Ny Nampifanohizan'ny mpampianatra oniversitera iray avy ao Gambia ny sekoly ambony sy ny fisoloana teny

Dr. Satang Nabaneh niteny nandritra ny fanazavan-kevitra. Sary nomen'ny Dr. Satang Nabaneh. Sary nahazoana alalana.

Avy amin'i Sydney Leigh Smith

Hatramin'ny voalohany maha-solontenan'ny ankizy azy tao Gambia ka hatramin'ny naha-mpiaro ny zon'olombelona azy eken'ny sehatra iraisampirenena, porofon'ny fikirizana sy ny fahasahiany ny diam-piainan'ny Dr. Satang Nabaneh. Mpampifandray ny fikarohana akademika amin'ny fanomezam-bahana ny fiarahamonina no asany, mampanan-danja ny fiovana eo amin'ny sehatra manerantany.

Mpahay lalàna, mpandala ny zon'olombelona ary mpampianatra manan-daza iraisampirenena avy ao Gambia ny Dr. Satang Nabaneh ary nasehon'ny asany mandritra ny androm-piainany ny  fanoloran-tenany ho amin'ny fikatrohana. Vao valo taona i Nabaneh dia efa nandray anjara tamin'ny fiarovana ny zon'ny ankizy tao amin'ny Vokovoko Mena sampana Gambiana. Voafidy ho solontenan'ny ankizy Gambiana ao amin'ny Parlemantan'ny Ankizy eran-tany izy tamin'ny faha-roa ambin'ny folo taonany, nanatrika fivoriana avo lenta sy nikabary nanoloana ireo olo-manan-kaja.

Nisy tranga iray notantarainy:

I just went and sat at the high table right. I wasn’t assigned a seat at the table, and they were like, ‘Oh, you don’t have a seat.’ I was like, ‘But this is a children’s event, right? Why am I not at a table?’

Tonga aho dia nipetraka teo amin'ny latabatra havanana. Tsy nanokanana seza aho, ary nisy niteny hoe: ‘Oh, tsy manana seza ianao.’ Hoy aho hoe: ‘Fa lanonan'ny ankizy ity, sa tsy izany? Koa nahoana aho no tsy ho eto?’

Ireny zava-niainany hatry ny fahakely ireny no nampiditra tao aminy ny lanjan'ny fihaikàna fitsipika, filozofia mitari-dalana azy. 

“Rehefa misaintsaina ny diam-piainako aho, dia fantatro ny lanjan'ny fahasahiana (mipetraka eo amin’ny ‘latabatra avo’), maka toerana, ary mandroboka manontolo ny tenako,” hoy izy, mandrisika ny tanora “hampihatra ny fahefany, hanohitra fenitra ara-piarahamonina, hanangana toerana mahasolo, na hampifahatra ny fijoroany any amin’ny toerana mety tsy handraisana azy ireo ara-tarazo.” 

Tsy ampy ny fampianarana ambony”

Nanomboka tamin'ny fahavitan'ny Lisansa amin'ny Lalàna tao Gambia sy ny fahazoana Master amin'ny zon'olombelona sy ny demôkratizasiona ao Afrika sy ny fahazoana Dôktôrà amin'izany tao amin'ny University of Pretoria ny fianarana ambony nodiavin'i Nabaneh. Taty aoriana izy niroso amin'ny fahazoana mari-pahaizana PhD tao Afrika Atsimo, izay novatsian'ny Vaomieran'ny Fikarohana Norveziana ary nifantoka tamin'ny zo ara-nofo sy ny fananahana. Nifamatotra tamin'ny fahavitrihany ity orina mpanasoa fianarana ambony (akademika) ity, izay nofaritany ho “mpampahafantatra ny lalan'ny” asany. Mifamatotra lalina amin'ny filan'ny fiarahamonina sy ny rariny ara-tsosialy hatrany ny asany amin'ny fianarana ambony. “Tsy ampy ny fianarana ambony,” hoy izy nanamafy, nanoritra fa tany ivelan'ny efitrano fianarana mahazatra ny tena fianarana sy ny fitomboana norantoviny.

Tamin'ny maha Talen'ny Fandaharanasa sy maha Profesora Mpanampy azy eo amin'ny sehatry ny Fampiharana tao amin'ny Foiben'ny Zon'Olombelona ao amin'ny Oniversiten'i Dayton no namolavolàn'i Nabaneh sy nitarihany fandaharanasa nahafahan'ny mpianatra nanovo traikefa amin'ny asa momba ny zon'olombelona, ​​matetika mametraka azy ireo eny ankianja eo amin'ny sehatry ny asa manerana an'i Afrika. Natsangany ny “Vatsy manerantany fianarana mizatra”, ahafahan'ny mpianatra miasa miaraka amin'ireo fikambanam-piarahamonina any amin'ireo firenena toa an'i Gambia, Ghana, Kenya, ary Afrika Atsimo. Ireny fizàrana asa ireny, hoy izy, no manokatra fomba fijery tena sarobidy.

