(Fanamarihana: lahatsoratra frantsay nivoaka tamin'ny 05 Jona)

Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube : The Indian Express
Tsy afa-bela ireo mpianatra avy amin'ny firenena afrikàna, isan'ireny i Tôgô, amin'ilay politika vaovaon'ny fitantanan'i Trump mikendry ny hampiatoana ny fanomezana vizà ho an'ireo vahiny mpianatra maniry hankao Etazonia mba hanohy ny fianarany.
Tamin'ny 27 May 2025, toy ny vara-datsaka teo an-tampon-dohan'ireo mpianatra niomana ny handeha ho any Etazonia hanohy ny fianarany ny nilatsahan'ilay fanambaràna. Namoaka didy mampiato ny fikarakaràna vizà ho an'ireo vahiny mpianatra i Marco Rubio, sekreteram-panjakàna amerikàna. Io fanapahankevitra io dia narahana fepetra fanamarinana ny kaontin'ireo vahiny mpianatra teny anaty tambajotra sôsialy. Voatanisa tao anaty lahatsoratra iray an'ny France24, Tammy Bruce, mpitondra tenin'ny sekreteram-panjakana amerikàna no manazava:
Ny tanjona, araka ny nambaran'ny filoha sy ny sekreteram-panjakana (Marco) Rubio, dia ny hiantohana ny hahatakaran'ireo olona eto ny atao hoe lalàna, tsy hanànan-dry zareo eritreritra hanao heloka bevava.
Nampian'ilay mpitondra tenin'ny sekreteram-panjakana amerikàna fa io fepetra io dia mihatra, na ho an'ireo mpianatra efa ao Etazonia, na ireo izay nametraka fangatahana vizà:
…Raha mangataka vizà ianareo, araho ny zotra mahazatra, ireo dingana ara-dalàna, ary miomàna ny hotsinkafonina.
Sahotaka any amin'ireo firenena afrikàna
Nandritra ny taom-pianarana 2023-2024, mitontaly 56 780 ireo mpianatra avy ao Afrika atsimon'i Sahara no nanjohy ireo oniversite amerikàna, nametraka an'i Etazonia ho fitodiana tena ankafizin'ireo afrikàna mpianatra.
Fa ho an'ity taona ity, anaty fisalasalàna ireo mpianatra momba ny vintany hahazo ilay voantsinampy sarobidy mba hahafahany misidina sy manomboka ara-potoana ireo fianarana amin'ny fararano. Nitafàn'ny Global Voices momba io fampiatoana io, Tôgôley iray mpianatra [mangataka tsy hotononina anarana] no milaza hoe:
Tsy misy na iray aza antony afaka manamarina io fiovàn-javatra nataon'ny fitantanan'i Trump manoloana ireo vahiny mpianatra io, izay tsy mikatsaka afa-tsy ny hanao ny fianarana anaty fepetra mba hanangonany ireo hirika rehetra ho eo an-tànany eo amin'ny tsenan'ny asa. Saingy takatro fa izay rehetra tia ny fireneny sy saro-piaro dia hiaro azy amin'ny ratsy rehetra. Ny vavaka ataoko dia mba hihatsara anaty fotoana fohy ny toedraharaha.
Ho an'i Marceline [anarana tsy azy], tovovavy beninoà mpianatra, io pôlitikan'i Donald Trump mahavoa ny vahiny mpianatra io, dia mandoto ny lazan'i Etazonia ary manokatra ny varavaran'ireo anjerimanontolo hafa manana ny lazany any amin'ireo firenena hafa eto an-tany. Hoy izy tamin'ny Global Voices:
Ny kalitaon'ny fandaharam-pianaran'ny sekoly sy ny mpianatra ao Etazonia no manazava ny fanirian'ireo rehetra mpianatra manerana izao tontolo izao hanohy ny fianarany any amin'io firenena io ary hisitraka, araka izany, ireo hirika tsara indrindra. Kanefa tsy maintsy ekena fa tsy azo atao ny hitaky zavatra tsy efany amin'ny olona iray. Na eo aza ny lazan-dry zareo, mitondra ambony ampanga amin'ny toekaren-dry zareo ihany koa ireo vahiny mpianatra. Amin'izao fotoana izao aho dia mitrandraka faravodilanitra hafa mba tsy hiaina taona fotsy.
