
Sary fanehoana noforonina avy amin'ireo singa tao amin'ny Canva Pro. Pikantsarin'ny Cocoa Tea notsongaina avy ao amin'ity lahatsary YouTube ity, an'ny fahitalavitra Television Jamaica, sy pikantsarin'ny Determine notsongaina tamin'ny lahatsary YouTube nakarin'i Dj Frado.
Jamaikàna roa mpanakanto, Cocoa Tea sy Determine, no nandao antsika tsy ela akory, namela lova ho an'ny mozika reggae antsoina hoe « mahatsapa », izay nalaza manokana tany amin'ny taona 90, fony nanomboka nivoatra ny gadona dancehall ary matetika tonga nifangaro tao. Na dia tena samihafa aza ny fiangalin-dry zareo, manana zavatra vitsivitsy nitoviana ireo mpihira roa ireo: samy taranaka mpanjono ary samy nisedra zava-mafy nandritra ny fianany, samy naka ny fisainana Rastafarisma ihany koa ry zareo izay navoitrany tamin'ny mozikany.
Colvin Scott (anaran-tsehatra nisalorany ny Cocoa Tea), 65 taona, dia nodimandry ny 11 Martsa tao Fort Lauderdale, ao Flôrida, taorian'ny fitsaharan'ny fony, taona vitsy lasa izay izy no voatily hoe nisy “lymphome”. Rohan Alexander Bennett (anaran-tsehatra nisalorany ny Determine) 52 taona, dia lavon'ny homamiadan'ny vavony tamin'ny 13 Febroary tao Baltimore any Maryland.
Cocoa Tea (dite misy cacao) dia zavapisotro nentindrazan'ny ao Karaiba, mafàna sy masiatsiaka, vita avy amin'ny bolabolanà cacao voakiky. Mety ho somary mamimamy izy ary manana fiantraika mampitony. Toy izany koa, ny fiangalin'ilay mpihira izay nindrana ilay anarana, dia malefaka sy milantolanto no sady manindrona. Teraka tamin'ny 1959, Cocoa Tea dia lehibe tao anatin'ny vondrom-piarahamonina mpanjono tao Rocky Point, tao Clarendon, amin'ny morontsiraka atsimon'i Jamaika, zanakalahina reny tokantena. Rocky Point dia toerana iray sarotra sy nijaly, tato anatin'ny taona vitsivitsy, noho ny fiovàn'ny toetrandro, isan'ireny ny rivodoza Beryl tamin'ny 2024.
Na dia liana tamin'ny mozika hatrany amin'ny fahatanorany aza izy, niainga tsikelikely ny asa matianina nataon'i Cocoa Tea ary efa nanao asa marobe. Efa mpanao trano, mpitaingin-tsoavaly tamin'ny hazakazaka Caymanas, ary mpanjono rehefa niverina tao Rocky Point talohan'ny nahazoany fankatoavana lehibe tao Kingston tamin'ny 1984 nony farany. Fihaonana tamin'ilay goavana mpamokatra kapila Henry « Junjo » Lawes no nitarika ho amin'ny « Rocking Dolly » niandohany.
Nanomboka teo, nanaraka zotra tsy niova ny naha-matianina azy. Nanoratra sy nihira ireo hira izay matetika mifono hafatra sôsialy izy. Ohatra, ny « Rikers Island » (1990) dia fampitandremana an'ireo Jamaikàna tanora mpifindramonina mankany Etazonia mba tsy hiroboka amin'ny làlana ratsy ka tsy hiafara any amin'ilay fonja malazan'i New York. Nandritra ny taona 90, nanao fitetezam-paritra marobe tany ivelany ilay mpihira malaza, ary marobe ireo mpamokatra kapila niarahany niasa.
Tamin'io vanimpotoana io, Cocoa Tea dia nandray ny finoana rastafari, nanambara tao amin'ny gazety « Jamaïca Gleaner » tamin'ny 1998 hoe: « Io no fomba fiaina (livity) tiako. » Nanomboka taratra teny anatin'ireo hirany ny faharesendahatra tao anatiny, araka ny hita amin'ity fampisehoana nivantana tao Rototom Sunsplash Festival tamin'ny 2008 ity.
Tamin'ny 1997, namorona ny maripamantarana azy manokana izy. Ny Roaring Lion Records, niorina tao amin'ny paroasy niaviany tao Clarendon fa tsy tany Kingston, renivohitra, nahita fahombiazana izy, nanao sonia fiarahamiasa tamin'ireo mpanakanto nalaza toa an'i Shabba Ranks sy Buju Banton. Ny iray tamin'ireo fahombiazana lehibe azony dia ilay hirany « Barack Obama », ho fanohanana ilay mpirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena.