“Tsy tiako izy ireo handeha any amin'ny mpiara-miombon'antoka aminay ary mieritreritra fa hamaha ny olany na hoe manam-pahaizana manokana ry zareo,” hoy izy nanazava. Foibe amin'ny asany io finoana mifampianatra sy manetry tena amin'ny fisoloan-teny io.

Fanomezana vahana ireo mpitariky ny taranaka hoavy

Tamin'ny taona 2011 i Nabaneh niara-nanorina ny Think Young Women, fandaharan'asa voalohany fitariohan-dalana ny zazavavy ao Gambia. Nivoaka tany am-paosin'ireo mpiara-manorina tamin'ny voalohany ny famatsiana azy fa nahazo fanohanana avy amin'ny Tahirim-bolan'ny Firenena Mikambana momba ny mponina (UNFPA) sy ny UNICEF amin'izao fotoana izao. Ahafahan'ny zatovovavy mandray anjara amin'ireo hetsika fanoroana izay mankahery azy ireo hampivelatra ny fahaizany amin'ny fisoloan-teny sy ny fitarihana ny fisantarana andraikitra. Maro amin'ireo maintimolalin'ny fandaharana no niverina hitarika Think Young Women, miantoka ny fikambanana hotarihin'ny tanora hatrany sy hiorim-paka ao amin'ny fiarahamonina. Ity asa ity no ohatra amin'ny fomba fiasany ho amin'ny fiovana ara-tsosialy lovainjafy, izay heveriny fa tokony hotarihin'ny eo an-toerana sy hovatsiana vola araka ny tokony ho izy. Nosoritany ireo olana iraisan'ny fampandrosoana iraisampirenena :

The global community pushes for norms and standards…but we often miss how to translate these into action.

Manosika hanamaro fitsipika sy  fenitra ny vondrom-piarahamonina maneran-tany… saingy tsy hainay matetika ny mamadika ireny ho asa.

Tena ilaina ny famatsiam-bola maharitra sy ny fananganana fiaraha-mitantana, fa ireny ho ahafahan'ireo hetsika hihoatra ny dingana voalohany amin'ny asa an-tsitrapo “tarihin'ny fankamamiana lalina”. 

Mandrava ireo manakana ny feon'ny Afrikana amin'ny zon'olombelona

Namaritra ny fanasongadinana ny lalam-piainan'i Nabaneh ny fanoloran-tenany hanamafy ny feo Afrikana. Mitondra ny fisoloanteniny any amin'ny fampianarana ambony (akademia) izy, mampiroborobo ny fomba fijery Afrikana momba ny zon'olombelona sy ny fianarana ny lahy/vavy. Vao haingana izy no nikarakara kaonferansa momba ny “Fanalàna amin'ny fanjanahantany sy fampivoarana ireo taranaky ny vahoaka Afrikana”, hanamorana ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ireo mpikatroka sy manam-pahaizana manerana an'i Afrika, Amerika Latina ary Karaiba. Nifantoka tamin'ny firaisankina Afrikana sy ny zon'ny vehivavy any am-pielezana ny fihaonambe, mba handravana ireo sakana eo amin'ny samy vondrom-piarahamonina mainty hoditra maneran-tany. “Fampitoviam-pijery io amiko,” hoy izy, mitondra miaraka ny feo Afrikana sy manangona ho amin'ny toerana iray ny fomba fijery Afrikana amin'ny resaka momba ny zon'olombelona manerantany. 

Nandritra ny asany, nitoetra ho “mpampianatra ambony mpikatroka” i Nabaneh, nanolo-tena handravona ny elanelana misy eo amin'ny fikarohana akademika (fampianarana ambony) sy ny fitondrana ny tenin'ny fiarahamonina. Entin'ny fanoloran-tena hahazoan'ny daholobe ny fampianarana ambony izy, manao izay hahatonga asany ho takatry ny besinimaro sy mifanentana amin'ny mpikatroka sy ny fikambanana eny an-kianja. Manazava izy, 

I don’t want my research to sit on a shelf. I want it to be used by those doing the incredible work of transforming their communities.

Tsy tiako hipetraka amin'ny talantalana ny fikarohako. Tiako io ho ampiasain'ireo manao asa mahatalanjona amin'ny fanovana ny fiaraha-monina misy azy ireo.

Asehon'ny fiainan'i Nabaneh sy ny lalam-piainany fa afaka mamaritra indray ny toerana sy manome vahana ny taranaka hoavy ny fahasahiana, ny faharetana ary ny fanoloran-tena miompana amin'ny fanovana ny fiaraha-monina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.