Saron'ny ‘loton-drivotra maro fiaviana’ avy amin'ny vovok'i Sahara sy ny doro tanety Kanadiana ny ao atsimon'i Frantsa

A weather phenomenon where sand from the Sahara Desert in north Africa drifts over the Mediterranean Sea, turning the sky orange in Southern France, including the Alps, as featured in this photo.

Trangan-toetrandro isidinan'ny fasika avy any an-taniefitr'i Sahara avaratr'i Afrika any amin'ny Ranomasina Mediterane, manova ny lokon'ny lanitra ho volomboasary any atsimon'i Frantsa, anisan'izany ny Alpes, araka ny asehon'ity sary ity. Pikantsary avy amin'ny YouTube.

Tamin'iny volana Jona iny, iharan'ny fahalotoan-drivotra mahery vaika avy amin'ny toerana tsy mahazatra ny faritra atsimon'i Frantsa, namadika ny lanitra ho lalambe migodàna maneran-tany izay ifangaroan'ny zavona avy amin'ny doro tanety mahery vaika any Canada mamakivaky an'i Atlantika sy ny tafio-drivotra feno vovoka avy any Sahara miala avy any Afrika Avaratra. Nandritra ireo andro ratsy indrindra tamin'ny tapaky ny volana jona, nahatratra haavo teo anelanelan'ny 130 sy 150 ny Tondron'ny Kalitaon'ny Rivotra (AQI) tao Marseille — heverina ho tsy mahasalama ho an'ny vondrona marefo — raha oharina amin'ny haavo tamin'ny fahavaratra mahazatra, izay matetika eo anelanelan'ny 40 sy 60.

Nanomboka volana Mey, nisy doro tanety mahery vaika tao Canada Afovoany, indrindra tany Manitoba, Saskatchewan ary Alberta. Ao Manitoba fotsiny, mbola tsy maty ny doro tanety miisa 27, anisan'izany ny lelafo goavana teo akaikin'i Flin Flon sy Sherridon, izay nahamay tanety maherin'ny 300.000 hektara tamin'ny fiandohan'ny volana Jona fotsiny. Tao anatin'ny andro vitsivitsy, nitsofoka nianavaratra ny afo, ka niteraka ahiahy fa mety hitambatra ao anatin'ilay antsoin'ny manam-pahaizana hoe “Giga-fire” ny lelafo — tranga tsy fahita firy izay andevonan'ny lelafo iray hatramin'ny  400.000 hektara mahery.

Screenshot of Canada's wildfire map as of June 12, 2025.

Pika sarintanin'ny doro tanety any Canada avy amin'ny Canadian Interagency Forest Fire Centre tamin'ny 12 Jona 2025. Misedra doro tanety “tsy voafehy” ny ankamaroan'ny faritra avaratr'i Canada. Sary avy amin'ny Situation Report.

Mifoka fifangaroana setroka tsy fahita firy vokatry ny doro tanety, ny vovoka ao Sahara ary ny ôzôna ireo Marseillais, mponina ao an-tanàna. Nihamafy ny fiantraikan'ity trangam-pandotoana miampita kontinanta ity nandritra ny volana Jona. Ny niandoha tamin'ny poti-javatra manify misavoana avy amin'ny doro tanety any Canada no nivadika ho antsoin'ny manampahefana eo an-toerana hoe “loto avy amin'ny loharano maro”, tafio-drivotra mpandoto goavana. Raha miaina tsy tapaka ireo vovoka mandalo vetivety avy ao Sahara i Marseille, dia nisongadina ity indray mandeha ity noho ny setroky ny doro tanety nitranga manerana an'i Atlantika — fifangaroana tsy fahita firy izany. Araka ny filazan'ny AtmoSud, lasa miha-matetika sy mihamafy kokoa ity zava-boalaza farany mifangaro ity rehefa mihalava kokoa ny fiovaovan'ny toetr'andro sy ny vanim-potoanan'ny fahamaizana.

