
Mpanao fihetsiketsehana mivory manodidina ny Tsangambatom-pandresena mitaky ny hialan'ny Praiminisitra Paetongtarn Shinawatra. Saripika avy amin'ny pejy Flickr Prachatai. CC BY-NC-ND 4.0
Navoakan'ny Prachatai, tranonkalam-baovao iray tsy miankina ao Thailandy ity lahatsoratra ity. Navoaka ato amin'ny Global Voices indray ny dika nasiam-panovana noho ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.
Nivory tao amin'ny Tsangambatom-Pandresena tao afovoan'i Bangkok ireo mpanao fihetsiketsehana ny Sabotsy 28 Jona, mba hitaky ny fialan'ny praiminisitra Thailandey Paetongtarn Shinawatra noho ny antso iray tafaporitsaka nifanaovany tamin'ny filohan'ny Antenimieran-doholona Kambodziana Hun Sen.
Nitangorona nanodidina ny lampihazo natsangana teo anoloan'ny Tsangambato sy teo amin'ny lampihazo teo ambonin'ny rond point nitana sainam-pirenena sy sora-baventy amin'ny fihetseham-po nasionalista ireo mpanao fihetsiketsehana, .
Milaza ny tenany ho Vondrom-Piarovana ny Fiandrianampirenena Thailandey ireo miantso hanao fihetsiketsehana. Maro amin'ireo mpitarika ao aminy no fanta-daza tamin'ny fihetsiketsehana teo aloha, nahatonga ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila tamin'ny taona 2006 sy ny taona 2014 izay nanala ny governemantan'i Thaksin Shinawatra, rain'i Paetongtarn, sy ny anabaviny Yingluck Shinawatra samy vofidim-bahoaka.
Takìn'ny vondrona ny hialan'i Paetongtarn sy ny hialan'ireo antoko mpiara-dia amin'ny governemanta amin'ny fahefana. Antsoiny koa ny olona hanatevin-daharana ny fihetsiketsehana hiarovana ny fiandrianampirenen'i Thailandy.
Lasibatry ny tsikera i Paetongtarn tao anatin'ny 10 andro izay taorian'ny niporitsahan'ny rakitry ny antso an-telefônina nifanaovany tamin'ny filohan'ny Antenimieran-doholon'i Kambodza, Hun Sen, ary niparitaka avy hatrany. Nandritra ny antso, i Paetongtarn, niresaka ny adin-tsisintany amin'i Kambodza, niaiky fa miatrika tsindry anatiny avy amin'ny miaramila izy, ary niampanga ny komandin'ny Faritra Tafika faharoa ho mpanohitra ny governemanta. Naharatsy toerana azy izany satria niampanga azy ho mpamadika na tsontsa loatra tsy mendrika ny maha-mpitarika satria heverina ho fikasana hampitony an'i Hun Sen ny antso. Nitombo ny tsy fahafaliana tamin'ny fitantanany ny adin-tsisintany, nitombo koa ny fiantsoana azy hiala na handrava ny Antenimiera mba hisian'ny fifidianana vaovao. Lava ny tantaram-pifandirana sy tsy-fitoviankevitra amin'ny sisintany ifanoloran'i Thailandy sy Kambodza, saingy mangotraka ny disadisa tato ho ato.
Maromaro ihany ireo fitarainana ara-pitsarana mikendry ny hanesorana ny Praiminisitra. Voalaza fa hanao famotorana momba ity antso miporitsaka ity ny Vaomieram-pirenena misahana ny ady amin’ny kolikoly (NACC) tamin'ny alatsinainy 23 jona, taorian’ny nametrahan'ireo loholona fitarainana amin'ny fanitsakitsahana ny tandrohasina. Misy ihany koa fitarainana hafa napetraka teny amin’ny Fitsarana misahana ny Lalàmpanorenana, nangataka ny hanesorana azy noho ny fanitsakitsahana ny tandrohasina sy ny fampiatoana azy mandritra ny famotorana. Nanao fivoriana ny Fitsarana tamin'ny 1 Jolay, aloha kokoa noho ny datin’ny fivoriana voalohany nokasaina ho 8 sy 15 Jolay.
