Tsy Satàna i Esu: Fanentanana Yoruba hanoherana ny fanavakavahana ara-pivavahana

Ireo mpandàla ny fivavahana nentim-paharazana Yoruba nandritra ny diabe “Tsy Satàna i Esu” tao Osogbo. Saripikan'i Iyanifa Egletunmise, nahazoana alalana.

Tamin'ny 24 Desambra, ireo mpandàla ny finoana nentim-paharazana Yoruba dia nidina an-dalambe tao Lagos renivohitr'i Nizeria, ao Osogbo, ary tany amin'ireo tanàndehibe manerana izao tontolo izao hanohitra ny hadisoana ara-tantara izay niteraka  fanavakavahana ara-pinoana nandritra ny taonjato maro. Hita teny an-dalambe ireo mpandàla ny nentin-drazana, nanao akanjo lava ary nitazona takelaka sy famantarana nahitana sora-baventy. Nandritra ny taonjato maro, irao mpandàla ny finoana avy tamin'i Abraham dia nampitovy ny andriamanitra Yoruba iray antsoina hoe Esu (antsoina koa hoe Eshu) amin'i Satàna, izay heveriny ho toy ny devoly hita vatana sy fahavalon'Andriamanitra ao amin'ny finoana Silamo, ny Kristianisma ary ny Jodaisma. Vondrom-poko iray manandanja ao Afrika andrefana ny Yoruba, ahitàna olona marobe any Nizerià, Benin sy Tôgô, ary any am-pielezana manerana ny tany. Maro ny olona Yoruba no manaraka ny fivavahana nentim-paharazana Yoruba.

Ireo mpandàla ny finoana nentim-paharazana ireo dia nandefa ny fampielezan-kevitra tamin'ny onjam-peo sy ny fahitalavitra nanerana an'i Nizeria ary nizara votoaty tamin'ny sehatry ny  fampahalalam-baovao sosialy tamin'ny tenifototra #TsyiSatanaiEsu mba hisarihana ny saina momba ilay diabe:

Ho any ve ianao? #TsySatànaEsu  #desambra24  africashrine pic.twitter.com/ch8JP6gbLl
— BABA AJISEFA (@ILE_AJISEFA) 1 Desambra 2024

Nisy lahateny ho an'ny daholobe natao tao Osogbo sy Lagos, Nizerià. Ny fanentanana dia natao ihany koa tany amin'ireo firenena toa an'i Meksika, Espaina, Etazonia ary faritra hafa misy Afrikanina am-pielezana izay misy marobe ireo mpandàla ny finoana nentim-paharazana Yoruba.

Ny fototry ny lesoka ara-tantara

Tamin'ny 1860, ny Eveka Samuel Ajayi Crowther, eveka afrikanina voalohany tao amin'ny Fiangonana Anglikanina, dia notendren'ny Fikambanan'ny Asa fitoriana Kristiana handika ny Baiboly Masina ho amin'ny fiteny Yoruba mba hahafahan'ny vahoaka Yoruba mamantatra ny filazantsara amin'ny fitenin-drazany.

Tena zava-dehibe ny asany, satria nila namorona endri-tsoratra ho ana fiteny iray izay tany aloha tsy nisy afa-tsy tamin'ny endrika am-bava ihany. Niasa nandritra ny androm-piainany ny eveka Crowther mba hampanara-penitra ny fiteny Yoruba sy ireo fiteny Afrikana hafa toy ny Nupe sy ny Igbo. Tsy ny fandikana ny Baiboly ihany no vitany ; nanambatra ny rakibolana Yoruba voalohany ihany koa izy ary namoaka ny boky fitsipi-pitenenana Yoruba tamin'ny taona 1843.

Raha nandika ny Baiboly i Crowther, dia nanao hadisoana izay nahatonga ny fanavakavahana ara-pivavahana nandritra ny taonjato maro. Esu no anarana nanondroany an'i Satàna. Io fanondrona io dia naneho ny andriamanitry ny Yoruba ho toy ny endriky ny ratsy, toa an'i Satàna. Tsy toy ny fivavahana Abrahamika, izay mametraka matetika ny ratsy sy ny tsara ho hery mifanohitra, fa ny tontolon'ny fivavahana Yoruba dia mahita azy ireo ho toy ny hery mifameno. Esu no andriamanitra miandraikitra ny fifehezana sy ny fandrindràna ireo hery eto an-tany. Ireo mpino Yorubas dia mino fa tsy tsara na ratsy tanteraka ny zavatra iray; ary ny zavatra tsara dia mety ho teraka avy amin'ny zavatra ratsy, ary ny zavatra ratsy mety ho tonga avy amin'ny trangan-javatra tsara.

