Tandindonin-doza mialoha ny fifidianana monisipaly ny lahatahirin'ny Libaney mpifidy

Pikantsary avy amin'ny video YouTube “‘revolisiona vatam-pifidianana’: manatontosa fifidianana parlemantera i Libanona” avy amin'ny Al Jazeera English. Fampiasana ara-drariny.

Navoaka ny 24 Febroary 2025 tao amin'ny SMEX ity lahatsoratr‘i Abed Kataya ity. Navoaka indray ato amin'ny Global Voices ny endrika voahitsy ho ampaham-pifanarahana fifampizaràna votoaty.

Tokony hanao ny fifidianana kaominaly voalohany tao anatin'ny sivy taona i Libanona ny 4 ka hatramin'ny 25 Mey, nanao fanentanana handrisihana ny mpifidy hanamarina ny torohainy manokana anjotra izay nanomboka ny 1 marsa 2025 ny Fitaleavana Jeneralin'ny Sata Sivily (DGCS) ao amin'ny firenena.

Araka ny lalàm-pifidianana monisipaly sy parlemantera Libaney, tsy maintsy mampiseho ampahibemaso ny anaran'ny mpifidy, ny anaran'ny ray aman-dreny, ny laharam-pisoratana anarana, lahy sa vavy, ny daty nahaterahana, ary ny fivavahany ireo lisitra ireo mba hahazoana antoka ny fahamarinan'ny fanondroana. Afa-manamarina ny rakitra anjotra ny mpifidy amin'ny alalan'ny laharan'ny karapanondrom-pireneny.

Ahafahan'ny olona rehetra miditra sy mampiasa azy tsy araka ny izy ny fampiharihariana ny lisitry ny mpifidy sy ny antsipirian'ny mombamomba azy  manokana anjotra, araka ny hita vao haingana tamin'ny ady ao Libanona, na tamin'ny fanafihana israeliana tamin'ny alalan'ny bipeur na fandrahonana antso an-telefônina sy ireo ohatra hafa amin'ny ady ankihy. Mampanahy ihany koa ny ahafahan'ny mpiserasera mahita ny mpifidy rehetra ao amin'ny fizaram-paritra iray amin'ny alàlan'ny fisafidianana fari-pifidianana, vohitra, mpiara-monina, lahy sa vavy, fivavahana ary laharan'ny rejisitra sivily.

Rehefa mampiditra ireo antsipiriany ireo ianao, dia asehon'ny sehatra ny mombamomba anao sy ny havanao hafa na mitovitovy rakitra an-tsoratra aminao. Mampanahy izay amin'ny fiainana an-takonana noho izy mety hisy fanodinkodinana, izay mety hampiharihary ny havana any amin'ny iray faritra manokana, hampiseho lahatahirin'ny tena manokana, ary ahafahana manao hetsika ivelan'ny lalàna. Azo trandrahana ho amin'ny tanjona ratsy ny mombamomba anao manokana, anatin'izany ny fanafihana voakendry, ny fanorisorenana ary ny fanavakavahana.

Manasongadina ny filàna hiarovana ny lahatahirin'olom-pirenena amin'ny fiporitsahana sy ny fanodinkodinana ny fampiasana amin'ny fomba ratsy ny angon-drakitra nandritra ny ady farany sy ny tantaran'ny angon-drakitra tafaporitsaka tao Libanona rehefa natao ankihy (digitization) ny mombamomba anao manokana. Ireo zava-nitranga vao haingana tany Libanona rehetra ireo, anisan'izany ny fiporitsahan'ny lahatahirin'ny mpifidy any amin'ny masoivoho, ny angon-drakitra avy any an-tsekoly, ary ny fiverimberenan'ny  fiporitsahan'ny fanoratana ny fiara, dia samy manasongadina ny faharefoan'ny tontolon'ny fiarovana anjotra ao amin'ny firenena.

Manampy izany, efa nasehon'ny sampan-draharaham-panjakana fa tsy miaro tsara ny angon-drakitry ny mpisera ry zareo, ary malemy ny lasitrasa ara-pitsarana. Tsy ampy ny Lalànan'ny Fifanekena elektronika sy ny Lalànan'ny Lahatahirin-tena manokana ary tsy nahavita niaro araka ny tokony ho izy ny lahatahirin-tena manokana.

Mahasahana ny fiarovana ny lahatahiry manokana ny toko fahadimy amin'ny lalànan'ny e-Transactions. Didìn'ity lalàna ity ireo mpampiditra lahatahiry tsy maintsy mampahafantatra ny Minisiteran'ny Toekarena alohan'ny hikirakiràna angon-drakitr'olona manokana ary esoriny tsy hampahafantatra amin'ity fepetra ity (Andininy 94) ny manampahefana ara-panjakana. Fanampin'izany, tsy voafaritry ny lalàna mazava io “fampandrenesana” io ka avelany ho amin'ny sitrapon'ny Minisiteran'ny Toekarena izany.

Etsy andaniny, efa nisy hatramin’ny taona 2019 ny paikadim-piarovana an'habaka saingy tsy nampiharina ary efa lany andro.

Tsy manana politikam-piainana antakonana sy fifanarahana amin'ny serivisy ny sehatra DGCS, izay mahazo fanohanana ara-bola sy ara-teknika avy amin'ny Vondrona Eoropeana sy ny Fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (PNUD). Mahatonga ny mpisera tsy hahafantatra ny lahatahiry angonina momba azy ireo, sy ny fomba sy ny toerana fitehirizana azy, ary ny fepetram-piarovana nampiharina hiarovana io lahatahiry io mbamin'ny dingana atao raha misy ny fiporitsahana izany fanadinoana niniana izany .