Ity misy lahatsary amin'ny teny Frantsay manazava ny olan'ny rivo-bovoka Sahara any amin'ny faritra Mediterane.

Nandefa fampandrenesana fandotoana haavo faha-2, izay mety ho avo indrindra ny Prefektioran'i Bouches-du-Rhône, manampahefanam-panjakana miahy ny filaminam-bahoaka tamin'ny 13 jona, satria nandrakitra fifangaroana mampidi-doza ahitana poti-javatra manify, ôzôna, ary vovoka an-tany efitra hafa tonga avy any Afrika Avaratra ny fanaraha-maso ny kalitaon'ny rivotra .

A screenshot of Open Air's pollution report in southern France.

Pikantsary amin'ny sarintany fandotoana OpenAir ao Bouche du Rhöne, departemanta misy an'i Marseille. Mampiseho ny sarintany fa miatrika ny kalitaon'ny rivotra “ratsy” ny ankamaroan'ny faritra atsimon'i Frantsa.

Tsy vahiny amin'ny vovok'i Sahara intsony i Marseille, tanàna iray efa roa arivo taona. Matetika isan-taona, mitondra poti-javatra manify avy any an-tany efitra mianavaratra manerana an'i Mediterane ny rivotra mafana, mandrakotra ny tanàna amin'ny zavona miloko laoranjy ka mampitombo vetivety ny fandotoana, indrindra rehefa mitambatra amin'ny hafanana, ny tara-masoandro sy ny rivotra miandrona – fepetra tsara indrindra hiforonan'ny ôzôna. Ny mampiavaka an'ity tranga ity dia ny sosona fanampiny amin'ny setroky ny doro tanety Kanadiana, manangona loharanon-doto iray eo ambonin'ny iray hafa.

A screenshot of a video depicting the pollution levels in Marseille on June 12, 2025.

Pikantsary mampiseho ny haavon'ny loto ao Marseille tamin'ny 12 Jona 2025. Pikantsary tao amin'ny YouTube.

Nitatitra ny AtmoSud, mpandinika ny kalitaon'ny rivotra ao amin'ny faritra fa nihoatra ny fenitry ny fiarovana ara-pahasalamana ofisialy ny haavon'ny loto ao Marseille nandritra ny efatra andro nisesy, manampy amin'ny risika ara-pahasalamana, mampitombo ny aretin'ny taovam-pisefoana. Mety hiharatsy ny sohika, hiteraka areti-pisefoana, hanampy trotraka ny aretin'ny fo, indrindra eo amin'ny ankizy, ny zokiolona, ​​ary ny olona manana toe-pahasalamana marefo, ary mampitombo ny mety hahafeno hika ny hôpitaly ny fiparitahan'ireo poti-javatra manify manana haavo ambony (PM2.5 sy PM10) sy ôzôna ireo.

Manoloana ny fiharatsian'ny fiparitahana maharitra, nametra ny fifamoivoizana ao amin'ny Faritra Mandefa ôzôna iva (ZFE) ny manam-pahefana any Marseille, ka ireo fiara tsy mandoto ihany no afa-mandeha. Nahena 20 kilometatra isan'ora ny fetran'ny hafainganam-pandeha eny amin'ny arabe lehibe noho ny tsy fahitana firy, ary tsy navela tamin'ny fomba ofisialy ny fivoahana an-kalamanjana.

Satria miakatra ny maripàna maneran-tany, mamadika ny fahalotoan'ny rivotra ao an-toerana ho fandrahonana miampita kontinanta ireo fisehoan-javatra mifanosona ireo. Ho an'ireo tanàndehibe amorontsiraka toa an'i Marseille, izay efa tratran'ny onjan'ny hafanana, ny haintany ary ny fiakaran'ny haavon'ny ranomasina, na dia ny voina any lavitra aza dia mivantana any amin'ny rivotra iainan'ny olona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.