‘Nofinofiko ny mba hahita ireo zaza tsy hatahotra intsony hampiasa ny fitenin'ireo razambeny’: Nehemias Chablé, mpikatroka mafana fo ho an'ny fiteny mayana

#IreoTantaraManaingaFanahy. Fantaro ireo mpikatroka 10 mampiasa ny media nomerika hanomezana hery sy hampiroboroboana ireo fiteny mayana ao Meksika.

 

Sary nalain'i Nehemias Chablé, nahazoana alàlana.

Fantaro ny momba ireo tantara manainga fanahy avy amin'ny iray amin'ireo voafantina nahazo ny Vatsimpianarana 2024 ho an'ny Fikatrohana Nomerika ho an'ny Fiteny Mayana karakarain'ny Rising Voices. Ao anatin'ity sombintantara manokana ity, zarain'ny mpanoratra amintsika ny traikefany amin'ny fikatrohana sy ny tetikasa ampiasainy hitadiavana izay hampiroboroboana ny fitenin-dreniny, ao anivon'ny vondrom-piarahamoniny sy eny anatin'ireo habaka nomerika.

Ampahany fototra amin'ny maha-izaho ahy ny fiteniko, rohy mampifandray ahy amin'ny tantaran'ny vahoakako izany. Lova sarobidy avy amin'ny ray aman-dreniko izay tiako hotehirizina sy ampitaiko amin'ireo zanako lahy, zanako vavy ary ireo taranaka ho avy. Harena sarobidy ahitana fahalalana, soatoavina, fomba amam-panao ary fomba tokana ahafahana mahita ny tontolo manodidina antsika.

Nehemias Chablé Hau no anarako, 30 taona aho, milaza tena ho Maya aho ary manolo-tena amin'ny fiarovana ny fiteny amin'ny alalan'ny fampiasana ny teknolojia nomerika. Avy any Tahdziu, Yucatán, Meksika aho, tanàna iray misy mponina maherin'ny 4.000 izay manokan-tena ho an'ny fambolena ny ankamaroan'ny olon-dehibe ary mivoaka miasa ivelan'ny fiarahamonina ny ankamaroan'ny tanora, amin'ny ankapobeny. Tanàna feno tantara sy angano izy io.

Tsy endrika fifandraisana amin'ny olona mahay ny fiteny mayana ihany ny fiteniko, fa mariky ny firaisankina ihany koa izay mamela anay hifandray amin'ny fomba tena izy, satria amin'ny alalan'izany no itazonanay ho velona ny fomban-drazanay, ny soatoavina, ny tantara ary, ambonin'izany rehetra izany, ny vondrom-piarahamoninay.

Fitaovana hanehoana ny fahaiza-mamorona ihany koa ny saikinosy mayana, izay ahafahanay mitatitra tantara, mizara fahalalana, izay eritreretinay ary anehoanay ny fihetsehamponay. Toy ny manonofy amin'ny feonay manokana izany.

Mbola kely aho dia efa nametraka fanontaniana foana hoe: Azo atao ve ny milona tanteraka amin'ny teny mayana amin'ny lafiny rehetra eo amin'ny fiainana, toy ny asa, ny fialamboly ary ny fianarana? Tany am-pianarana, niaraka tamin'ireo mpampianatra sy mpiara-mianatra tamiko, dia ny mifanohitra amin'izany no hitako sy reko, satria niteny Espaniôla fotsiny izy ireo.

Ny fikatrohako hanamafisana ny fiteny mayana

Nahazo diplaoma tamin'ny oniversite teo amin'ny sehatry ny teknolojia aho ary nandritra ny taona maro dia niasa tao amin'ny orinasan'ny teknolojia tao an-tanànan'i Mérida. Fony mbola niasa aho, nijanona tao an-tsaiko foana ny hevitra hanao zavatra ho an'ny fiteniko.

Nanomboka nanatrika atrikasa sy hetsika ho an'ny vondrom-piarahamonina aho izay niresahan'izy ireo ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ny fiteninay. Nandrisika ahy hianatra bebe kokoa izany, indrindra fa momba ny fanoratana. Tamin'ny iray tamin'ireo hetsika ireo dia nihaona tamin'ny mpampianatra iray aho, izay nanome aingampanahy ahy ny asany momba ny fiteny mayana ary nampahatanjaka tao anatiko ny hevitra sy ny nofinofy hanao zavatra ho an'ny fiteniko.

