Nofinofin-koavin'ny tanora Afrikana tapaka tarangana eny ambava adin'ny Rosiana sy ny Okrainiana

Eo amin'ny sary, Dosseh Koulekpato, Mpianatra togoley iray azon'ny vondro-tafika okrainiana ; pikantsary tao amin'ny YouTube United24

Nanomboka ny volana Febroary 2022, nanjary lasa ady iraisampirenena haingana ny fananiham-bohitry ny tafika Rosiana ao Okraina, ; izay namela fiantraikany goavana hatrany Afrika. Naneho tsy fiandaniana na tamin'ny andaniny na tamin'ny ankilany ny ankamaroan'ireo mpitondra afrikana teo anatrehan'izany, saingy tsy hita ho afenina ny fanohanan'ny tanora Afrikana sasantsasany na an'i Okraina, na an'i Rosia.

Tamin'ny volana Marsa 2022, i Ottah Abraham, tanora nizeriana anankiray 27 taona, tsy nitsanga-menatra naneho ny fahavononany hiara-dia amin'i Okraina hifanandrina amin'i Rosia. Ampahandahatsoratr'i BBC Afrique, tamin'ny fotoan'androny tamin'izany, nilazan‘i Ottah Abraham ny hoe :

Nous savons que c'est la guerre, ce n'est pas un jeu d'enfant. Mais être un soldat en Ukraine serait mieux que d'être ici. Je serai probablement autorisé à rester si la guerre se termine, en plus je serai un héros et je combattrai un ennemi indéniable.

“Fantatray fa ady izao, tsy sanatria kilalaon-jaza. Tsara kokoa ny lasa miaramila any Okraina noho ny eto. Mety afaka ny hijanona any aho rehefa mifarana ny ady, no sady ho lasa maherifo hiady amin'ny fahavalo tsy azo tsinontsinoavina.”

Imbetsaka ireo haino aman-jery afrikana no nitatitra ny fandraisana tanora Afrikanina ho amin’ny ady. Nisy lahatsoratra nivoaka tao amin’ny Radio France Internationale (RFI) tamin’ny volana marsa 2022, mahakasika ny fanehoan-kevitr'ireo manampahefana senegaley manoloana ny fanambaràna (izay nofafàna indray) momba ny fandraisana an-tsitrapo nataon’ny masoivohon’i Okraina tao Sénégal, izay navoakany tao amin’ny pejiny Fesiboky. Nanamarika tamin’izany ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny senegaley fa hoe:

… que le recrutement de volontaires, mercenaires, et combattants étrangers sur le territoire sénégalais est illégal et passible de peines prévues par la loi.

“… ny fandraisana ireo mpirotsaka an-tsitrapo, mpikarama an'ady, sy mpitolona vahiny eto Sénégal dia voararan'ny lalàna no sady iharan'ny sazy araka ny lalàna mifanandrify amin'izany.”

Mbola maro anefa ny tsaho nielipatrana mahakasika io fandraisana mpiady io tany amin'ny tanàna hafa, fa nandà malaky izany ny diplomasia Okrainiana sy Rosiana. Tsy nitsahatra nitady ny fomba rehetra handraisana Afrikana ho anisan'ny miaramila hiady ho azy anefa i Rosia. Anisan'ny kinendrin'i Moskoa amin'izany ireo mpianatra Afrikana mipetraka ao amin'ny tanin'i Rosia.

Fandrika ara-pitantanam-panjakana rosiana

Raha ho an'ny ankamaroan'ny tanora Afrikana, matoa mifindra monina mankany Eoropa dia ny mba hahazoana fepetra tsara indrindra na resaka fianarana, na fiainana na fomba hahazoana vola ihany koa, izany koa anefa no mahatonga ny safidin'ny hafa sasany handranto fianarana any Rosia, izay matetika mihitsy aza tohanan'ny fanjakana Rosiana ara-bola.

Kanefa ny governemanta Rosiana koa dia malaza amin'ny resaka fitantanana feno kolikoly, izay entiny hanararaotana ireo teratany vahiny, na io mpifindra monina ara-toekarena na io mpianatra vahiny.

Manjary lasa fanararaotam-pahefana indraindray ny fanavaozana visa efa ho lany daty, izay anomen'izy ireo toky fa ho vita malaky raha toa ka manaiky handeha hiady ao ambava ady okrainiana, araka ny lahatsoratr'i Bloomberg sy i Kyiv Independent nanomboka ny taona 2024. Nolavin'i Rosia anefa izany fiampàngana azy izany, fa nisy fijoroana vavolombelona nanaporofo fa tena nisy tokoa izany fomba izany ny taona 2025.

