
Mama Anna ao an-tranony ao amin'ny vohitr'i Mulala, miloloha lafitr'akondro eo an-tampondohany no sady mandray ireo vahiny. Saripika an'i Sydney Leigh Smith. Nahazoana alàlana.
Any ambony amin'ireo tevana ao amin'ny Tendrombohitra Meru, ao amin'ny distrikan'i Arumeru ao Tanzania, no misy ilay vohitra kely mandry fahaleman'i Mulala. Tsy misy afa-tsy mponina 2.000, tena mora ny manadino azy — nefa eto no misy ramatoa iray, fantatra fotsiny amin'ny hoe Mama Anna, namerina namolavola izay afaka ho endriky ny fampandrosoana eo an-toerana.
Ny fiovàny avy amin'ny naha-mpamboly nivelona tamin'ny tsaramaso azy, ho lasa anaty vondrom-piarahamonin'ny mpanabe sy mpandraharaha, dia nanomboka tamina fanomezana iray tsy nampoizina: ombivavy iray.
“Rano very maina ny ranomaso”

Ireo ombivavy be ronono ao an-tranon'i Mama Anna manome ny ronono ampiasaina hanaovana frômazy ho an'ny fikambanan'ireo vehivavy. Saripika an'i Sydney Leigh Smith. Fampiasàna nahazoana alàlana.
Mama Anna — Anna Pallangyo — dia vehivavy Meru iray, niteraka enina, ary iray amin'ireo vehivavy 717 ao anatin'ny tambajotra FAIDA-SEP, Fampiroboroboana ireo Orinasa Madinika. Tsy nandia afa-tsy ny sekoly fanabeazana fototra ary zara raha manana hatokona, nanomboka namboly tsaramaso izy mba hamelomana ny ankohonana. Nefa tsy dia nanao ahoana loatra ny vokatra, dia nitahiry izay azony natao izy, vonona ny hikaroka fomba hafa.
Rehefa nitondra ombivavy iray ho azy ny mpiasan'ny fampandrosoana, tsy mbola azony antoka izay tokony ho atao. “Azoko atao inona izay gombe iray [ombivavy]?” hoy izy nanontany tamin'ny feo avo. Avy eo, nianarany ny nitery (ronono) tamin'izy io.
Isanandro, nanome ronono ho an'ny ankohonany sy ireo namany izy. Rehefa nanomboka tsy lany ny ronono, nandray fanapahankevitra izy: “Ho amidiko ny maziwa (ronono).” Isaky ny maraina, mandeha midina an'ilay havoana izy ho an'ny an-tanàna; isaky ny tolakandro, mihanika miakatra indray, mikorintsana “tahaka ny gidro” ao am-paosiny ireo vola madinika
“Rano very maina ny ranomaso,” hoy izy. “Araka izany dia fenoiko tsiky ny amiko.”
Rehefa niteraka ilay ombivavy, natolony ho ana vehivavy hafa ilay zanany. Ilay fihetsiny nizara dia nivadika ho lasitra iray fiarahamiasa nanerana ilay vohitra — tsy hoe fotsiny nanaparitaka ireo ombivavy, fa ny hevitra koa.
Nanomboka tamin'ny tsaramaso, avy eo biôgazy, ronono hatramin'ny tsena
Tany am-boalohany dia voamarik'i Mama Anna fa marobe ireo tokantrano tao amin'ny vohitra Songoro no nanana ombivavy, saingy ny tsy fahampian'ny tany no nahatonga ny firaofana ahitra tsy hisy araka ny fenitra. Rehefa nahatsapa fisiana hirika fanararaotra izy, natombony ny fakàna sakafom-biby teny amin'ireo mpamongady tao an-tanànan'i Arusha ary namidiny tamin'ireo mpiray vodirindrina taminy. Nandritra ny fotoana vitsivitsy, izy irery no mpamatsy — mandra-pisian'ny lehilahy iray nanatevin-daharana ilay varotra.
Niova famindra indray izy.
Tamin'ny alàlan'ny FAIDA-SEP, nisoratra hanaraka fiofanana nandritra ny herinandro izy, momba ny fikarakaràna ny ronono, ka tao no nahaizany nanamboatra habobo sy frômazy. Io no nahafahany nitahiry ronono, nanamarin-toerana ny varotra sy niantoka fidirambola tsy tapaka. Nanaraka fiofanana momba ny fitantanana fandraharahàna izy, namadika ny tanim-tsaramasony ho an'ny voninkazo, ary nametraka biôgazy tao an-trano mba hampihena ny vesatry ny asa an-tokatranony.
