
Pikantsary avy amin'ny lahatsarin'ny hira “Balkan Boys” nataon'ny Dubioza kolektiv navoaka tao amin'ny YouTube. Fampiasana ara-drariny.
Lahatsoratra mifototra amin'ny fitateram-baovaon'ny Meta.mk. Navoaka eto ny dika nasiam-piovana endrika noho ny fifanarahana fifampizaràna votoaty eo amin'ny Global Voices sy ny Metamorphosis Foundation.
Herinandro vitsy monja dia nihoatra efatra tapitrisa ireo nijery, tamin'ny tambajotra sosialy samihafa, ny rakikira tokana “Balkan Boys” an'ny tarika bosniaka Dubioza kolektiv, mpihira rock, ka niteronterona tao amin'ny faritra Balkans ny laharany. Maneso ireo hevi-draikitra isankarazany ilay hira, anisan'izany ny petrakevitry ny fiokoana fa Fisaka ny Tany izay miparitaka ao amin'ny faritra.
Mihoatra ny 1,2 tapitrisa ny nijery tao amin'ny YouTube amin'izao fotoana anoratana izao (1,4 tapitrisa tamin'ny fotoana nandikàna), mijery mihoatra ny 2,4 tapitrisa ao amin'ny Instagram ary mihoatra ny iray tapitrisa ao amin'ny Facebook, maherin'ny 600.000 tamin'ny reel maherin'ny 400,000 amin'ny maha-lahatsary iray manontolo azy.
Amin'ny teny anglisy ilay hira, saingy, tahaka ireo hira hafa malaza an'ny Dubioz, ny endrika ao amin'ny YouTube amin'ilay hira dia ahitana dika an-tsoratra amin'ny teny sinoa, tseky, alemà, italiana, poloney, romanianina ary espaniola, izay mifarimbona amin'ny fampiroboroboana azy any ivelan'ny faritra niaingàny tao Balkans Andrefana.
Jereo ny lahatsary ofisialy:
Ao anatin'ireo fanondroana mahatsikaiky isan-karazany, ahitana ireto tononkira manaraka ireto ny hira izay maneso ny petrakevitry ny fiokoana maha-fisaka ny tany, arahin-dahatsary mampiseho an-tsary ny lazaina ho endriky ny tany fisaka jerena avy eny amin'ny volana, hala-tahaka fanesoana an'ilay sary malaza antsoina hoe Vatosoratra Manga na Blue Marble.
I like planet as a ball
Some people tell me it's flat
And if it's flat then I could fall
But where's the logic in that?
Tiako ny planeta ho toy ny baolina
Misy milaza amiko hoe fisaka izany
Ary raha fisaka izany dia mety hianjera aho
Fa aiza ny lojika amin'izany?
Ny petrakevitry ny fiokoana, milaza fa tsy boribory ny planeta, dia voamarika ao amin'ny fandaharam-pianarana any Makedonia Avaratra ho ohatra amin'ny tsy fahampian'ny saina mandalina sy ny fisainana tsy ara-tsiansa. Traingo hatry ny fahagola ny anganon'ny endriky ny tany ho kapila fisaka. Tamin'ny fiheverana voaporofo ara-tsiansa mametraka ny Tany hanana endrika bola, afa-nikajy ny faribolan'ny tany ary manakaiky dia manakaiky ny tena marina ilay matematisiana Eratosthenes efa 2300 taona mahery lasa izay.
Raha tsenain'olona nandranto fahaizana eran'izao tontolo izao sy any Balkans amin'eso ny filaza vaovao fa fisaka ny tany, heniky ny petrakevitry ny fiokoana toa izany ny tambajotra sosialy, izay matetika tratran'ireo tolotra fanamarinana zava-misy toy ny Truthmeter.mk any Makedonia Avaratra, Faktoje.al any Albania, Raskrinkavanje.ba any Bosnia sy Herzegovina, Raskrinkavanje.me any Montenegro, ary Istinomer any Serbia.
Tamin'ny voalohany, andron'ny 24 Janoary, ny Dubiza kolektiv nikasa hamoaka hira tokana “Balkan Boys”, saingy nanemotra telo andro ny famoahana azy ho mariky ny fanohanana ny fitokonambe tao Serbia, nokarakarain'ny hetsiky ny mpianatra mitaky ny rariny, mitaky ny andraikitry ny andrim-panjakana tamin'ireo olona 15 lasibatry ny firodanan'ny tataron'ny garan-dalamby Novi Sad.
Ho setrin'ny fanehoan-kevitra ratsy toy ny hoe “nahoana ny tarika iray avy any amin'ny firenen-kafa no mitsabaka amin'ny hetsi-panoheran'ny sasany,” dia namoaka fanambaràna tao amin'ny soritsoritra ny Dubioza kolektiv:
Dubioza Kolektiv je bend sastavljen od ljudi iz Bosne i Hercegovine, Srbije, Hrvatske i Slovenije. Podržavamo svaki protest za koji smatramo da ima za cilj borbu za dostojanstvo i bolji život običnog čovjeka. Volimo za sebe reći da smo pri rođenju prvo postali obični ljudi, a tek onda usput i Bosanci, Srbi, Hrvati ili Slovenci.
Dubioza Kolektiv dia tarika ahitana olona avy any Bosnia sy Herzegovina, Serbia, Kroasia ary Slovenia. Tohananay izay hetsika rehetra heverinay fa mitaky fahamendrehana sy fiainana tsara kokoa ho an'ny sarambabem-bahoaka. Raha ny momba anay dia tianay ny milaza fa olon-tsotra isika rehefa teraka, ary avy eo dia lasa Bosniaka, Serba, Kroaty, na Slovenina koa.
Sambany ny Dubioza Kolektiv no naneho fanohanana ny hetsiky ny mpianatra avy any amin'ny faritra izay niady ho an'ny demôkrasia sy ny fiainana mendrika. Tamin'ny taona 2015 ry zareo nanao fampisehoana maimaimpoana tao amin'ny Oniversitem-panjakana Sts. Cyril sy Methodius ao Skopje ho fanohanana ny Fivoriamben'ny Mpianatra, izay voarakitra ao anatin'ity lahatsary Meta.mk manaraka ity.