Izany no nahazo an'i Dosseh Koulékpato,  nohamarinin'ny gazety Le Monde, sy Malick Diop, ary mbola nohamafisin'i BBC ihany koa.

Ao anatin'ity horonantsary navoaka tao amin'ny tambajotra YouTube an'ny United24 ity, sehatra iray natsangan'ny governemanta Okraniana tamin'ny taona 2022 entina hanagonam-bola sy hifampizaràna vaovao, natao fanadihadiana tamin'ny teny frantsay, ary mitantara ny lalana nodiaviny i Dosseh Koulékpato, mpianatra Togoley iray 27 taona, tovolahy iray voasambotry ny tafika okrainiana tamin'ny volana Febroary 2025. Taorian'ny tsy nahazoanay alàlana hijanona amin'ny firenena hafa, tapa-kevitra ny ho lasa mpianatra ofisialy ao Rosia ny tenany. Vetivety monja anefa, nisy nifandray taminy hanao sonia taratasy amin'ny teny Rosiana – izay fiteny tsy hainy akory – hay taratasy fanekena hiditra ho isan'ireo tafika Rosiana ilay nosoniaviny. Taorian'izay nalefan'izy ireo hiaro ny sisintany izy, ka voasambotry ny Okrainiana ary nogadrainy.

Mpiantara senegaley 25 taona i Malick Diop, isan'ireo nosamborin'ny tafika Okrainiana ny volana aprily 2025. Nandeha ny fanairana mahakasika io nahasamborana mpianatra teratany senegaley io, izay naparitaka tamin'ny alàlan'ny pejy Facebook tao amin'ny kaontin'ny ady ao Okraina :

Nanambara i Diop fa antony nahatonga azy ho isan'ny tafika Rosiana ny tsy fahampian'ny hoentiny manana handehanana ho any Alemaina, araka ny tatitry ny BBC Afrique izay nifandray tamin'ireo havan'i Malick Diop, toy izany koa ny momba an'ilay mpianatra senegaley iray niaraka taminy.

On s'est connu avant d'aller en Russie parce qu'on avait postulé tous les deux pour une Bourse d'études offerte par la Russie au Sénégal. Nous avons eu la chance d'être sélectionné et nous avons fait la procédure ensemble jusqu'à notre voyage en Russie. C'est une fois en Russie que notre relation a évolué, nous sommes devenus très proches, comme des frères je peux dire.

“Nifankafantatra izahay talohan'ny nandehanana ho any Rosia satria niara-nangataka vatsim-pianarana natolotr'i Rosia tao Sénégal. Nanam-bitana ka isan'ireo voasarika izahay tamin'izany ary niara-nanatanteraka ireo dingana rehetra mandra-pahatonganay tany Rosia. Nony tonga tany, vao maika nihamafy ny fifandraisanay ka niha-nifanakaiky izahay, toy ny mpirahalahy mihitsy raha izay no azo ilazàna azy.”

Manantena ny fanampian'ny manam-pahefana senegaley, ny fianakavian'i Malick Diop hamerenana ny zanany an-tanindrazana.

Ny fanehoan-kevitry ny manam-pahefana Afrikana

Any Togo, tsikaritra ny nahababo an'i Dosseh Koulékpato. Niantso ny fandraisan'ny manam-pahefana togoley andraikitra ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona mahakasika io raharaha io. Ohatra amin'izany ny Mouvement Martin Luther King (MMLK). Araka ny fanambaràna, notononin'ny fampahalalam-baovao Plume d'Afrique, ny 17 Marsa 2025, dia hoe efa nampilaza ny manam-pahefana Togoley izy :

(…) le MMLK a été informé de la triste nouvelle avec des preuves à l’appui. Aussitôt, le Chef de l’État Togolais et le Ministre des Affaires ont été saisis pour toutes fins utiles. Le MMLK demande aux autorités togolaises de s’engager avec les autorités ukrainiennes pour sauver la vie à notre compatriote.

“(…) Nampahafantarina mahakasika io vaovao mampalahelo io niaraka tamin'ny porofo mavesa-danja ny MMLK. Avy hatrany dia nifandraisana ny Filoham-pirenena Togoley sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny hitady vahaolana. Nangataka ny manam-pahefana Togoley ny MMLK mba hifampiraharaha amin'ny manampahefana okrainiana hamonjena ny ain'ireo mpiray tanindrazana aminy.”

