
Ny tsena lehibe ao Niamey (renivohitr'i Nizera) ; pikantsary avy ao amin'ny fantsona YouTube an'ny Sky Travel
Ao Nizera, tamin'ny Martsa 2025 teo dia verin'ny fiteny frantsay ny sata noterena haha-fiteny ôfisialy azy hatrany amin'ny vanimpotoana fanjanahantany, novaina ho ny fiteny “haoussa” izay ifampiresahan'ny antsasaky ny vahoaka. Tsy dia lanin'ny vavonin'ny vahoaka ao Nizera loatra io fanapahankevitra io, ao anatin'ny fihenjanana diplaomatika misy aminy sy Frantsa.
Ny 17 Marsta 2025, nanambara ny fisintahany tsy ho isan'ny ao anatin'ny Organisation Internationale de la Francophonie (OIF) ny Repoblikan'i Nizera sy Borkina Fasô. Ny ampitson'io fanambaràna io, ny 18 Martsa 2025, nanaraka ny dian'ireo firenena roa hafa i Mali. Nizera sy Mali izay samy mpikambana mpanorina ilay fikambanana, araka izany dia vely kanonta iray hafa ho an'io andrimpanjakana iraisampirenana nisy azy ireo io ny fisintahan'ireo firenena telo ireo mitambatra mandrafitra rahateo koa ny Alliance des États du Sahel (Fikambanana'ireo Firenena ao Sahel).
Tao amin'ny tambajotra X, ny Conseil National pour la Sauvegarde de la Patrie (Filankevitra Nasiônaly ho Fitandroana ny Tanindrazana) ao Nizera (rantsam-pitantanan'ireo andrimpanjakana hatramin'ny nisian'ilay fanonganam-panjakana tamin'ny 26 Jolay 2023), dia namoaka tao amin'ny kaontiny hoe:
🔴Retrait du Niger de l'Organisation Internationale de la Francophonie pic.twitter.com/yrX9vAeN0Y
— Conseil National pour la Sauvegarde de la Patrie (@NIGER_CNSP) March 17, 2025
Fisintahan'i Nizera amin'ny Organisation Internationale de la Francophonie pic.twitter.com/yrX9vAeN0Y
— Conseil National pour la Sauvegarde de la Patrie (@NIGER_CNSP) 17 Martsa 2025
Andro vitsy taorian'io fanambaràna io, nandray fanapahana iray hafa ireo manampahefana miaramila tao Nizera hanapaka ireo fifamatorana amin'i Frantsa: ny fampidinana ny fiteny frantsay ho amin'ny laharan'ny fiteny entina miasa. Nanomboka teo, ny “haoussa” no nakarina ho fiteny ôfisialy. Ao amin'ilay firenena, 13% amin'ny vahoaka no mampiasa ny fiteny frantsay.
Fisarahana amin'ny lovan'ny mpanjanatany
Raha misy iraika ambinifolo ireo fiteny avy ao an-toerana manana ny sata maha-fiteny nasiônaly azy ao amin'ilay firenena, 47% amin'ireo ao Nizera no miteny ny fiteny “haoussa”, efa ho ny antsasak'ireo vahoaka maherin'ny 27 tapitrisa amin'ireo mponina ao. Io zavamisy io dia manamarina ny fanandratana io fiteny io ho amin'ny laharana maha-fiteny ôfisialy azy hoy i Ismaël, tanora mpianatra ao amin'ny Anjerimanontolo Abdou Moumouni ao Niamey, renivohitry ny firenena. Raha nitafàn'ny Global Voices tao amin'ny Whatsapp, hoy izy manazava:
Tsy afaka hiverina hiady hevitra momba io fanapahakevitry ny manampahefana io aho. Manana fiteny marobe ifampiresahana izahay eto amin'ny firenenay, saingy sata maha-fiteny nasiônaly fotsiny no ananan'izy ireny, nefa dia manana mpiteny marobe izy ireny raha mitaha amin'ny frantsay. Ankoatra izay, io fitenin'ny mpanjanaka io dia tsy misy afa-tsy latsaky ny 15% amin'ny vahoaka ao Nizera no miteny azy. Fankatoavana ny fiteny “haoussa” io, izay ifampiresahana sy azon'ny olona marobe ato amin'ny firenena.
Ho an'i Ibrahima Amadou [anarana nindramina], mbola nitafàna ihany koa tao amin'ny WhatsApp, io fanapahankevitra io dia tafiditra amin'ny fanalavàna ny fanamafisana ny fiandrianam-pirenena ataon'ireo vaovao mitarika ny firenena. Ho azy, ireto farany dia nanolo tena hiditra anaty dingan'ny fiandrianam-pirenena tanteraka ho an'ilay firenena, ary araka izany dia mandray izay fanapahana hanamarinana ny zavatra ataon-dry zareo.
Tokony raisina amin'ny ambaratonga rehetra ny fotokevitry ny fiandrianam-pirenena. Tsy azon-dry zareo atao ny miampanga ireo fomba fanaon'ny mpanjanaka dia hitazona ny fiteny frantsay, fiteny iray an'ny mpanjanaka noterena ho ampiasainay, ho toy ny fiteny nasiônaly. Rariny ny fanomezana ho an'ny fiteny “haoussa” ny sata maha-fiteny ôfisialy azy.
