
Mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices nandritra ny vovonana GV tany Kathmandu, Nepal, tamin'ny Desambra 2024. Saripika avy amin'i Jer Clarke. Nahazoana alalana.
Ankehitriny ny Global Voices manomboka fanentanana famoriam-bola [mg] mahatratra 250.000 dolara US mba hampihodinana ny tranonkalam-baovao sy ny tranonkalan-dikantenim-baovao.
Ara-tantara ireo orina mpanasoa sy ireo hafa mpamatsy vola no nanampy ny Global Voices, ary mankasitraka izahay amin'ireo vatsy azonay amin'izany fomba izany. Saingy mampifintina ny vola azo ho an'ny fikambanana tsy mitady tombombarotra ny fanapahana tampoka ny fanampiana avy any ivelany ataon'ny governemanta maromaro, ka voadona manokana ireo fikambanana mpiaro ny zo nomerika toa anay.
Mandalo fotoan-tsarotra amin'izao fotoana izao ireo fikambanana mpamoaka vaovao sy mpandika teny, ary ampiasaina ny teknolojia vaovao mba hihena ny isan'ny mpiasa ary lavon'ny mpamafy lainga izaitratra ireo vaovao manana ny kalitaony. Na dia amin'izao fotoan-tsarotra izao aza anefa dia mitohy ny famokaran'ny Global Voices ary mazoto ny mpamaky, saingy noho ny fanoloran-tenanay tsy hampandoa vola ny famakiana ny ranty sy tsy hampiseho doka, dia tsy rakotra ny fandaniana samihafa raha tsy mba manome antsitrapo ny mpamaky.
Fikambanana mba mora velomina ihany ny Global Voices: tsy manana birao, tsy manofa trano, ary vitsy fanaka. Lohamilina mampiantrano ny tranokalanay no andoavanay vola sy ny saram-pitantanana hafa vitsivitsy, fa ny fandoavana ireo mpiandraikitra no tena isahanan'ny fandaniana. Maro ireo mpamatsy no tsy tia hamatsy mihoatra noho ny ampahany kely amin'ny sara ho an'ny mpiasa, satria ireo asa / hetsika no tiany aloa mivantana, saingy ny sara ho an'ny mpiasa no fototry ny hetsikay rehetra. Ataon'ireo mpiandraikitra sy ireo manolotena ny mikaroka tantara, manoratra sy manitsy, mandika teny ary misolo vava — ary indraindray koa ry zareo mamolavola sary na safidin-tsary, mampiroborobo amin'ny media sosialy, sy zavatra hafa maro. Ry zareo ireo no ezahinay hotohanana ara-bola amin'ity fanentanana ity — ny vondrom-piarahamoninay, ireo olona mamita lahatsoratra sy famelabelarana, fandikan-dahatsoratra, tati-pikarohana ary podcast (fandraisam-peo) izay hitanao ao amin'ny tranokalanay.
Raha nahazo dolara iray isaky jeripejy amin'ny tranonkala manko izahay, dia tsy mila manao fanentanana! Ary raha natao fanolotra isam-bolana ireo dolara ireo, dia azonay natao ny nanomana hetsika maharitra kokoa mialoha sy mba tsy sahiran-tsaina izahay amin'ny ankapobeny. Saingy fantatray fa tsy ny rehetra no afaka mandray anjara noho ny antony maro samihafa, ka izany no azonay hiheverana hoe raha misy dimy dolara omen'ny ampahadimin'ireo mpitsidika tranonkala isam-bolana, na folo dolara omen'ny ampahafolony, ary mety misy olona mbola tsy namaky na inona na inona tamin'ity volana ity nefa matoky ireo zavatra ataonay ka manome dimy amby roapolo, ary misy olona iray hafa tia fandikan-teny mandefa dimy ambin'ny folo dia… azonao ny tian-kambara.
Manantena izahay fa mety ho iray amin'ireo mpanao fitia tsy mba hetra ianao, fa raha mbola tsy afaka ianao amin'izao fotoana izao, dia antenainay fa mbola ho avy ianao sy haka fotoana hitsidihana ny tranonkalanay, ary avy eo milaza amin'ny olona hafa momba azy. Mihoatra noho ny tranokalam-baovao fa vondrom-piarahamonina iray ny Global Voices, ary tianay ianao ho anisany. Hizara momba ny fanentanana izahay sy momba ny Global Voices any amin'ny media sosialy, koa miangavy izahay ny hampitànao (hizarànao) ny ranty mba hahalalan'olona bebe kokoa momba anay sy ny fomba ahafahan-dry zareo mandray anjara. Mankasitraka indrindra amin'ny fanohananao!