Raha mbola tsy nahenoana fanehoan-kevitra mihitsy hatramin'izao ny senegaley,  namaly ny antson'ireo fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena etsy ankilany ny manampahefana Togoley. Nanambara ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny tao amin'ny fanambarana an-gazety  Nouvel Angle tao amin'ny lahatsoratra iray :

Les autorités togolaises ont été saisies de cas de ressortissants togolais capturés et détenus par les forces ukrainiennes alors qu’ils participaient à des opérations militaires aux côtés des forces armées russes dans le cadre du conflit actuel.

Le ministère en charge des affaires étrangères travaille activement avec certains partenaires diplomatiques, à faire toute la lumière sur cette situation et apporter dans la mesure du possible, l’assistance nécessaires aux personnes concernées.

“Nampandrenesina ny manampahefana Togoley mahakasika ny tranga misy, tahaka ny fisamborana teratany Togoley izay notazonin'ny tafika Okrainiana kanefa nandray anjara tamin'ny hetsika ara-miaramila niaraka tamin'ny tafika Rosiana amin'ny ady misy ankehitriny.

Miara-miasa amin-kafanam-po ny ministeran'ny raharaham-bahiny sy ny mpiombon'antoka diplomatika, mba hitady ny fomba rehetra araka izay azo atao, hanohanana ireo rehetra voakasika amin'izany.”

Ny endrika fandrebirebena rakofan'ny ny vatsim-pianarana Rosiana

Anisan'ny mahatonga ny tanora maro hitady vatsim-pianarana any ivelany mba hanatsarany kokoa ny fiainany ny fahantrana, ny firongatry ny isan'ireo tsy an'asa ary ny kolikoly. Saingy tsy azo antoka araka ny eken'ny governemanta ao Togo ireo tolotra vatsim-pianarana rehetra,.

Tao anatin'ny fanambaràna iray, voatonona etsy ambony, nataon'ny ministeran'ny raharaham-bahiny Togoley dia nohamafisiny ny antony handehanan'ireo tanora togoley mankany Rosia hanohy fianarana :

(…) la majorité de ces compatriotes, en particulier de jeunes étudiants, auraient quitté le Togo dans le cadre de prétendues bourses d’études offertes par des structures se présentant comme basées en Russie.

Face à cette situation préoccupante, le ministère des affaires étrangères appelle les citoyens notamment les jeunes désireux de poursuivre leurs études à l’étranger à la plus grande vigilance.

“(…) ny ankamaron'ireo mpiray tanindrazana amintsika, indrindra indrindra ireo tanora, izay nandao an'i Togo dia noho ny fampanantenana vatsim-pianarana tsy misy akory atolotr'ireo rafitra milaza azy ho miorina ao Rosia.

Manoloana io toe-javatra mampiahiahy io, miantso ny olom-pirenena ny ministeran'ny raharaham-bahiny, indrindra fa ireo tanora voasarik'ity fandehana hanohy fianarana any ivelany ity, ho mailo tanteraka.”

Manentana azy ireo ny ministera hamakafaka lalina amin'ny fangaraharahana mahakasika ny tena fisian'ireo vatsim-pianarana ireo alohan'ny hirotsahana amin'izany :

Il les exhorte à vérifier l’authenticité des offres de bourses avant tout engagement, et à se rapprocher de ses services compétents ou de tout autre ministère concerné, notamment le ministère de l’enseignement supérieur et de la recherche, pour obtenir des informations fiables et sécurisées avant tout départ à l’étranger, en particulier à destination de la Russie.

“Manentana mafy izy hanamarina ny tena fisian'ireo vatsim-pianarana alohan'ny hidirana lalina, ary hifandray amin'ireo sampan-draharaha mifandraika amin'izany na ireo ministera hafa voakasik'izany, fa indrindra ny Minisiteran'ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana, mba hahazoana vaovao azo antoka alohan'ny fandehanana ho any ivelany, indrindra ny mankany Rosia.”

Saingy indrisy, toa tsy hahomby ireo fampitandremana ireo : isan-taona mantsy, an'arivony ireo Togoley mikasa handao ny taniny noho izay hantenainy fa ho vintana fanindroany amin'ny fiainany, ary vonona ny hirisika izy ireo, eny fa na dia hoe hipetraka any amin'ny firenena miady aza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.