Rehefa tsy i Etazonia, marobe ireo Afrikàna mpianatra no misafidy firenena hafa: Kanadà, Fanjakana Mitambatra, Alemaina, Frantsa, Irlandy, Brezila ary hatramin'i Shina mba hanohizan-dry zareo ny fianarany noho ireo hirika maro atolotr'ireo anjerimanontolo any amin'ireo firenena ireo.
Taom-pianarana iray manalasala
Ho an'ny sasany, ny nofinofina vondrompiarahamonina iray manontolo no rava raha toa ka tsy misy torolàlana vaovao tonga hanàla ilay fampiatoana. Toy izany no mahazo an'i Fatou Wurie, tovovavy iray mpianatra avy ao Sierra Leone, mpiomana haka ny doctorat ao amin'ny fakiolten'ny fahasalamam-bahoaka T.H. Chan ao amin'ny anjerimanontolon'i Harvard (Etazonia) voatanisa ao anaty lahatsoratra iray an'ny BBC Afrique. Mba hahatontosa ny nofinofiny, ny fianakaviany manontolo sy ny vondrompiarahamonina misy azy dia nihetsika mba hitadiavana 200.000 dôlara amerikàna ho azy hahafahana mamatsy ny fianarany ao amin'io anjerimanontolo io. Tena very hevitra izy, manazava ao amin'ny BBC Afrique:
Nindrana vola aho, niasa nandritra ny fanomanako ny diplaomako, ary niantoka ireo fandaniana tsy nisy farany – vizà, trano fonenana, fitsaboana. Ankoatra ny vola, misy koa ny sandany ara-pihetsehampo amin'ny filomanosana tsy mitsahatra ao anatin'ireo rafitry ny fifandramonina sy ny fiantohana fa mba hijanona hatrany manaraka ny fenitra izahay ary hankato ireo lalànan'i Etazonia. Mihoatra noho ny vola ny fahataràna tsirairay – andaniana fifantohana sy fiadanan-tsaina izany.
Voatohintohin'ilay toromarika vaovao ny vintan'i Fatou Wurie ho afaka hahazo alàlana hiverina any Etazonia. Manampy izy :
Miteraka fisalasalàna lalina izany. Amin'ny maha-mpanomana doctorat ahy […], miankina amin'ny fahafahana mivezivezy sy ny fitohizan-draharaha ny asako. Tsy ny fianarana ihany no korontanin'ireo fahataràna, manakana hetsika iray izy ireny.
Fiantraikany maharitra
Ny fiantraika maharitr'io pôlitikan'ny fitantanan'i Trump io dia mety ho lasa fampiatoana tanteraka na faneriterena ny vizà ho an'ireo rehetra mpianatra iraisampirenena. Atahoran'i Fatou Wurie ny hisian'ny fiantraikany ratsy be amin'ireo Afrikàna ho mpikaroka any aoriana. Mbola teo amin'ny fandraisampeon'ny BBC Afrique hatrany, hoy izy:
Tena naharary iny. Tsy ho ahy ihany, fa ho an'ireo izay mila izany. Efa tery ho an'ireo Afrikàna mianatra ny varavaran'ny fampianarana eran'izao tontolo izao. Rehefa mikatona izy ireny, milaza amintsika izany fa misy fepetra ny fanatrehantsika.
Eo am-piandrasana ny fanafoanana io fampiatoana io, na ny fanamafisana azy ao amin'ny tany amerikàna, tohizan'ny Anjerimanontolo Havard ny manohitra ny fanapahankevitr'i Trump. Tamin'ny Aprily 2025, nilaza ilay anjerimanontolo fa tsy hanaraka ireo fitakian'ny fitantanan'i Trump. Nanomboka teo, nampiditra dingana ara-pitsaràna ny tao Harvard hanoherana ilay fanapahankevitry ny manampahefana amerikàna. Ny ramatoa iray mpitsara aza dia niteny nanome rariny azy tamin'ny fibahanana ilay didim-pitondrana momba ny fisoratana anarana nataon'ny filoha amerikàna.
Ankoatra io fandraràna io, izay miantraika mivantana amin'ireo mpianatra, dia vao avy navoakan'i Trump ny antontan-taratasy iray mandràra ny fandehanana mankany Etazonia ho ana firenena roambinifolo, ka firenena afrikàna ny fito amin'izany: Tchad, Congo-Brazzaville, Ginea Ekoatôrialy, Eritrea, Libia, Sômalia, Sodàna. Fandraràna amin'ny ampahany ho ana firenena fito hafa, anisan'izany i Borondi, Sierra Leone, ary Tôgô.