Melilla, telo taona aty aoriana: loza iray mahatsiravin'ny fifindramonina, tsy ahitàna ny rariny na ny fahamarinana

Flowers on the Melilla border fence today. Photo by Mohamed Belkasen, used with permission

Ny fefin'ny sisintany ao Melilla amin'izao fotoana izao. Saripika an'i Mohamed Belkasen, fampiasàna nahazoana alàlana

Ny 24 Jona 2025 no fitsingerenana fahatelon'ny taona ho an'ny iray tamin'ireo ampahan-tantara nahonena indrindra teo amin'ny tantara vao haingan'ny sisintany eorôpeàna: ilay andrana faobe nataon'ireo mpifindramonina niisa 2.000 avy any atsimon'i Sahara hiampita ny faritra espaniôla ao Melilla, ao Afrika avaratra. Hatreto, mbola tsy fantatra ny tena isa marin'ireo namoy ny ainy.

Izay nanomboka ho toa maraina mahazatra rehefa Zoma tao amin'ilay tanàna mizakatenan'i Melilla dia nivadika haingana be ho andro irain'ny rà, ny fisalasalàna ary ny fahanginana — toko maizina tamin'ny pôlitikan'ny fifindramonina espaniôla, maraokàna ary eorôpeàna.

Nanodidina ny 2.000 ireo mpifindramonina, avy ao Sodàna ny ankamaroany, no nanandrana ny handingana ny fefin'ny sisintany manasaraka an'i Maraoka amin'i Espaina teo amin'ny toeram-pisafoana ao Barrio Chino. Vokany: ampolony maro ireo maty sy nanjavona tao anaty tranga iray nanamarika kihon-dàlana iray tamin'ny fitantaràna ny fifindramonina ao amin'ilay faritra.

Ireo fanadihadiana tsy miankina nataon'ny Border ForensicsAmnesty, Lighthouse Reports, sy ny hafa, niainga avy amin'ireo lahatsary porofo sy fijoroana vavolombelona nataon'ireo niaina nivantana, dia nanambara fa fifangaroana herisetra, fandefasana entona mandatsa-dranomaso, ary voahitsakitsaka teo anatin'ilay tokontany tototra olona tao an-tsisintany no nahafaty ireo mpifindramonina. Voalaza fa toa nitifitra entona mandatsa-dranomaso niisa 20 raha kely indrindra ireo mpitandro filaminana maraokàna, raha ireo avy amin'ny Guardia Civil espaniôla koa nampiasa entona mandatsa-dranomaso sy bala fingotra niisa 65 raha kely indrindra.

Fisiana daroka tsy nisy indrafo no namaritan’ireo vavolombelona ny zavanisy, ny iray tamin-dry zareo izay nahita maso rangahy iray “novelesina teny amin'ny lohany … mba hanamarinana raha tena maty tokoa izy.” Niteraka fifanitsahana nahatsiravina tao an-tokontany ilay fifanosehana, namela ireo vatana nivangongo tsy nisy fandraisana an-tànana ara-pitsaboana.

Raha ny voalaza dia nandevina faty marobe anatina fasana tsy nasiana anarana ireo manampahefana ao Maraoka, ao akaikin'ny tanim-pasana Sidi Salem ao Nador, tsy nanomezany kopiam-pahafatesana na nanaovana fitiliana araka ny tokony ho izy. Nitondra ho amin'ny “fanjavonana” ôfisialin'ireo olona ampolony maro io tsy fisian'ny mangarahara io, namelona tahotra momba ny fisiana fanafenana niniana natao sy ny tsimatimanota.

The Melilla border fence today. Photo by Mohamed Belkasen, used with permission.

Ny fefin'ny sisintany ao Melilla amin'izao fotoana izao. Saripika an'i Mohamed Belkasen, fampiasàna nahazoana alàlana.

Fifanipahan'ny isan'ireo maty sy tsy hita

Taona telo aty aoriana, tsy mbola nisy na iray aza fanamafisana ny taham-pahafatesana, na soritr'ireo olona marobe namoy ny ainy izay nanandrana — ary angamba tsy nahomby — hiampita tamin'izay andro izay. 37 raha kely indrindra no namoy ny ainy araka ny tatitry ny Amnesty International ary 73 ireo olona tsy hita. Mametraka ny taham-pahafatesana ho 40 ary ny taham-panjavonana ho 77 ny Caminando Fronteras. Ny AMDH-Nador (“Association Marocain des Droits Humains”), miaraka amin'ny Border Forensics, mahita hoe 27 no maty ary mihoatra ny 70 no tsy hita. Mandritra izany fotoana izany, nisy fiarahamientanà ONG miisa 74 nandefa taratasy niraisany ho an'ny ONU, nanamafy fa 37 raha kely indrindra ny olona maty ary nihoatra ny 70 no mbola tsy hita.