David Rodigan, ilay ela nihetezana tamin'ny fanapariahana ny gadona reggae tany amin'ny Fanjakana Mitambatra, nilaza tao amin'ny X (Twitter taloha) hoe:
Le monde du reggae pleure la perte d'une de ses plus belles voix, Cocoa Tea est mort ce matin d'un arrêt cardiaque à Fort Lauderdale. Il laisse derrière lui une collection de morceaux qui resteront à jamais au panthéon de la grande musique jamaïcaine. Repose en paix sweet Cocoa Tea. pic.twitter.com/O5Pr6tJa61
— David Rodigan (@DavidRodigan) 11 mars 2025
Mitomany ny namoizany ny iray tamin'ireo feony tsara indrindra ny tontolon'ny reggae, nodimandry io maraina io tao Fort Lauderdale i Cocoa Tea noho ny fitsaharan'ny fony. Namela fehezana sanganasa iray ho tsaroana mandrakizay eo amin'ny tempolin'ny mozika jamaikàna goavana izy. Mandria am-piadanana ry Cocoa Tea malala. pic.twitter.com/O5Pr6tJa61
— David Rodigan (@DavidRodigan) 11 Martsa 2025
Tena nalaza be tao Afrika i Cocoa Tea ary naneho ny alahelony azy teny anaty tambajotra ireo Keniàna mpankafy azy. Nanome voninahitra azy ilay trano mpamokatra ao Kenya, « the Kenya Broadcasting Corporation »:
Hommage à Cocoa Tea sur Dancehall Kings and Queens 3pm – 5pm. Marquez l'emplacement et venez lui rendre hommage @kbcenglish @johnkaranijk . Goodtimes are back.#dancehallkbc pic.twitter.com/ikcnEVoZge
— KBC English Service (@kbcenglish) 16 mars 2025
Fanomezana voninahitra an'i Cocoa Tea ao amin'ny Dancehall Kings sy Queens amin'ny 3:00 tolakandro hatramin'ny 5:00 hariva. Mariho ny toerana ary tongava hanome voninahitra azy. @kbcenglish @johnkaranijk . Miverina ireo fotoana mamy.#dancehallkbc pic.twitter.com/ikcnEVoZge
— KBC English Service (@kbcenglish) 16 Martsa 2025
Iray mpankafy mozika no nanampy hoe:
Repose vraiment en paix Cocoa Tea. L'homme a répandu l'amour via sa musique. Que son âme soit bénie.
— Slick Flair (@SheikLaFreak) 16 mars 2025
Tena mandria am-piadanana marina tokoa ry Cocoa Tea. Namafy fitiavana tamin'ny alàlan'ny hirany ilay lehilahy. Hitahiana anie ny fanahiny
— Slick Flair (@SheikLaFreak) 16 Martsa 2025
Ilay hira « Holy Mount Zion » an'i Cocoa Tea dia aingampanahy avy amin'ny laza be azon'i Determine tamin'ilay « Kette Drum », voarakitra tamin'ny 1995, niarahana niasa tamin'ilay DJ Dancehall Beenie Man ary novokarin'ny Bobby « Digital » Dixon, ilay mpamokatra kapila nitondra zava-baovao. Ny dika nataon'i Cocoa Tea no iray tamin'ireo marobe nampiditra ny Nyabinghi, gadona nampatory am-pitsanganana izay nanakoako tany amin'ireo mpankafy mozika. Ny « Kette Drum » avo (nantsina koa hoe Akete na Repeater Drum) dia milalao gadona mitsitapatapaka, matetika mamorona eo am-pitoerana eo ary manana lantom-peo maranitra. Mandritra ny lanonana Nyabinghi dia misy karazana amponga roa hafa manaraka azy mandrakariva.
Le DJ veteran Determine est mort. Sa veuve a confirmé au journal le “Gleaner” qu'il était mort hier dans un hôpital à l'étranger. Determine, de son vrai nom Rohan Bennett, était connu pour une série de titres reggae/dancehall inspirants et réjouissants #GLNREnt pic.twitter.com/AY1Zq5Ph0n
— Jamaica Gleaner (@JamaicaGleaner) 14 février 2025
Nodimandry i DJ Determine, ilay ela nihetezana. Tao amin'ny gazety “Gleaner”, nohamafisin'ny vady navelany fa omaly izy no nodimandry tany amin'ny hôpitaly iray any ivelany. Determine, raha amin'ny tena anarany hoe Rohan Bennett, dia fantatra tamin'ireo andiana lohateny reggae/dancehall manainga fanahy sy mampifalifaly. #GLNREnt pic.twitter.com/AY1Zq5Ph0n
— Jamaica Gleaner (@JamaicaGleaner) 14 Febroary 2025
Fantatra ihany koa amin'ny hoe « Meshak », Determine dia lehibe tao amin'ny helodranon'i Annotto, tanàna amorontsiraka ao amin'ny faritr'i Sainte Marie. Toa an'i Cocoa Tea ihany, tsy nivadika tamin'ny fàka nipoirany izy, ary Sandy Lane no mariky ny famokarany, anarana avy amin'ny vohitra nahalehibe azy. Mpanjono ny rainy ary relijiozy ny reniny.
