
Uk Mao. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube navoakan'ny RFA Khmer. Fampiasana ara-drariny
Nosamborina tamin'ny 16 Mey i Uk Mao, Kambojiana mpanao gazety, noho ny tatitra nataony momba ny fandripahana ala sy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ao amin'ny toeram-piarovana bibidia antsoina hoe Prey Lang [mg] ao Kambodza ary nahazo fahafahana vonjimaika rehefa nandoa solon-keloka sivy andro taty aoriana. Nomelohin'ny vondron'ny fiarahamonim-pirenena, ny kiadin'ny fampahalalam-baovao, eny fa na dia ny solontena manokan'ny Firenena Mikambana aza, izay nilaza fa efa nanao lamina maty paika ny governemanta Kambojiana amin'ny fanenjehana sy fikendrena ireo mpanao gazety sy mpikatroky ny tontolo iainana izay mitsikera ny fanjakana.
Tsy vao sambany i Mao no niatrika fanenjehana noho ny fampiharihariana ny andraikitry ny manampahefana ao an-toerana amin'ny famotehana ny tontolo iainana. Tamin'ny taona 2024, maro ny fiampangana azy rehefa nanompy ny Mongabay, tranokalam-baovao momba ny tontolo iainana, izy tamin'ny famoahana lahatsoratra mamaky bantsilana momba ny fiantraikan'ny fitrandrahana ao an-toerana. Mampihomehy fa fitrandrahana tsy ara-dalàna no iampangana an'i Mao na dia nampiharihary ny fandripahana ala tany amin'ny faritr'i Phnom Chum Rok Sat aza ny angom-baovaony. Nizara ny heviny momba ny fiampangana azy i Mao nandritra ny antsafa nifanaovany tamin'i Mongabay.
It is just a pretext to arrest me. They are angry at me because I covered the news in the community forest of Phnom Chum Rok Sat that affects the high-ranking officials, so the court accused me of clearing forest because I have talked a lot about deforestation.
Fika isamborana ahy fotsiny. Tezitra tamiko ry zareo satria notantaraiko ny vaovao tao amin'ny alan'ny vondrom-piarahamonina Phnom Chum Rok Sat izay maha-voaroiroy tompon'andraikitra ambony, ka ampangain'ny fitsarana aho ho mandripaka ala satria efa imbetsaka aho niresaka fandripahana ala aho.
Voarakitra an-dahatsary navoakan'ny Intriplus News, izay iasany amin'ny maha-mpandray anjara azy amin'ny fanangonam-baovao ny fanorisorenana farany natao tamin'i Mao. Nametraka fitarainana tany amin'ny polisy i Mao, saingy voarainy fa efa nisy ny fitoriana azy. Fiampangana azy ho nandrisika hanao heloka bevava sy hanala baraka ampahibemaso no voasoratra amin'ny didy fampisamborana azy, saingy mbola misy raharaha 14 hafa miandry azy ihany koa. Tao amin'ny fanambaràna iray niraisana no nilazan'ireo vondrona fiarahamonim-pirenena fa taratry ny “fanararaotana ny rafi-pitsarana hampanginana ireo tatitra ara-tontolo iainana fanaony” ny fiampangana an'i Mao. Nitohy ny fanambaràna :
The levying of numerous cases, each carrying significant prison sentences and fines, must be viewed as a concerted effort to present an insurmountable legal and financial challenge for Uk Mao, with the aim of making it impossible for him to continue reporting on environmental crimes.
Tsy maintsy raisina ho kononkonina niraisana mba hametrahana fanamby ara-pitsarana sy ara-bola tsy azon'i Uk Mao ihoarana ireo raharaham-panenjehana maro, izay samy ahitana sazy an-tranomaizina sy lamandy mavesabesatra tsirairay avy, mba tsy ahafahany manohy mitatitra resaka heloka bevava momba ny tontolo iainana intsony.
Ho setrin'ny fanambaràn'ireo mpiaro ny zon'olombelona, nilaza tamin'i Mongabay ny mpitondratenin'ny governemantam-paritanin'i Stung Treng ao Kambodza nandritra ny antsafa an-telefônina fa tsy misy mpanao gazety miatrika antsojay ao amin'ny faritra misy azy ireo.
So far there is no journalist or environmental activist have been arrested in Stung Treng. There are only people who violate the law.
Hatramin'izao aloha tsy mbola nisy mpanao gazety na mpikatroka ara-tontolo iainana voasambotra tao Stung Treng. Mpandika lalàna ihany ireo olona nosamborina.
Nandà tsy hanaiky an'i Mao ho mpanao gazety ihany koa ny ministeran'ny governemanta iray, sady niampanga ireo vondrona media ho manaparitaka sary ratsy momba an'i Kambodza.
Uk Mao has taken refuge under the label of journalist to engage in activities that serve other purposes […] they are not the true exercise under Cambodia's Press Law.
All the offenses that [he] was accused of are related to his personal matters. They do not relate to the professional journalism framework.
Nialokaloka ho mpanao gazety i Uk Mao mba hanaovana hetsika manantanjona hafa […] izay tena tsy misy idiran'ny Lalànan'ny Asa Fanaovan-gazety eto Kambodza.
Mifandraika amin'ny zavatra manokana ataony ny fandikan-dalàna rehetra iampangana azy. Tsy mifandraika amin'ny asa fanaovan-gazety matihanina.
Niaro ny tati-baovaon'ny media ao an-toerana mitsikera i Nop Vy, tale mpanatanteraka ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety Kambôjiana. “Tsy misy tombotsoa ara-politika ho anay amin'ity raharaha ity; fiarovana ny tombontsoam-pirenena sy ny tombontsoam-bahoaka no antony.”
Nanampy Yin Mengly avy ao amin'ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona Adhoc fa misy dikany ara-tsosialy ny tati-baovao nataon'i Mao.
Organizations and association have fulfilled many roles with the government, but we have not received recognition from ministries and departments. Instead, we are often accused of serving political interests and foreign interests.
The reason we claim it is a social issue is because of the statements and photos he posted showing activities related to forest issues. This is a concern for all citizens who fear losing these forests.
Efa maro ny andraikitra efa vitan’ireo karazam-pikambanana niarahana tamin'ny governemanta, saingy tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny minisitera sy ny sampan-draharaha. Matetika kosa izahay no ampangaina ho miasa amin'ny tombotsoa ara-politika sy tombontsoan'ny any ivelany.
Ny antony ilazanay fa olana ara-piarahamonina izy ity dia noho ireo fanambaràna sy sary navoakany mampiseho hetsika mifandraika amin'ny olana ao an'ala. Mampanahy izay olompirenena rehetra matahotra ny ho very ala izy ity.
Niharatsy [mg] tao anatin'ny taona vitsivitsy ny habaka mahaolompirenena ao Kambodza, eny fa na dia tonga teo fitondrana tamin'ny taona 2023 aza ny governemanta vaovao. Samborina ary ampangaina tamin'ny raharaha noforonina noho ny fitadiavan-tamberin'andraikitra ireo mpiaro ny zon'ny tany sy ireo mpiaro ny tontolo iainana. Ohatra, maro amin'ireo mpikatroky ny Neny Natiora no voatazona [mg] amin'izao fotoana izao noho ny nandraketan-dry zareo ireo hetsika fandotoana sy ny fanasongadinana ny fanoheran'ny mponina ao an-toerana.