatoavin'ny governemanta ho INR 710 (USD 8,3) ny vondrona KAHWA. “Tsotra ny fangatahanay” hoy i KAHWA prezidàn'ny V.K. Sadanandan:

An honorarium of Rs 21,000 (USD 245) per month — Rs 700 (USD 8.17) per day. This is not an impossible ask. If migrant labourers can be paid an average of Rs 700, why not ASHA workers?

“Isambolana 21,000 (USD 245) – Rs 700 (USD 8,17) isan'andro. Tsy hoe fangatahana tsy azo tanterahina. Satria, raha toa ka karamaina Rs 700 ny mpiasa mpifindra monina, koa maninona raha ny ASHA ihany koa?”

Mangataka fepetra maromaro hafa ihany koa i KAHWA: toy ny vatsim-pisotroan-dronono indray mandeha mitentina INR 500.000 (USD 5.844), eo koa ny ny fampidinana ny taona tsy maintsy hisotroan-dronono 62 taona (izay najanon'ny fanjakana hatramin'izay), ary koa ny fandoavana ny karama ara-potoana (isaky ny faha-5 ny volana), ary asa mifanaraka araka ny karama — maro amin'ireo ASHA mantsy no miasa 12 hatramin'ny 16 ora isan'andro.

Mpiasa an-tsitrapo manolona ny mpiasa raikitra

Na dia miantso ny mpiasan'ny ASHA ho mpikatroka ara-pahasalamana na “mpirotsaka an-tsitrapo amboninahitra” aza ny Misiona Nasionaly momba ny Fahasalamana (NHM) fa tsy mpiasa ara-dalàna, dia voalaza mazava tsara fa tokony ho an-tsitrapo ny asa hampanaovina azy ireo ary tsy tokony hanakana azy ireo tsy hanatanteraka asa hafa ahazoany karama izany, na hanakorontana ny fiainany andavanandro. Efa nanolotra fanoloran-tena adiny 1–2 isan'andro ny torolalan'ny NHM. Nahazo karama raikitra isam-bolana mitentina INR 7.000 (eo ho eo amin'ny 82 dolara amerikana), izay vatsian’ny tetibolan’ny fanjakana manontolo ny mpiasa ASHA ao Kerala hatramin'ny taona 2024.

Nitombo lavitra noho izay voafaritra ao anatin’ny toromariky ny NHM ny andraikitra napetraky ny governemanta amin’ny mpiasa ASHA, araka ny didy navoakan’ny Departemantan’ny Fahasalamana sy Fiahiana ny Fianakaviana ao Kerala. Zava-dehibe ny manamarika fa mandràra ny mpiasa ASHA ao Kerala tsy hanao asa tapak’andro na feno ity didy ity, raha toa ka mety hanelingelina ny asa andraikitra efa napetraka aminy izany. Amin’ny ankapobeny, raharaha 100 isam-bolana no apetraky ny NHM amin’ny ASHA, ary nampian'ny fanjakana raharaha 10 fanampiny eo amin'ny sehatry ny fokontany. Anisan’izany ireo raharaha vaovao mitaky fandraketana sy fampiasana angon-drakitra betsaka. Noho ireo asa fanampiny sahaniny ireo anefa, saika lany andro amin’izany ny mpiasa ASHA. Eny fa na dia voasokajy ho mpilatsaka an-tsitrapo aza amin’ny fomba ofisialy, mbola maro ireo miankina tanteraka amin’ny vola azon’izy ireo amin’izao asa izao ho fivelomany.

Fifampiraharahana tsy nahomby

Intelo nifampiresaka ny fanjakana Kerala sy ny fikambanana KAHWA, saingy tsy nahitana marimaritra iraisana izany. Taorian’izay, namorona komity manokana ny fanjakana, misy mpiasa birao dimy avy amin’ny sampandraharaha miandraikitra ny fahasalamana, ny fampandrosoana ny vehivavy sy ny zaza, ny asa, ny fitantanam-bola ary ny iraka nasionaly momba ny fahasalamana (NHM), nomena andraikitra amin'ny fametrahana tolo-kevitra ao anatin'ny telo volana. Ireo no hanolo-kevitra amin’ny fanjakana ao anatin’ny telo volana. Nanambara tamin'izany ny lehiben’ny minisitra ao Kerala, Pinarayi Vijayan, fa tsy hiresaka na hifampiraharaha intsony amin’ireo mpiasa mbola mitokona.