Tato anatin'ny taona vitsivitsy, ho ampahany amin'ny fandraisako anjara amin'ny famelomana indray ny fiteny mayana, dia tafiditra ao anatin'ny sehatry ny teknolojia ao anatin'ny tetikasa U Péekbal Waye’ (“Ny Hetsikay”) aho. Mifantoka amin'ny fiarovana sy fanamafisana ny fiteny amin'ny sehatra rehetra iasan'ny mpiteny mayana io tetikasa io. Vitanay tsikelikely ny nanitatra ny faritaninay hanerana ny saikinosy Yucatan.

Nandrisika ahy hametraka tetikasa miaraka amin'ireo ankizy ao amin'ny vondrom-piarahamonina misy ahy ny maha-mpikambana ahy ato amin'io ekipa io. Miaraka amin'ny fanohanan'ny Fandaharanasa Fikatrohana Nomerika 2024 ho an'ny Teny Mayana, sambany aho no hampivelatra ny tetikasako manokana, izay hamoronako gazetim-piarahamonina amin'ny endrika lahatsary arahana tantara, angano sy arira izay fantatry ny mponina ao an-tanàna amin'ny fiteny mayana ary ny ankizy ao amin'ny vondrom-piarahamonina no hanangona izany.

Sary an'i Nehemias Chablé, nahazoana alàlana.

Ny tanjoko dia ny hampianatra ny ankizy ny dingana manontolo amin'ny famoronana gazety: fanitsiana, karazana endrika, ary avy eo ny fampiroboroboana azy ireny ety anaty aterineto. Tsy vitan'ny hoe hanampy amin'ny fampitomboana ny fitokisan'izy ireo hiteny amin'ilay fiteny izany, fa handrisika ihany koa ny fahaiza-mamorona sy ny fisainany haneho ny heviny amin'ny teny mayana.

Tiako hahatsapa tsikelikely ny maha-zava-dehibe ny fitenenana sy ny fampitàna ny teny mayana ireo ankizy izay mandray anjara amin'ireo hetsika ireo mba hahafahan'izy ireo manentana ny fianakaviany, ny namany, ary ny mpiara-mianatra aminy any aoriana any, ary hanary tsikelikely ny tahony hampiasa ny fiteniny eo amin'ny fiainana andavanandro. Amin'ny fanaovana izany, tsy hoe manamafy ny tenany fotsiny izy ireo, fa mandray anjara koa amin'ny fitohizan'ny fiteny mayana ao amin'ny vondrom-piarahamoninay.

Tsy hatahotra intsony hampiasa ny fitenin-drazako

Iray amin'ireo fanamby natrehako ny hevitra hoe “tsy misy ilàna azy” ny fianarana na fanamafisana ny fampiasana ny teny mayana an'ny Saikinosy, na hoe mety maneho “dia mianotra” mihitsy aza izany. Mba hiatrehana io fanamby io, dia nohazavaiko tamin'ny ankizy ny maha-zava-dehibe ny mahita sy mandre anay miteny amin'ny teny mayana, na avy any an-tanànanay izy ireo na tsia, na mahay fiteny mayana na tsia, ny zava-dehibe dia ny fahatsapan'izy ireo fa matanjaka ny fiteny mayana ary maro ny ankizy no mampiasa izany.

Faniriako ny mba tsy hatahoran'ireo ankizy intsony haneho ny heviny amin'ny fiteniny. Raha manapa-kevitra ny handao ny tanàna izy ireo, indray andro any, mba hianatra asa, hitady asa, hanao karazana taratasy, na hiala voly fotsiny, dia tokony hotadidin'izy ireo fa mitovy lanja amin'ny fiteny hafa rehetra eto amin'ny planeta ny fiteniny, fa azo lazaina amin'ny olona rehetra izany, na aiza na aiza ary amin'ny fotoana rehetra.

Manonofy aho ny hahita ireo vondrom-piarahamonina tsy matahotra ny hiteny ny fiteniny manokana, izay aingampanahy ho an'ny olona maro kokoa mba hanao toy izany koa, ary hampita izany amin'ireo taranaka vaovao. Mba hanaovana izany, ny tontolo nomerika dia mety ho fitaovana matanjaka izay ananantsika eo am-pelatanantsika ary amin'ny alalan'izany dia afaka mifandray, mianatra ary, ny tena zava-dehibe indrindra, manao izay handrenesana ny feontsika mba handrisihana ny hafa hiteny na hampita ny fiteniny.

Enga anie ny feonay ho re mafy sy mazava ato amin'ny aterineto ary hanako manerana ireo taranaka vaovao!

Araho ato ny tetikasako: Inkaajal

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.