Tao amin'ny tambajotra X, kaonty iray amin'ny anarana African Stream no miarahaba sy manohana io fanapahankevitr'i Nizera io:
NIGER SAYS ‘GOODBYE FRENCH,
HELLO HAUSA!’Niger has broken free from another colonial chain – the French language – by adopting Hausa as the country’s new national idiom. Hausa is indigenous to, and widely spoken in, West Africa. Along with fellow Alliance of Sahel States. members Burkina Faso and Mali, Niger also recently ditched the body representing La Francophonie – i.e., the ‘French speaking’ world (or rather, those parts of the world that had French imposed on them by colonial France). Hausa is one of the most commonly spoken African languages. More Nigerians speak Hausa than French. In 2012, only 20% of Nigerians were literate in French. Switching to Hausa is a powerful affirmation of African heritage, identity and sovereignty. pic.twitter.com/hHCiZipnOk
— African Stream (@african_stream) April 10, 2025
HOY I NIZERA « VELOMA RY FITENY FRANTSAY », ARAHABA RY HAOUSSA ! Afaka tamina gejam-panjanahana iray hafa i Nizera – ny fiteny frantsay – tamin'ny nanekeny ny fiteny “haoussa” ho toy ny fomba fiteny nasiônaly vaovao. Ny ” haoussa” dia fiteny teratany ary ampiasaina be ao Afrika Andrefana. Toa an'i Borkina Fasô sy Mali, mpikambana ao amin'ny Alliance des États du Sahel, nilaozan'i Nizera tsy ela akory izao ilay fikambanana misolo tena ny Frankôfônia – izany hoe ny tontolon'ny tany mampiasa sy miteny frantsay (na ny marina kokoa, ireo faritra eto an-tany noteren'i Frantsa mpanjanaka hampiasa ny fiteny frantsay). Iray amin'ireo fiteny afrikàna be mpiteny indrindra ny “haoussa”. Ry zareo ao Nizera no marobe indrindra mampiasa ny fiteny “houssa” fa tsy ny fiteny frantsay. Tamin'ny 2012, 20 % tamin'ny olona ao Nizera no nahay namaky sy nanoratra ny teny frantsay. Ny fikisahana ho amin'ny “haoussa” dia fanamafisana mahery vaika ny lova, ny maripamantarana ary ny fiandrianana afrikàna.
— African Stream (@african_stream) 10 Aprily 2025
Vely kanonta ho an'ny fampianarana
Anatin'ny rafi-pampianarana ao Nizera, ny frantsay hatrany no fiteny fototra nentina nampianatra, na dia namporisihana aza ny fampianarana amin'ireo fiteny nasiônaly hatrany amin'ny fahazazàna.
Tamin'ny 2018, noho ny fitomboan'ny fandaozana sekoly teny anivon'ny ankamaroan'ny ankizy sy ny tanora, safidy noraisin'ny fanjakana ny hanamafy ny fampianarana amin'ny fiteny avy eo an-toerana, araka ny lazain'ity lahatsoratry ny gazety LeMonde ity. Raha nitafàna tamin'ny Febroary 2018, nanamafy tamin'ny gazety LeMonde i Rabiou Rachida, ramatoa mpampianatra voafehina fifanarahana asa ho an'ny kilasy CIB (taona voalohany ho an'ny ambaratonga fototra), fa :
Amin'ny fiteny zarma [fiteny faharoa be mpiteny indrindra ao Nizera, misy 18% no mampiasa azy], mora mahazo kokoa ny ankizy ary malaky raha ampitahaina amin'ny fiteny frantsay.
Ity fanambaràn'ilay ramatoa mpampianatra ity dia manamafy ny lanjan'ny fampianarana amin'ireo fiteny avy eo an-toerana, tohankevitra noraisin'ireo manampahefana miaramila eo amin'ny fitondràna ao Nizera amin'izao fotoana izao.
Nefa inoan'i Affiz Ousmane, mpianatra ao amin'ny Anjerimanontolo Dan Dicko Dankoulodo ao Maradi (UDDM) ao an-tanànan'i Maradi (faritra afovoan'ny firenena) nifampiresaka tamin'ny Global Voices, fa ilay fanovàna nalaky be ny satan'ny fiteny frantsay dia mety hisy fiantraikany ratsy amin'ny rafi-pampianarana:
Tampoka ny fanovàna, mahery setra ary ny fampianarana no hitaty ny vokany. Tamin'ny fiteny frantsay hatrany ny rafi-pampianarana teto aminay, indrindra fa ny ambaratonga ambony. Tsy maintsy hiverina handamina hatrany ifotony mba tsy hisy ho tra-pahavoazana.
Manantena fatratra aho mba tsy ho toy ny nanapahan'ireo manampahefana miaramila ny fifandraisana tamin'i Frantsa sy ireo andrimpanjakana iraisampirenena nisy antsika no hanaovana io fanovàna io.
Hatramin'ilay fanonganam-panjakana tamin'ny 26 Jolay 2023, mazava fa hita niteraka fiovàna lalina teny anivon'ny fiarahamonina ao Nizera ny fiharatsian'ny fifandraisan'i Nizera sy Frantsa. Tamin'ny Ôktôbra 2024 sahady, nirosoan'ireo manampahefana miaramila ny fanesorana ireo anarana frantsay teny amin'ireo toerana natao ho an'ny daholobe, tamin'ny fanomezanana anarana vaovao ireo lalambe migodana, tsangambato sy toerana hafa nisy anaran'olona ka lasa tena avy ao Nizera fotsiny.