Mpianatra nahay izy tany amin'ny lisea saingy nisafidy ny hiditra amin'ny asa mpiangaly mozika. Toy ireo artista marobe ao anatin'io tontolo io, tamin'izany fotoana izany, nandeha nankao Kingston izy, toerana nanombohany nampiasa ny sound systems. Azony ny loka « Rockers Award » ho an'ny DJ vaovao mendrika indrindra ho an'ny taona 1995, taona nandraketany ny « Kette Drum». Nisy dindo betsaka tao aminy i Bob Marley, gadona marobe avy amin'io mpanakanto io no nanaovany fanafangaroana. Ireo tononkirany tsy mitsitsy dia matetika manakiana ny rafitra pôltika ao Jamaika no sady manipika ny toedraharaha sarotra iainan'ireo Jamaikàna mahantra.
Nolazain'ny zanakalahin'i Determine, Romario « Runkus » Bennett, mpanakanto iray miangaly ny gadona reggae roots, fa :
« Lehilahy iray goavana ny raiko, naharesy ireo sakana maro ary nahavita nanao zavatra tamin'ny androm-piainany. Izy no ray mendrika indrindra azoko nonofisina. »
Taorian'ny nahitàny fahombiazana tamin'ny fanaovana fitetezam-paritra tany Amerika Avaratra sy Eorôpa, nanohana ireo vondrom-piarahamonina an-tanandehibe i Determine, ary nifantohany tamin'izany ny fampandrosoana ny ankizy sy ny fampiasambola tamina sekoly ambaratonga fototra iray (basic school).
Ho fanomezana voninahitra ny fiainan'i Determine dia nandefa fankalazana niavaka ny tobin'onjampeo Irie FM :
Hommage à l'icône du reggae “Determine” 🎶🕊️
Runkus annonce « Celebrating the Life of Determine » le 22 février au Rebel T HQ, Kingston.
Spragga Benz & Jazzwad invitent les artistes à participer.
Determine, connu pour Kette Drum, est mort le 13 février à 52 ans.#Determine #ReggaeLegend pic.twitter.com/Appl3cRn0x
— IG: iriefmofficial (@IRIE_FM) 23 février 2025
Fanomezana voninahitra an'i “Determine”, ilay kintan'ny reggae 🎶🕊️
Nambaran'i Runkus ny « Fankalazana ny Fiainan'i Determine » tamin'ny 22 Febroary tao amin'ny Rebel T HQ, Kingston.
Nasain'i Spragga Benz & Jazzwad ireo artista mba handray anjara.
Nodimandry tamin'ny 13 Febroary teo amin'ny faha-52 taonany i Determine, fantatra koa amin'ny hoe Kette Drum.#Determine #ReggaeLegend pic.twitter.com/Appl3cRn0x
— IG: iriefmofficial (@IRIE_FM) 23 Febroary 2025
Nizara ny fahatsapàny ilay mpihira reggea/dancehall malaza, Beenie Man:
Beenie Man réagit à la mort de Determine. Determine est décédé à l'age de 52 ans après avoir mené une longue bataille contre le cancer. Lui et Beenie Man ont collaboré sur le titre Kette Drum. pic.twitter.com/tawdcpRd6z
— yardhype.com (@YardHype) 14 février 2025
Naneho hevitra i Beenie Man momba ny fodiamandrin'i Determine. Nodimandry teo amin'ny faha-52 taonany i Determine rehefa niady ela tamin'ny homamiadana. Niarahan'izy sy Beenie Man niasa ilay lohateny Kette Drum. pic.twitter.com/tawdcpRd6z
— yardhype.com (@YardHype) 14 Febroary 2025
Samy manamarika vanimpotoana iray ho an'ny reggae i Cocoa Tea sy Determine, izay nisy talohan'ny niparitahan'ny fampiasàna ny teknôlôjia. Niaraka niasa tamina artista marobe ry zareo, isan'ireny ireo DJ mpanao dancehall, nameno ny banga tamin'ny alàlan'ny reggae antsoina hoe « roots » ary nikitika ny retsiky ny fon'ireo mpankafy mozika. Angamba ny manandanja indrindra, noho izy nitombo tany anivon'ireo vondrom-piarahamonina sahirana tany ambanivohitra, tena takatr'izy ireo tsara mihitsy ireo olana sôsialy sedrain'ireo Jamaikàna tsy ampy ara-bola, ary tsy nisalasalan-dry zareo ny naneho izany tany anatin'ny mozikany.