Notsipahin’ny fikambanan’ny mpiasan'ny fahasalamana (KAHWA) ilay komity natsangan’ny fanjakana, ary nilazany fa tetika hanemoram-potoana io. Nilaza ihany koa izy ireo fa tsy hijanona ny fitokonana raha tsy manaiky ny fanjakana hampiakatra ny karamany farafahakeliny INR 100 (eo amin’ny USD 1.17) isan’andro, ary mandoa ny vola rehetra tokony efaina.

Hatramin'ny nanombohan'ny fitokonana nokarakarain'ny Kerala ASHA fikambanan'ny mpiasan'ny fahasalamana (KAHWA) — sy ny fanohanan'ny fikambanana ara-politika toa ny Socialist Unity Center of India (SUCI), ny All India Democratic Students Organization (AIDSO), ary ireo vondrona fiarahamonim-pirenena isan-karazany — Nilaza ny antoko ankavia mitondra, miaraka amin’ireo mpanohana sy mpitarika ao amin’ny Left Democratic Front (LDF), fa hetsika ara-politika no tena anton’ilay fitokonana. Milaza izy ireo fa manohana ny fitokonana ny antoko mpanohitra, toy ny Indian National Congress (INC) sy ny Bharatiya Janata Party (BJP), anaty fikasàna hanakorontana ny fitondram-panjakana.
Niezaka koa ny fanjakana manoloana izany namindra ny tsiny ho an’ny governemanta foibe.

Tsy tranga maningana ny fitokonan'ny KAHWA amin'ny fitakiana zo hanana asa mendrika sy karama ara-drariny. Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, nanatri-maso fihetsiketsehana mitovy amin'izany avy amin'ny mpanjono, vehivavy polisy, tantsaha, ary ny fiarahamonina teratany, ankoatra ny hafa tsy voatanisa i Kerala.

Ny fanginan'ny fiarahamonim-pirenena

Mitombo hatrany ny haika ireo mpampianatra ambony sy mpikatroka mafàna fo manoloana ny fitantarana momba ny modelim-pampandrosoana an'i Kerala, izay efa nisy fotoana nankalazaina noho ny fiompanany ho an'ny vahoakany sy ny fomba fiasany mifototra amin'ny tontolo iainana, fa ankehitriny lazaina fa voatohintohina ny fototra ijoroany.

Manamarika ny fanginan’ny fiaraha-monina sivily momba ity olana ity i J Devika, mpikaroka feminista avy any Kerala:

There are no more public intellectuals, like V R Krishna Iyer or B R P Bhaskar, who could bridge political society and civil society. [..] Our writers, include those who have made a career out of selling women’s pain in middlebrow modernist and other kinds of aesthetic packaging — do not want to displease their consumer-bases, mostly Communist Party (CPM) supporters. Our film-makers are also of the same ilk — they produce really good cinema, crafted from the pain of ordinary people, but will be mostly silent when they cry out in pain. Thiruvananthapuram boasts of the first independent union of women workers, SEWA Kerala, who are, alas, among the silent.

“Tsy misy intsony ny manampahaizam-bahoaka, tahaka an’i V R Krishna Iyer na B R P Bhaskar, izay afaka mampifandray ny fiaraha-monina ara-politika sy ny fiaraha-monina sivily. […] Tsy te hampahasosotra ny mpanjifany, izay mpanohana ny Antoko Komonista (CPM) ny ankamaroany ny mpanoratra, anisan’izany ireo niasa nivarotra ny fijalian’ny vehivavy tao anaty fomba fanoratra (saranga antonony) maodernista sy amin'ny fonosana fanatsaran'endrika isankarazany. Mitovy amin’izany koa ireo mpamokatra sarimihetsika — izay mamokatra sarimihetsika tena tsara tokoa, avy amin’ny fijalian’ny olon-tsotra, saingy matetika mangina izy ireo rehefa misy miantso vonjy amin’ny fijaliana. Ireharehan'i Thiruvananthapuram ny sendikan’ny vehivavy mpiasa tsy miankina voalohany, SEWA Kerala, izay indrisy anisan’ireo nisafidy hangina ihany koa.”