Niezaka ny SMEX nanatona ny tale jeneralin'ny DGCS Elias Khoury, saingy tsy nahazo valiny.

Fomba fanao iraisam-pirenena

Na dia mamela ho hita ampahibemaso ny lahatahirin'ny mpifidy aza ny firenena toa an'i Etazonia sy ny Fanjakana Mitambatra (UK), dia tsy manao izany kosa ny hafa toa an'i Frantsa sy Alemaina.

Ny Vaomiera no mitantana ny Lalànan'ny fiarovana ny lahatahiry ao Frantsa amin'ny Kajimirindra sy ireo Fahafahana (CNIL), sampan-draharaha mahaleotena manara-maso ny lahatahirin-tena manokana. Ampian'ny lalàna “ireo matihanina hanatratra ny fanarahan-dalàna sy hanome vahana ny tsirairay hitantana ny lahatahiriny sy hampiasa ny zony.” Iantohany fa izay rehetra fampidirana lahatahiry manokana, anisan'izany ny torohainny mpifidy, dia ananan'ny tsirairay fototra ara-dalàna sy manome zo ny tsirairay hiditra, hanitsy ary hanohitra amin'ny fampiasana ny lahatahirin-dry zareo.

Ao Alemaina, ny Lalàna Federaly Fiarovana ny Lahatahiry no mameno ny GDPR  amin'ny alàlan'ny fanoritsoritana torolàlana hentitra ho fitantanana ny lahatahirin-tena manokana. Feran'ny lalàna ho an'ny olona nahazo alalana ihany no mahazo miditra amin'ny torohain'ny mpifidy .

Raha mampiasa an'i Frantsa izahay ho ohatra amin'ny fanamarinana anjotra ny mpifidy, dia afaka manamarina anjotra ny satam-pisoratany anarana ny olom-pirenena frantsay amin'ny alàlan'ny Service-Public.fr, tranonkala ofisialin'ny governemanta. Asehon'ity serivisy ity ireo monisipalite voasoratra anarana, ny toerana misy ny biraom-pifidianana, ny isan'ny mpifidy manerana ny firenena, ary ireo biraom-pifidianana akaiky azy. Tsy maintsy manamarina anao amin'ny alàlan'ny FranceConnect na ny kaontinao Service-public.fr ianao raha hampiasa an'ity serivisy anjotra ity, miantoka ny fiarovana sy ny tsiambaratelon'ny angon-drakitra manokana izany. Ampiasaina ny FranceConnect, sehatra maripanondroana ankihy, ho azo antoka ny fanamarinana any amin'ireo sampandraharaham-panjakana isankarazany.

Mampiasa fepetram-piarovana isan-karazany ny Service-Public.fr mba hiarovana ny torohain'ny mpiserasera. Voatahiry tsara amin'ny toerana notazonina ho tsiambaratelo ny lahatahiry manokana sy ny antontankevitra izay azon'ny mpiserasera idirana amin'ny alàlan'ny kaontiny. Manaraka ny foto-kevitry ny “fampihenana ho amin'ny lahatahiry kely indrindra” ny sehatra, manangona ny torohay tena ilaina ho an'ny tanjona voafaritra manokana, toy ny fitantanana (management) kaonty sy ny paikam-pomba fitantanam-panjakana (administrative). Fanampin'izany, voafetra ho an'ny olona nahazo alalana ny fidirana amin'ny lahatahirin-tena manokana ary arahimaso mba hiantohana ny tamberin'andraikitra sy ny fiarovana.

Fanavaozana nilaina

Manam-pahaizana maro sy fikambanam-piarahamonim-pirenena maro no niantso hanavaozana ny lalàna hanamafisana ny fiainana an-takonan'ny mpifidy ao Libanona. Mandrisika ny hanitsiana ny lalàm-pifidianana ry zareo hamerana ny habetsaky ny lahatahiry manokan'ny mpifidy hivandravandra ao amin'ny lisi-pifidianana, manol-kevitra fa izay torohay tena ilaina ihany no azon'ny rehetra jerena.

Nisy ihany koa ny tolo-kevitra hanoloana ny Toko Fahadimy amin'ny Lalàna mifehy ny fifanekena elektronika (ara-barotra) sy ny Lahatahirin-tena manokana amin'ny lalàna tokana natao hiarovana ny lahatahirin-tena manokana. Nandresy lahatra ireo mpitondrateny fa tokony samy ampiharina amin'ny sehatra tsy miankina sy amin'ny fanjakana ny lasitrasa vaovao eo amin'ny sehatry ny lalàna sady mba hiantohana kokoa ny fahamafisan'ny fiarovana amin'ny torohain'ny tena manokana izany.

Nentanina ireo tompon'andraikitra miahy ny fikirakirana lahatahirin'ny mpifidy hanatsara ny fomba fiarovana lahatahiry. Tafiditra anaty tolo-pepetra ny fanamafisana kokoa ny fiarovana ara-teknika, ny fanarahana hentitra ny arofenitra fiarovana ny lahatahiry, ary fanatsarana ny mangarahara sy ny tamberin'andraikitra amin'ny fitantanana ny torohain'ny tena manokana.

Fanampin'izany, antitranterin'ireo manam-pahaizana ny maha-zava-dehibe ny fanamafisana ny fotodrafitrasam-piarovana ny siniben-tserasera ao Libanona mba hisorohana izay mety ho fahavakisana rahatrizay sy hiantohana fa tsara antoka ny fitantanan'ny andrim-panjakana angon-drakitra saro-pady.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.