Tamin'ny 10 Jona, nolanian'ny parlemanta rosiàna ny lalàna iray hamoronana fampiasa iray fandefasana hafatra “afaka mampiasa ireo tolotra avy amin'ny fanjakàna”. Ao anatin'ny lalàna, ny tena famaritana marina an'ilay fampiasa dia manondro hoe nosoratana izy io mba handraisana fampiasa iray antsoina hoe Max, novokarin'ny VK, ilay tambajotra sôsialy rosiàna lehibe indrindra.
Araka ny tatitry ny fampahalalambaovao tsy miankina rosiàna, Meduza, tamin'ny 4 Jona, nambaran'i Maksut Shadayev, minisitra misahana ny fampandrosoana nomerika, fa ny VK dia efa naharafitra sahady “Messenger rosiàna manontolo,” azo ampitahaina – ary mety mihoatra lavitra aza – amin'ny fahafahana ara-teknika ananan'ireo fampiasa vahiny.
Ny Douma-mpanjakana, tranonkala ôfisialin'ny parlemanta rosiàna, dia nanamarika fa ho azon'ireo mpampiasa atao ny mampiasa mivantana ny sonia nomerikan-dry zareo ao anatin'ilay fampiasa raha hanao sonia antontan-kevitra, ary koa mampiasa azy hanamarinana ny torohay, toy ny maripamantarana an-dry zareo, ny taonany, ny zony hahazo tolotra sôsialy, ny diplaoman-dry zareo. Araka izany, ny tanjona dia ny hanolo ireo antontan-taratasy sasany.
“Miaraka amin'io fampiasa io,” hoy ny nohazavain'i Sergey Boyarsky, filohan'ny vaomiera parlemantera momba ny pôlitikan'ny filazambaovao, “ho azonao atao ny manamafy, tsy ilàna mampiseho antontan-taratasy akory, ny taonanao eny amin'ireo fandoavambolan'ireo toeram-pivarotana goavana (supermarket) na misoratra eny amin'ny trano fandraisambahiny aza.” Ankoatra izay, ny “tolotra rehetra ho an'ny fanabeazana sy ireo “chats” amin'izao fotoana izao, ampiasain'ireo toeram-pampianarana amin'ny sehatra rehetra ”, dia ho afindra avokoa ho any amin'ilay fandefasana hafatra nasiônaly.
Amin'izao fotoana izao, ny fanamby tena goavana amin'ny fibahanana ny WhatsApp sy Telegram, ireo hany sisa fampiasa tandrefana fandefasana hafatra mbola mahazo alàlana ao Rosia, dia ny hoe ampiasain'ny ankamaroan'ny vahoaka izy ireo amin'ny fifandraisana andavanandro, amin'ny alalan'ny zavatra toy ireo vondrona WhatsApp ana sekoly sy “chats”-mpianakaviana ao amin'ny Telegram. Na izany aza, takiana amin'ireo sekoly ankehitriny ny hampiasàny ilay fampiasa vaovao fandefasana hafatra, ary ny fampidirana azy io ho ao anatin'ireo sampan-draharaham-panjakana dia tokony hanosika mpampiasa marobe hikisaka tanteraka, na faharafakeliny hametraka ilay fampiasa vaovao hilahatra amin'ireo sehatra fandefasana hafatra efa misy ao amin-dry zareo.
Tao anaty antsafa iray nifanaovana tamin'ny TV Rain, fampahalalambaovao mpanohitra, nilaza i Mikhail Klimarev, lehiben'ny ONG Internet Protection Society, fa ny Telegram no mety ho lohalaharana ao anatin'ny lisitr'ireo fampiasa hosakanana, nampiany hoe ny hany fanontaniana dia ny hahafantarana raha toa ka ho voasakana tanteraka avy hatrany izy, na handeha tsikelikely.
Ny Max dia mitovy amin'ny WeChat ao Shina, noho izy fitambaran'ny fampiasa fandefasana hafatra, tambajotra sôsialy, milina fikarohana, ary rafitra fandoavana vola ahafahan'ireo mpampiasa manafatra sakafo, mamandrika tapakila ary maka fotoana amin'ny mpitsabo. Kanefa, ny WeChat dia imbetsaka nampangaina ho manao sivana sy mitsikilo.
Araka ny voalazan'ny Meduza, marobe ireo Rosiàna mpampiasa tambajotra sôsialy no mino hoe zotra mitovy ihany no hizoran'ilay dika rosiàna, indrindra fa ny VK dia efa hatry ny ela sy an-tsitrapo no niaraka niasa tamin'ireo manampahefana rosiàna.