Miady amin'ireo hevi-diso

Na dia 140 taona taorian'ny nivoahan'ny dikanteny manontolon'ny Baiboly Yoruba nataon'i Crowther aza, dia mbola miparitaka hatrany ny hevi-diso iheverana an'i Esu ho Satàna. Nampita io fitantaràna diso io ihany koa ireo kolontsaina malaza sy ny haino-vaky-jery. Rehefa nahita ny fiantraikany ratsy tamin'ny fivavahan-dry zareo,  dia nisy andiana mpandàla nentim-paharazana nanomboka fanentanana iray tamin'ny taona 2014 mba hanitsiana ilay lesoka amin'ny alàlan'ny fanondroana ny 24 Desambra ho andro iray hanabeazana ny vahoaka momba ny fivavahana sy ny kolontsaina Yoruba.

Namaly tanaty resaka WhatsApp niarahany tamin'ny Global Voices tamin'ny 28 Desambra 2024 i Akanbi Ifadola Afofun, izay mpandàla nentim-paharazana sy mpandraharaha monina ao Lagos, Nizerià,  nizara hevitra momba ireo hevi-diso mahakasika an'i ESU sy ny fanentanana #TsySatànaEsu.

Abdulrosheed Fadipe (AF): Ahoana ny fahatsapanao ny fanehoana an'i Esu eny anivon'ny kolontsaina malaza sy haino-vaky-jery?

Ifadola Afofun (IA): Mampalahelo ahy ireo vahoaka Yoruba  noho ilay fomba nanehoana an'i Esu teny anaty haino-vaky-jery. Ampahany amin'ny zavatra ataoko ny fanabeazana mavitrika ny olona momba ny maripamantarana sy ny maha-zava-dehibe an'i ESU mba hahafahan'izy ireo mahatakatra fa tsy mitovy amin'i Satàna i Esu. Esu no andriamanitra izay mitarika ny fidirana, ny fivoahana, ny sampanan-dàlana ary ny tsena ao anatin'ny tontolo Yoruba. Sady tsy ratsy no tsy tsara tanteraka no amaritana azy. Manasazy ireo izay mandika ny lalàna kosmika i Esu. Raha ny tena izy, heverina ho irak'i Orunmila izy, i Orisha izay nitondra ny tenin'i Olodumare ho an'izao tontolo izao. Ezahanay ny hampitsahatra ireo fiheverana diso momba an'i Esu eny anivon'ny haino-vaky-jery.

AF: Afaka mizara ny zavatra niainanao manokana tamin'ny hevi-diso momba an'i Esu ho toa an'i Satàna ve ianao?

IA: Rehefa niha-lehibe aho dia niatrika ireo hevi-diso momba an'i Esu noho ny fifangaroan'ny ara-panahy Yoruba amin'ny fotokevitra ara-pivavahana tandrefana. Matetika nampitoviana tamin'i Satana i Esu, tsy fahatakàrana izay nisy fiantraikany ratsy teo amin'ny fifandraisako tamin'io andriamanitra nohajaina fatratra io.

AF: Inona ireo tena inoanao momba ny anjara toeran'i ESU ao amin'ny kôsmôlôjia Yoruba? Inona no tsy itovian'i Esy amin'ny foto-kevitra momba an'i Satàna ao anatin'ny fivavahana Abrahamika?

IA: Tsy mpahairaha manokana momba ny Baiboly aho, fa raha mijery ny fomba namaritan'ny Baiboly an'i Satàna ho ilay miady foana amin'ny andriamanitr'i Abrahama, dia mino aho fa tsy misy zavatra itovizan'i Esu amin'ilay Satàna ao anatin'ny fivavahan'i Abrahama. Tsy miady fihamboniana amina fahefana ambony kokoa i Esu. Ny Esu-nay manokana dia ilay endrika izay mitazona ny lalàna sy ny firindràna ao anatin'ny tontolo kôsmika. Antsoinay hoe polisy i Esu. Fahadisoan'ny eveka Ajayi Crowther, ilay lehilahy nandika ny Baiboly ho amin'ny fiteny Yoruba, no nahatonga izany hevi-diso izany.

