Nosamborina tamin'ny 6 jona 2025 ary voampanga ho niray tsikombakomba tamin'ny vahiny i Joshua Wong, mpikatroka malaza ao Hong Kong, raha mbola teo am-panefana sazy noho ny firaisana teti-dratsy hanongana ny fanjakana noho ny fandraisany anjara tamin'ny savaranonandom-pifidianana Vaomieran'ny Mpanao Lalàna tamin'ny taona 2021 izay nahemotra.
Nandany 1.600 andro mahery tany am-ponja i Wong nanomboka ny 23 Novambra 2020, rehefa notanana am-ponja vonjimaika noho ny fikarakarana fivoriana tsy nahazoana alalana manohitra ny herisetran'ny polisy nandritra ny hetsi-panoherana mpomba ny demokrasia taona 2019. Raha mbola tany am-ponja izy dia niatrika fiampangana hafa sy sazy an-tranomaizina noho ny fandikana ny lalàna manohitra ny saron-tava nandritra ny fihetsiketsehan'ny taona 2019, tamin’ny fandraisany anjara tamin'ny fivoriambe tsy ara-dalàna tamin'ny tsingerintaonan'ny vono olona tao amin'ny Kianjan'i Tiananmen taona 2020, ary voampanga tamin’ny fanakorontanana noho ny fikarakarana fifidianana savaranonando nifanaovan'ireo samy mpanohana ny demokrasia miisa 46. Amin'ny fiandohan'ny taona 2027 i Wong no antenaina hivoaka.
Talohan'ny fitsingerenan’ny taona fahenin’ny hetsi-panoherana manohana ny demokrasia 2019 anefa, nosamborina tao amin'ny fonjan'i Stanley ao Hong Kong i Wang ary nentina tany amin'ny Fitsarana Kowloon Andrefana tamin'ny 6 Jona 2025.
Araka ny taratasy fiampangana, voampanga ho niray tsikombakomba tamin'ilay mpikatroka natao sesitany Nathan Law sy “olon-kafa tsy fantatra” izy teo anelanelan'ny 1 Jolay sy 23 Novambra 2020, mba hangataka amin'ireo firenena vahiny, fikambanana, na olon-tsotra monina any ampitan-dranomasina hametraka sazy, fanakanana, na hanao hetsika fankahalana hafa an'i Hong Kong na Shina. Voampanga ihany koa izy ho niray tsikombakomba nangataka fahefana na fikambanana vahiny hanakorontana tanteraka ny famolavolana sy fampiharana ny lalàna sy ny politika an'i Hong Kong sy i Shina.
Mety hahazo sazy mandra-pahafaty faratampony i Wong, ary ny 8 aogositra 2025 no hotsaraina manaraka ny raharaha.
Nampidirina tao Hong Kong tamin'ny alàlan'ny Lalàna momba ny Fiarovam-pirenena (NSL) napetrak'i Beijing tamin'ny 30 Jona 2020 ny heloka bevava amin'ny firaisana tsikombakomba amin'ny vahiny, arahina fanakorontanam-panjakana, fampihorohoroana ary fisintahana.
Na dia iray amin'ireo olo-malaza nanentana ny governemantan'i Etazonia hametraka sazy ho an'ireo manampahefana ao Hong Kong izay tompon'andraikitra tamin'ny famoretana feno herisetra tamin'ny fihetsiketsehana tamin'ny taona 2019 tamin’ny fiandohan'ny taona 2020 aza i Wong, dia tsy azo hiverenana ny Lalàna nampiharina taty aoriana. Tamin'ny andro nandaniana izany, nanambara ny fialany i Wong niaraka tamin'i Agnes Chow sy Nathan Law tsy ho amin'ny Demosistō, vondrona politika naorin'izy ireo intsony. Fotoana fohy taorian'ny fametraham-pialàn'izy ireo, nanambara ny fampiatoana ny asany rehetra ihany koa i Demosistō. Roa andro taty aoriana, tamin'ny 2 Jolay 2020, nanambara i Nathan Law fa nandao an'i Hong Kong izy.
Nijanona ho mavitrika tamin'ny fandrisihana ny governemanta vahiny hanohitra ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona tao Hong Kong i Nathan Law. Voampanga ho nandrisika ny fisaraham-bazana sy ny firaisana tsikombakomba tamin’ny vahiny izy, ary isan’ny lisitr’ireo olona miisa 19 tadiavin’ny polisy ao Hong Kong.
Famantarana mampiahiahy ny fisamborana an'i Wong amin'ny fiharatsian'ny fepetra momba ny zon'olombelona ao Hong Kong sy ny fanoloran-tena amin'ny fanjakana tan-dalàna. Nanoratra tao amin'ny X i Sophie Richardson, mpikaroka menavazana momba ny zon'olombelona:
It’s now disturbingly easy to see that #HongKong authorities will continue to make up laws and purported violations of those to keep #JoshuaWong and other pro-democracy voices in jail for as long as suits #China #XiJinping. https://t.co/9NUszbN1Om
— Sophie Richardson (@SophieDRich) June 6, 2025
Tena mampiahiahy ny mahita ankehitriny fa ny manam-pahefana ao #HongKong dia hanohy hamorona lalàna ary hilaza fa fanitsakitsahana izany mba hitànana an’i #JoshuaWong sy ireo feo hafa manohana ny demokrasia any am-ponja mandritra ny fotoana maharitra #Shina #XiJinping.
Nihevitra i Sarah Brooks, talen'ny Amnesty International ao Shina fa natao hampisy fiantraikany mampihorohoro eo amin'ny fiarahamonim-pirenena ny fanenjehana:
Hong Kong’s National Security Law is turning five years old at the end of the month, and these new charges against Joshua Wong show that its capacity to be used by the Hong Kong authorities to threaten human rights in the city is as potent and present as ever… This latest charge against him underscores the authorities’ fear of prominent dissidents and shows the lengths they will go to keep them behind bars for as long as possible — in so doing, continuing a chilling effect on civic activism in the city.
Feno dimy taona amin'ny faran'ny volana ny Lalàn'ny Fiarovam-pirenena ao Hong Kong, ary mampiseho ireo fiampangana vaovao natao an'i Joshua Wong ireo fa ny fahafahan’ny manampahefana ao Hong Kong mampiasa izany handrahona ny zon'olombelona ao an-tanàndehibe dia mahery sy mbola misy toy ny hatramin'izay… Manasongadina ny tahotry ny manam-pahefana an'ireo mpanohitra malaza ity fiampangana farany azy ity ary mampiseho ny faharetam-potoana lava araka izay azo atao hitazoman-dry zareo azy ireo any am-ponja – amin'ny fanaovana izany, mitohy mampihorohoro ny fikatrohana sivily ao an-tanàndehibe.
Araka ny tatitra, hitsidika an'i Hong Kong amin'ny tsingerintaona fahadimy nametrahana ny lalàna NSL ny Talen'ny Biraon'ny Raharaha ao Hong Kong sy Macao, Xia Baolong.