
Ilay Jamaikana kintan'ny dancehall Vybz Kartel (Adidja Palmer) nanao fampisehoana tao amin'ny kianjam-pirenena any Guyana, 24 Mey 2025. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube nataon'i Selector Andre Entertainment. Fampiasana ara-drariny.
Nihomankomana indray ny vondrom-piarahamonina soca tao Port of Spain, renivohitr'i Trinite, tamin'ny faramparan'ny volana mey 2025 hahita indray an'i Vybz Kartel (Adidja Palmer) avy ao Jamaika, izay nokinasa hiseho amin'ny One Caribbean Music Festival ao amin'ny Queen's Park Savannah. Saingy tsy niakatra an-tsehatra mihitsy ilay voalohan-daharana amin'ny afisy ary, raha ny marina, dia tsy nigadona tao amin'ny nosy mihitsy.
Ora maromaro talohan'ny fampisehoana, nanomboka niely ny feo fa niala i Kartel, tanatin‘ireo antson'ny governemanta vao voafidy tao amin'ny firenena hanaovan'ilay artista dancehall hetsika madio kokoa, sy ny tsaho fa tsy nanaja feno ny fifanarahana ara-bola ny mpikarakara. Namaly io teboka farany io ny mpikarakara, ary nilaza fa efa nandoa 1,1 tapitrisa dolara tamin'ny sarany 1,3 tapitrisa dolara nifanarahana.
Raha topaza-maso, dia toy ny raharaha tsi-fitoviam-pijery amin'ny resaka fifanarahana izany. Na izany aza, mahatonga fanontaniana lalindalina kokoa mihoatra noho ity resahina ity izao tranga izao: ahoana no aharetan'ny môdelim-pampisehoana ara-barotra amin'izao fotoana eo amin'ny tsena karaibeana?
Tsy vola kely izany iray tapitrisa dolara US izany — ary mihoatra ny fito tapitrisa TTD izany ao Trinite. Manomboka amin'ny TTD 700 (eo ho eo amin'ny 103 dolara US) ny vidin'ny tapakila amin'ny fetiben'ny mozika amin'ny fidirana tsotra ka hatramin'ny TTD 20.000 mahery (manakaiky ny 3.000 dolara US) raha hiditra premium. Efa maro amin'ireo mpankafy ireo no olom-pirenena kely fidiram-bola sady vitsy mponina, ary tsy mitovy amin'ny an'i Etazonia na Eoropa ny ankapobeny ny sandan'ny fidiram-bolan'ny olona ankapobeny sy ny haben'ny tsena.
Misy zava-mifaningotra mahatonga fihenjanana lalina kokoa eto: matetika ireo artista sy mpikarakara lanonana mampihatra rafitra fandoavam-bola avy amin'ny ila-bolantany avaratra tsy zakan'ny tsena ao an-toerana. Fifanolosoloana ara-toekarena mety hahatonga ny mpijery ho marefo sy ho very fitokisana. Azontsika tsiahivina ny fisalasalàna tamin'ilay Nizeriana ikoizana amin'ny “Afrobeats” Burna Boy sy i Popcaan, ilay Jamaikana kintan'ny dancehall, niseho tany Trinite nandritra ny fampisehoana iray tamin'ny Desambra 2022. Ary vao haingana izay, nandiso fanantenana ny mpijery tany Trinite roa volana lasa izay ny mpihira Amerikana R&B Keyshia Cole.
Voalaza fa niantraika ihany koa amin'ny fampisehoan'i Kartel amin'ny Fetiben'ny Mozika St. Kitts tamin'ny faran'ny volana teo ny tsi-fisehoana tao amin'ny Fetiben'ny Karaibeana Iray tao Trinidad. Tsy nanao fampisehoana araka ny tokony ho izy tao Costa Rica ihany koa ilay mpanao dihy tamin'ny 3 Mey, voalaza fa noho ny olana tsy nahavitan'ilay mpikarakara ara-potoana ny fahazoan-dàlana rehetra ilaina, na dia nivoady ny hiverina aza izy.
Misy ihany koa ny resaka fototra, miompana kokoa amin'ny maha-olombelona: hatraiza ny halehiben'ny mpanakanto isam-paritra, indrindra ireo izay nahita fahombiazana manerantany, mahatsapa adidy amin'ny mpihaino azy – ireo vondrom-piarahamonina nanainga fanahy azy sy mikolokolo ny asany sy ny talentany ve? Nanome ho an'izao tontolo izao ny zava-drehetra ny mozika Karaibeana, manomboka amin'ny reggae ka hatramin'ny soca mipaka amin'ny dancehall, kanefa matetika loatra, no tsy taka-bidin'ireo mpankafy an-tanindrazana ny kolontsaina nampian'izy ireo.
Amin'ny maha-mpanakanto sady mpikarakara lanonana ny tenako, eo amin'ny tontolon'ny dihy, dia vavolombelon'ny môdely hafa aho. Teto Trinidad, nitondra tarika mpandihy Amerikana fanta-daza eo amin'ny sehatra iraisampirenena izahay mba hanao fampisehoana amin'ny tapakila mitentina TTD 150. Nitaky fiomanana volana maromaro, famatsiam-bola amin'ny famoronana ary fanoloran-tena manao izay haha-takabidy ny fidirana sy ny hakanton'ny fampisehoana izany. Angamba izahay nampiofanina, tamim-pahatsontsàna (naïveté) na araka ny rariny, ary nisy fotoana nahafatiantoka anay ara-bola, mba hihevitra ny zavakanto ho toy ny zava-tsoa ho an’ny olom-pirenena, fa tsy vokatra ara-barotra fotsiny.
Mendrika tsidihina io idealy io. Samy mandray soa avy amin'ny fakàna sary an-tsaina indray ny fifanaraham-pampisehoana, tsy amin'ny lafiny ara-pitsarana ihany, fa amin'ny lafiny ara-moraly koa na ny mpanakanto na ny mpikarakara fampisehoana manerana ny sehatry ny mozika Karaibeana. Hanome voninahitra ny zava-misy ara-toekarena ao amin'ny faritra sy ny fifamatorana ara-kolontsaina eo amin'ny mpanakanto sy ny mpijery ny môdely manaja sy mateza kokoa.
Tsy voatery hanaiky fa tsy maintsy alain'ny habaka fampisehoana Karaibeana tahaka ny toekaren'ny tontolon'ny haitraitra manerantany. Misy ny habaka ho an'ny karazana sehatra hafa — habaka izay ny fiarahamonina, ny fikarakarana ary ny kolontsaina aloha no voalohany.
Izany no mendrika anontaniana rehefa mitsahatra ny mozika.