Kanefa, ny filazàna ôfisialy avy amin'ny Maraokàna dia mitatitra hoe 23 ireo mpifindramonina maty ary roa ireo pôlisy maraokàna maty, miampy ireo 76 mpifindramonina sy mpitandro filaminana 140 naratra, filazàna iray izay tohanan'ny ministeran'ny atitany espaniôla.

Na izany aza, fanadihadiana iray tsy miankina nataon'ny El País, Lighthouse Reports, Le Monde, Der Spiegel, sy ny Enass no nilaza fa raha kely indrindra dia mpifindramonina iray no namoy ny ainy tao amin'ny tanin-dry zareo espaniôla. Ny Amnesty International koa nitatitra hoe 470 eo ho eo ireo nolazaina fa “famerenana teo noho eo” nataon'ny mpitandro filaminana espaniôla, namerina an-kery ho any Maraoka ireo mpifindramonina nahavita nandingana ny fefy.

Tahaka izany ihany, ireo tafavoaka velona dia voalaza fa notaterina nankany amina faritra lavitra ao Maraoka,  Tsy hay hoe aiza izy ireny amin'izao fotoana izao araka ny tatitry ny Amnesty International. Ny sasany voalaza fa nanohy ny diany nanaraka làlana fifindràmonina hafa toa an'i Libia, Alzeria, na Tonizia, saingy tsy misy loharano azo itokiana nanamafy io.

Fanadihadiana tsy nahitàna vokany

Ny 28 Jona 2022, andro efatra monja taorian'ilay zava-nitranga, nanokatra fanadihadiana ny biraon'ny fampanoavana espaniôla mba hamaritana izay zava-nisy sy raha toa ireo manampahefana espaniôla ka nanao fihetsika tsy mifanaraka amin'ny tokony ho izy. Saingy hatramin'ny 23 Desambra tamin'io taona io ihany, nakatona tsy hisy tohiny ilay tranga, tamin'ny fitanisàna fa “tsy misy porofona fitondrantena miendrika heloka bevava” tao anatin'ilay fanambaràna famintinana.

Ny manampahefana maraokàna dia nampanao ihany koa ny fanadihadian-dry zareo manokana momba ny fihetsik'ireo mpitandro filaminany. Ny 24 Jona 2024 io no nakatona tamin'ny fomba ôfisialy, tamin'ny fitanisàna indray ny “tsy fisiana porofo momba ny fihetsika tsy mety” sy hiarovana ireo fihetsiky ny zandary tamin'izay lazain-dry zareo ho fanafihana nahery vaika nataon'ireo mpifindramonina.

The Melilla border fence today. Picture by Mohamed Belkasen, used with permission

Ny fefin'ny sisintany ao Melilla amin'izao fotoana izao. Saripika an'i Mohamed Belkasen, fampiasàna nahazoana alàlana.

Mihantona ny zavatra rehetra, ary tsy misy miova

Mijanona ho dingana lehibe farany hatrany i Melilla ho amin'ireo làlana marobe fifindramonina mankany Eorôpa. Miverina ny fiainana andavanandro, toy ny hoe tsy nisy na inona na inona niova — na dia mitambesatra mafy aza ny fahatsiarovana io andro io ao amin'ilay tanàna, ny mponina ao aminy sy ireo mpifindramonina mandalo mamakivaky azy.

Hatramin'ny 2022, tsy nisy fiampitàna sisintany nànana habetsahana tahaka izany nitranga. Nohamafisina ny fefy, na nisy aza ireo andrana madinidinika voarakitra. Tato anatin'ny taona roa farany, nanodidina ny 1.770 ireo mpifindramonina nahadingana ny fefy. Amin'izao fotoana izao, ny tena làlana fidirana mankao Melilla dia amin'ny alàlan'ny ranomasina.

The Melilla border fence today. Picture by Mohamed Belkasen, used with permission

Ny fefin'ny sisintany ao Melilla amin'izao fotoana izao. Saripika an'i Mohamed Belkasen, fampiasàna nahazoana alàlana.

Rehefa mandeha ny fotoana, zavatra iray no tsy niova: ny fahanginana sy ny tsy fisian'ny tamberinandraikitra. Ary ho an'ireo fianakavian'ny namoy ny ainy sy tsy hita, mbola misokatra ny fery, miandry ny marina, ny rariny ary ny fahatsiarovana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.