Fakàna ny hevitry ny mpamaky anaty tsingerintaona faha-20 Global Voices

Mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices nandritra ny Vovonana Desambra 2024 tany Kathmandu, Nepal.
Efa fantatrao rahateo fa vondrom-piarahamonina no mitantana ny fikambanana Global Voices. Ireo mpifarimbona ao aminy no manapa-kevitra ny amin'izay tian-dry zareo hosoratana, misafidy izay tantara tiany hadika, mametraka lohahevitra hanaovana fikarohana, manaitra ho amin'ny fanentanana sy fisoloanteny tokony atao, ary mamolavola ireo tetikasa amelomana ny fiteniny manokana. Amin'ny maha-mpamaky anao, manana anjara toerana tsy azo esorina amin'ny vondrom-piarahamonina ihany koa ianao, ary tianay ny hahafantatra bebe kokoa momba izay traikefanao amin'ny Global Voices. Iangavianay ianao hanome minitra vitsivitsy hamenoana ity fakan-kevitra fanombanana fohy ity ary hilaza aminay ny fomba ifaneraseranao amin'ny Global Voices, inona no azonay atao tsara kokoa, ary inona no tokony hataonay bebe kokoa. Misaotra anao tamin'ny nanomezanao fotoana sy fisaina. [Amin'ny teny anglisy tompoko!]