Ankehitriny, mbola manohy mikarakara fitsidihana fifanakalozana teknôlôjia ataon'ny FAIDA izy, mizara ny tantarany amin'ireo vehivavy manerana ilay faritra.
Rehefa anontaniana azy izay torohevitra omeny ny hafa, tsotra ny valiny: “Faharetana, fahatapahankevitra, ary nofinofy kely — miaraka amina torohevitra kely iray, dia lasa lavitra foana io.”
“Hanangana sekoly ho an'ny zanatsika isika”

Olona mikarakara kafe vita ao an-tokantrano, ao an-tranon'i Mama Anna ao amin'ny vohitra Mulala, mampiasa ireo fitaovana nentindrazana hitotoana ho vovoka ireo voa voaendy. Saripika an'i Sydney Leigh Smith. Fampiasàna nahazoana alàlana.
Miaraka amin'ny ronono bebe kokoa, ombivavy bebe kokoa, dia tonga ireo vehivavy betsaka kokoa, vokatra sy fanontaniana maromaro kokoa. “Inona no hataontsika amin'ireto maziwa (ronono) ireto?” hoy ireo mamas hafa nanontany. Novalian'i Mama Anna hoe: “Hanamboatra chizi (frômazy) isika.” Nandeha nankany an-tànana izy nianatra ny fomba fanaovana azy, avy eo nampianatra izay zavatra nianarany.
Rehefa nanomboka nihoatra ny fanjifàn'ny teo an-toerana ny frômazy, nitodika tany aminy indray ireo mamas : “Hataontsika inona ireto chizi (frômazy)?” Nanana hevitra hafa i Mama Anna: “Hamidintsika amin'ireo mpitsidika ny chizi-ntsika (frômazy).” Nanasa mpizahatany ry zareo, nanokatra toerana fivarotana iray, ary nanomboka nanana fidirambola.
Niverina farany indray ireo vehivavy: “Hataotsika inona ireto madonge (vola) ireo?” Tamin'ity indray mitoraka ity, tena nitondra fiovàna be ny valinteny nomen'i Mama Anna.
“Hanorina skuli (sekoly) iray isika ho an'ny watoto-ntsika (ankizy).”
Ary nataon-dry zareo izany. Niorina avy amin'ny tombombarotry ny fiterena ronono ny sekoly garabola voalohany. Avy eo ny sekoly iray fampianarana ny fitsipi-pitenenana. Avy eo sekoly ambaratonga faharoa. Teo amin'ny toerana iray izay fahiny tsy takatra ny handefa hianatra — indrindra fa ho an'ny zazavavy — dia misy izao ireo efitrano fianarana eny an-tampon-kavoana, feno mpianatra.
Rehefa nisaotra an'ireo vehivavy ireo ankizy, nihomehy i Mama Anna sady niteny hoe, “Aza misaotra anay. Ny gombe (ombivavy) no nanorina ny sekolinareo.”
Lovan'ny fiovàna notarihan'ny vondrom-piarahamonina
Androany, mihoatra lavitra noho ny maha-mpandraharaha nahita fahombiazana i Mama Anna — mpanorina hoavy izy. Amin'izao fotoana izao dia mitantana ny fandraharahàn-dry zareo manokana ireo vehivavy ao Mulala, mamokatra zezika, tantely, kafe ary vokatra avy amin'ny ronono. Fahiny, marobe tamin-dry zareo ireo no niankin-doha ara-bola tamin'ny lehilahy. Ankehitriny, ry zareo no miantoka ny filàn'ny ankohonana sy mampiasa vola amin'ny fanabeazana.
Sady an'ny eo an-toerana no an'ny tontolo ny tantarany: rehefa omena fiofanana, omena fahatokisana sy fitaovana mba hahomby ny vehivavy, dia ny vondrom-piarahamonina manontolo no miroborobo.
Tsy vina ho an'ny tenany samirery velively ny azy. Nitodika mandrakarivaa nankany amin'ireo ankizy, vehivavy izay nanjohy azy sy ireo ankizivavy niditra ny efitrano fianarana naorina avy amin'ny asa niraisana sy ny fahatapahankevitra nitambarana.
Sady mazava no mafonja ny hafatr'i Mama Anna ho an'ireo vehivavy manerana ny tany, hoe:
“Raha nahavita an'io ry zareo? Ianareo koa.”