(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny 12 Jona 2025 )

Sarikely maneho an'i Taioàna ao amin'ny Reversed Front. Pikantsary avy amin'ny lahatsary fampahafantarana ny Reversed Front ao amin'ny YouTube. Fampiasàna ara-drariny.
Ity tatitra ity dia nosoratan'i Irene Chan sy Hillary Leung ary navoaka tao amin'ny Hong Kong Free Press tamin'ny 11 Jona 2025. Ny dika nasiana fanovàna etsy ambany dia ampahany amin'ny fifanarahana hifampizara votoaty amin'ny Global Voices.
Ny 10 Jona teo, ny pôlisin'ny fiarovam-pirenena ao Hong Kong dia nampitandrina mba tsy hitroka fampiharana lalao iray ahafahana maka ny toeran'ny mpilalao, tamin'ny filazàna azy io ho manindrahindra ny fahaleovantenan'i Hong Kong sy Taioàna.
Ny marainan'ny 11 Jona, nanjavona tao amin'ny App Store ao Hong Kong ilay fampiharana lalao, latsaky ny 24 ora monja taorian'ny namoahana ilay fampitandremana. Na izany aza, nitombo 1.000 isanjato ny fikarohana ilay lalao tao amin'ny Google.
Tao anaty fanambaràna iray, nambaran'ny Departemantam-piarovam-pirenena ao amin'ny pôlisy fa ny “Reversed Front: Bonfire” – lalao iray anaty finday novokarin'ireo Taioaney mpamokatra rindrankajy ao amin'ny ESC Taiwan – dia mampiroborobo fandaharanasa mpitaky fisintahana, manao adisisika hisiana “revôlisiôna mitam-piadiana” ary ny fanonganana ny “rafitra fototra nataon'ny Repoblika Entimbahoakan'i Sina.”
“Kasain'ilay lalao ihany koa ny hanainga fankahalana atao an'ireo Manampahefana foibe sy ny governemantan'ny fari-piadidiana manokana ao Hong Kong” hoy ny pôlisy.
Na iza na iza mamoaka lahatsoratra mifandraika, tafiditra amin'izany ny fizaràna ilay lalao an-tambajotra, dia mety ho voampanga ho mihantsy fisarahana sy fihantsiana fihokoana, izay samy hadisoana voalazan'ny lalàna fiarovam-pirenena napetrak'i Beijing.
Mety hanitsakitsaka ny lalànan'ny fiarovam-pirenena nataon'ilay tanàna koa ny fanaovana izany, fantatra ihany koa amin'ny hoe Andininy faha-23, izay manameloka ireo “fanitsakitsahana mifandraika amin'ny fikasàna hihoko.”
Ilay lalàna dia mamaritra ny olona iray manana fikasana hihoko ho toy ny olona iray mihantsy fankahalana na tsy fitiavana ny governemanta ao Hong Kong sy ny any amin'ny tanibe Sina. Ny sazy farany ambony ho an'ilay heloka dia hatramin'ny 10 taona an-tranomaizina raha misy idiran'ny hery avy any ivelany.
Araka ny famaritan'ny Steam, sehatra iray filalaovana, dia entin'ny “Reversed Front” amin'ny alàlan'ny ady iray ireo mpilalao mba “hanongana ny fitondrana kaominista”. Afaka mitana anjara toerana isankarazany ireo mpilalao: Hong Kong, Tibet, Taioàna, Oigoro, ary Môngôlia. Ito ambany ito ny lahatsary iray fampahafantarana avy amin'ny fantsona Youtube an'ilay lalao:
Faritan'ireo mpamokatra rindrankajy ho toy ny “tsy refesi-mandidy” ary be kolikoly ireo kaominista ao anatin'ilay lalao, noho ny “fandripahana foko sy tafika iray ratsy toetra.”
Nolazain'ny pôlisin'ny fiarovam-pirenena fa ireo izay nitroka ilay fampiharana dia tokony “hanala azy io avy hatrany” ary nantsoiny ny vahoaka mba tsy hanome famatsiambola ho an'ilay lalao, ohatra, amin'ny fividianana zavatra ao anatiny.
Nanjavona tao amin'ny App Store ao Honk Kong
Tany am-piandohana ny “Reversed Front: Bonfire” dia afaka noraisina tao amin'ny Play Store ao amin'ny Google sy ny App Store ao amin'ny Apple. Kanefa, tamin'ny May izy io dia nesorina tao amin'ny Play Store noho ny tsy nahavitany nanakana ireo mpilalao tsy hanao kabarim-pankahalana, araka ny lahatsoratra anaty tambajotra sôsialy nalefan'ny Reversed Front.
Tamin'ny 10 Jona, nanodidina ny tamin'ny 8 ora alina, rehefa nijery ny HKFP dia tsy hita tao amin'ny Play Store an'ny Google ao Hong Kong intsony ilay fampiharana, saingy mbola afaka nosintonina tao amin'ny App Store an'ny Apple tao an-toerana.
Na izany aza, ny 11 Jona tamin'ny 10 ora alina tany ho any, nanjavona tao amin'ny App Store tao Hong Kong koa ilay fampiharana.
Ny 11 Jona tao anaty lahatsoratra iray tao amin'ny Facebook, nambaran'ny Reversed Front fa ilay lalao no fampiharana tena be mpitroka indrindra tao amin'ny App Store tao Hong Kong tamin'ny harivan'ny 10 Jona.
Naneho hevitra tao amin'ny Facebook ireo mpisera anaty aterineto, nilaza hoe, “isaorako ny governemanta, fa ankehitriny aho mahafantatra hoe misy ny lalao tahàka izany.”
Na izany aza, ny Google Trends, fitaovana iray fandrefesana ny hatetiky ny fangatahana fikarohana, dia naneho fa ny 逆統戰 — anarana amin'ny fiteny sinoa nomena ho an'ilay lalao anaty finday — no lohahevitra tena be mpikaroka indrindra tao an-tanàna tamin'ny 11 Jona.
Mihoatra ny 200.000 ny fikarohana voarakitry ny Google tao anatin'ny 21 ora farany — fitomboana 1.000 isanjato.
Araka ny tatitra iray an'ny BBC tamin'ny 2020, nahangona 19 tapitrisa NTD tany ho any ny ESC Taiwan (USD 640,000) tety anaty tambajotra mba hamoronana lalao anaty tablety mitovitovy lohahevitra amin'io.