Nikabary i Pichit Chaimongkol, mpitarika ny Tambajotra-Mpianatra sy Vahoaka ho amin'ny Fanavaozana an'i Thailandy nandritra ny fihetsiketsehana fa tsy nahomby tamin'ny naha Praiminisitra azy i Paetongtarn. Tsy tafavoaka izy manoloana ireo olana ara-toekarena ary nanararaotra ny rafi-pitsarana izy hanaovana an'i Thaksin ho ao amin'ny Hopitalin'ny Polisy fa tsy any am-ponja. Ny antso an-telefônina tafaporitsaka no “teten-drano” nanosika ireo mpanao fihetsiketsehana hitaky ny fialàny. Ny firenena no hirodana raha mbola mijanona eo amin’ny toerany izy, hoy ny nambarany.

Mpanao fihetsiketsehana nitangorona nanodidina ny Tsangambaton'ny Fandresena, nanofahofa sainam-pirenena sy nitazona sora-baventy miantso ny Praiminisitra hiala, ary ny manana fihetseham-po nasionalista sasany. Sary avy amin'ny pejy Flickr an'i Prachatai. CC BY-NC-ND 4.0
Tao Chiang Mai indray, nivory teo amin'ny Tsangambaton'ny Mpanjaka Telo ireo mpikamban'ny vondron'ny mpandala ny mpanjaka sy ny mponina mba hanao fihetsiketsehana manohana ny fitakian'ireo mpanao fihetsiketsehana tao Bangkok mitaky ny hialan'i Paetongtarn sy ny antoko mpiara-dia amin'ny governemanta. Nanofahofa sainam-pirenena sy nihira ny Hiram-pirenena Thailandey mbamin'ireo hira nasionalista hafa ireo mpanao fihetsiketsehana, ary nifandimby nikabary nanakiana ny fitantanan'i Paetongtarn ny ady amin'ny sisintany sy ilay antso an-telefônina tafaporitsaka. Nisy ihany koa ny naneho ny fanohanana ny komandin’ny Faritra faharoan’ny tafika sy ireo miaramila nijoro teo amin’ny sisintany. Maro ireo nilaza fa nandray anjara tamin'ny hetsi-panoherana ny governemantan'ny praiminisitra teo aloha Yingluck ary ankehitriny dia mitaky ny fialan'i Paetongtarn, zanaky ny mpiray tampo amin'i Yingluck.
Nikabary amin'ny maha-solontenan'ny Tambajotran'ny Vahoakan'i Chiang Mai Tia ny Mpanjaka i Theera Wisitpanit, mpampianatra teo aloha tao amin'ny Fakiolten'ny Fambolena ao amin'ny Oniversiten'i Chiang Mai. Notsikerainy ny tsy-maha-za-draharaha an'i Paetongtarn, ny fitantanany ny olana ara-toekarena, ary ny fanivaivany ny miaramila Thailandey nandritra ny antso an-telefônina nifanaovany tamin'i Hun Sen. Nilaza izy ny tokony hitsanganan'ny Thailandey hitaky praiminisitra mahavita kokoa.
Niara-nanaiky tsy nisy nitsipaka ny fanangonan-tsonia napetraky ny loholona 36 manohitra ny praiminisitra tamin'ny talata 1 jolay ny Fitsarana misahana ny Lalàmpanorenana , ary avy eo nifidy ny fampiatoana ny praiminisitra Paetongtarn amin'ny andraikitra maha-praiminisitra azy ny 7 manoloana ny 2. Manana 15 andro ny Praminisitra hanatitra ny fanazavany sy ny porofo avy aminy. Mandritra izany fotoana izany, ny praiminisitra lefitra Suriya Juangroongruangkit no ho praiminisitra misolo ny toerany.
Ho setrin'ny didy navoakan'ny Fitsarana, nanamafy i Paetongtarn fa natao hanompoana ny firenena sy hiarovana ny fiandrianam-pirenen'i Thailandy ilay antso am-pinday, ary naneho fialantsiny amin'ny vahoaka Thailandey izay tsy faly tamin'ny fanamarihana nataony nandritra ny antso izy. Nohamafisiny ihany koa fa efa tapa-kevitra ny hanompo ny firenena izy na inona na inona toerana misy azy.