Tery anelanelan’ny fifanandrinan'ny governemanta isan-tanàna sy ny governemanta foibe — faritra miha tsy marintoeranavokatry ny fikorontanan’ny toetr’andro, ny fifandirana ara-jeopolitika, ary ny kapitalisma tsy voafehy — mihahenjana hatrany ny toe-javatra atrehin’ireo fikambanan'ny mpiasan'ny fahasalamana ASHA any Kerala sy manerana an’i India. Nahatonga azy ireo ho tena marefo ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny fihalalin'ny rafi-pitrosana, ary tsy misy na dia fiarovana ara-panjakana kely akory aza ho an’ireo mpikarakara ny fiarahamonina tena ilaina ireo.

Mpanao fihetsiketsehana miaritra

Milaza ny mpikambana ao amin’ny KAHWA fa ara-drariny sy ilaina ny fitakian’izy ireo, indrindra raha jerena ny fandaniana goavana ataon’ny fanjakana amin’ny lanonam-bahoaka sy ny fiakaram-pandoavam-bola ho an’ny sehatra hafa, toy ny mpiasa ao anatin’ny fandaharanasa Kudumbashree (fampihenana ny fahantrana sy fanomezam-bahana ny vehivavy). Na dia nalahelo sy tohina tamin’ny tsy firaharahian’ny governemanta sy ny fanalam-baraka ampahibemaso aza ireo mpiasan'ny fahasalamana ASHA, dia nahazo hery avy amin’ny fifampikarakaran-dry zareo nandritra ny volana maro sy ny firaisankina natolotry ny sendika anbkapobeny, ny fikambanana sivily, ny hetsi-bahoaka nasionaly, ny sendikan’ny vehivavy, ny matihanina ara-pitsaboana, ary ny haino aman-jery tsy miankina. Ity fanohanana ity no namerenany ny heriny sy ny finiavany hanohy ny fanoherany.

Nijanona ho hentitra tamin’ny fitakian’izy ireo ny mpikarakara ny fitokonana, na dia teo aza ny fanerena avy amin’ireo sendika matanjaka, tarihin-dehilahy, mielatra havia — toy ny Centre of Indian Trade Unions (CITU) sy ny All India Trade Union Congress (AITUC) — izay nanohana ny governemanta sy niezaka handrava ny fitokonana rehefa tsy nahomby ny fifampiraharahana ifanaovana  tamin’ny minisitra. Na dia niezaka nanao fanentanana sy fanazavana aza ny sendika, dia mbola misara-kevitra be ihany ny vahoaka, ary mbola misy ihany ireo tantara malaza misalasala amin'izay manetsika ny KAHWA sy ny maha-ara-drariny ny fitakian’izy ireo.

Hifarana any Thiruvananthapuram ny diabe fanoherana manerana an’i Kerala  notanterahin’ny sendika nandritra ny 45 andro, amin’ny 17 Jona. Nanomboka ny 5 Mey, dia efa nikarakara fivoriam-bahoaka mihoatra ny zato izy ireo manerana ny faritra, nampihetsika ireo mpanohana an’arivony, ary nitazona ny fahitana azy eny amin’ny seha-bahoaka tamin’ny alalan’ireo toby fitokonana maharitra.

Na dia naverimberina aza ny fiampangana fa voakolikoly na misy ambadika politika ao amin’ny sendika, tsy mbola nisy porofo naseho tao anatin’ny telo volana farany hanamarinana izany filazana izany. Nahariharin'ny ASHA ny fahadisoam-pitsipika ao anatin’ny sehatrasa ara-potokevitra sy ny fomba fitantanan’ny fanjakana ilay fitokonana ataon’ireo mpiasan'ny fahasalamana ASHA — izay toy ny fampitandremana ho an’ny elatra havia. Araka ny nolazain’ilay mpanoratra sy mpikatroka fanta-daza iraisampirenena, Arundhati Roy, tao anatin’ny fanambaràny maneho firaisankina:

Today, as governments all over the world swing to the far right… I hope that in my Kerala the people as well as the government will support the demand of the ASHA workers. I stand with them.

“Ankehitriny, raha mirona any amin’ny farany havanana ireo governemanta maneran-tany… manantena aho fa samy hanohana ny fitakian’ireo mpiasan'ny fahasalamana ASHA na ny vahoaka na ny governemanta ny eto Kerala. Mijoro miaraka amin’izy ireo aho.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.