AF: Inona no nanentana anao handray anjara amin'ny fanentanana  #TsySatanaiEsu?

IA: Ny nanosika ahy handray anjara amin'ilay fanentanana dia ny fahatsapako fa tsy marina sy mamitaka ny betsaka amin'ny fandikàna ireo foto-kevitra Yoruba ho amin'ny fiteny anglisy. Ny zavatra iray hafa izay nanosika ahy dia ny filàna maika ny fitehirizana ny fiteny sy ny kolontsaina Yoruba. Ankoatra izay koa dia pretra Ifa aho, avy amin'ny taranaka mpanaraka an'i ESU.

AF: Ahoana no fiantraikan'ilay fanentanana tamin'ny fahitàna ny finoana sy ny kolontsaina Yoruba, na ao Nizeria na any am-pielezana?

IA: Nisy fiatraikany lehibe tamin'ny fivavahana sy ny kolontsaina Yoruba ny fanentanana #TsySatanaiEsu. Ohatra iray tsara amin'ny fiantraika miabon'ilay fanentanana ny fomba nanovàn'ny Google, ilay milina fikarohana be mpampiasa indrindra, ny fanehoana sy ny fandikana ny Esu. Tsy maintsy lazaiko ny anaran'i Oluwo Solagbade PoPoola, ilay lehilahy nanomboka ny fanentanana, folo taona lasa izay. Hatramin'ny niandohan'ny fanentanana, dia nisy fitomboana be ny isan'ireo olona niova nanaraka ny fivavahana nentim-paharazana Yoruba. Ny tenifototra #TsySatanaiEsu no tena nalaza indrindra tao amin'ny Twitter tamin'ny 24 Desambra. Marobe ny olona mikatsaka indray izay hifandraisany amin'ny loharano nipoirany. Ilay fanentanana dia nanokatra ihany koa ny mason'ireo mpandàla ny nentim-paharazana Yoruba momba ny maha-zava-dehibe ny fampiroboroboana ny finoany. 

AF: Inona avy ireo fanamby natrehanareo tamin'ny fampahafantarana ity olana ity?

IA: Tsy mora izany. Ny iray amin'ireo fanamby dia ny tsy fahampian'ny fanohanan'ny governemanta amin'ny fampidirana ny fampahalalana marina momba ny rafitra ara-pinoana Yoruba ho ao amin'ny fandaharam-pianarana. Nahafahan'ireo hevi-diso ho tafiditra tany amin'ireo taranaka tanora izany. Na fitaovana nanampy aza ny haino aman-jery sosialy, namahàna ny fototry ny olana, mbola mitoetra ho fanamby lehibe ny fandaharam-pianarana. Miasa amin'ny fanovàna ny fandaharam-pianarana izahay mba hanehoana tsara ny fahitàna ny tontolon'ny Yoruba. 

AF: Ahoana no iheveranao fa nisy fiantraikany tamin'ny fifampiresahana sy ny fifandeferana ara-pinoana ilay fanentanana?

IA: Lasa mandefitra kokoa amin'ireo mpandàla ny nentim-paharazana ny sasany amin'ireo mpanaraka ny finoan'i Abrahama. Natsahatry ny sasany amin'ireo mpitory ny fampitoviana an'i Satana amin'i Esu. Hitanay ny fitomboan'ny fomba fandraisan'ny olona ny kolontsaina Yoruba amin'ny alàlan'ny fampiasàn-dry zareo ilay fiteny sy ny fomba fitafiny. Haintsika fa tsy ho vita ovaina ao anatin'ny andro iray ny hevi-diso, fa mankàny tsikelikely isika.

Ity misy lahatsary iray misy an'ireo mpandàla ny nentim-paharazana nandritra ilay diabe an-tongotra tao Lagos.

Antenain'ireo mpandàla ny nentim-paharazana fa ity fanentanana ny daholobe ity dia hanampy amin'ny fampihenana ireo hevi-diso ary hitarika ny fifandeferana ara-pivavahana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.