
Mpifindramonina mpiasan'ny fanorenana ao amin'ny GCC. Sary avy amin'ny Flickr avy amin'nyILO Asia-Pacific. CC BY-ND 2.0.
Navoaka voalohany tao amin'ny Nepali Times ity lahatsoratra ity, ary naverina navoaka tato amin'ny Global Voices ny endrika nasiam-panamboarana ho ampahan'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.
Raha nitsidika an'i Arabia Saodita ny filohan'i Etazonia Donald Trump tamin'ny 13–16 Mey mba hanasonia fifanarahana mitentina an-jatony miliara dolara, tamin'ny 14 Mey 2025, dia namoaka fanadihadiana momba ny fahafatesan'ny mpifindramonina miasa ao amin'io firenena io ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona ao Etazonia, Human Rights Watch (HRW).
Nasehon'ilay tatitra fa an-jatony ireo mpifindra monina ny hatsiravin'ny fahafatesana eo amin'ny toeram-piasana nefa azo nosorohina tsara, toy ny fianjerana any amin'ny toeram-panorenana, ny fahamaizana amin'ny herinaratra, ary ny fahatapahan-doha mihitsy aza.
Tononin'ny HRW ny tsy fahampian'ny politikam-panjakana sy fomba fiasa mahomby hamaritana ny anton'ny fahafatesan'ny mpifindramonina mpiasa. Efa misy ny paikam-piasana, saingy tsy ataon‘ny manampahefana Saodiana ny manao famotorana lalina amin'ireo tranga miverimberina ary tsy nanome ara-potoana ny onitra sahaza ho an'ireo fianakaviana tra-boina ry zareo.
Araka ny lalàna Saodiana, takiana amin'ny mpampiasa manana mpiasa 50 na mihoatra ny mampihatra ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-piarovana, ny mampiofana, ny manombana ny loza mety hitranga eo amin'ny toeram-piasana, ary ny miantoka ny fanomezana fitaovana fiarovana sy fitsaboana voalohany.
Na izany aza, nasehon'ny fanadihadian'ny HRW fa mbola mielipatrana ny fihoarampefy sy ny fepetran'asa mampidi-doza. Na dia ekena ofisialy ho aretin'ny asa aza ny aretina vokatry ny hafanana tafahoatra, dia tena tsy ampy ny fiarovana amin'ny ratra sy ny fahafatesana vokatry ny hafanana.
Matetika ny fianakaviana no sahirana amin'ny fahazoana onitra, izay lazaina ho maharitra sy mavesatra ny dingana amin'izany.
Hatramin'ny nanomezan'ny Federasiona Iraisampirenen'ny baolina kitra (FIFA) ny fanjakana Saodiana ny zo hampiantrano ny fiadiana ny amboara eran-tany tamin'ny taona 2034, dia nanangana tetikasa goavambe maromaro i Arabia Saodita mba handraisana ny fifaninanana. Mitombo isa amin'ny fananganana tetikasa goavambe toy izany ny fahafatesana sy ny ratra ateraky ny voina amperinasa, ary miteraka tahotra fa ho maro ny olombelona maty vokatry ny fifaninanana.
Tokony ho fampiatòna asa (saina mena lehibe) ho an'ny orinasa, ho an'ny mpankafy baolina kitra ary ho an'ireo fikambanana ara-panatanjahantena mitady fiaraha-miasa amin'ny FIFA amin'ny mondialy sokajy lehilahy amin'ny taona 2034 sy amin'ireo tetikasa giga Saodiana hafa ny loza am-perinasa mahatsiravina mahafaty mpiasa mpifindramonina any Arabia Saodita ,” hoy i Michael Page avy ao amin'ny HRW.
Vakio bebe kokoa: Noadinoina tanteraka ireo mpiasa Nepali mpifindramonina nanangana ireo kianja anatontosana amboara manerantany
Nantsoin'ny vondrona ireo manampahefana Saodiana, ny FIFA, ary ireo mpampiasa mandray anjara mba handray fepetra haingana, ary nanantitrantitra fa tsy maintsy anaovana fanadihadiana lalina ny fahafatesan'ny mpifindramonina/mpiasa rehetra.
Nasehon'ny fikarohana nataon'ny HRW fa lazaina ofisialy ho “antony voajanahary” ny ankamaroan'ny fahafatesan'ny mpiasa/mpifindramonina.
Tamin'ny taona 2023 fotsiny, voasokajy ho toy izany ny 74 isanjaton'ireo Indiana mpifindramonina/mpiasa miisa 1.420 maty voarakitry ny Masoivoho Indiana ao Riyadh. Voatonona tamin'ny 80 isanjaton'ny Bangladeshi maty 887 nandritra ny tapany voalohany tamin'ny taona 2024, sy tamin'ny 68 isanjaton'ny 870 noraketina ho mpiasa mpifindramonina Nepaley maty teo anelanelan'ny taona 2019 sy ny taona 2022 ny “antony voajanahary”.
Amin'ireo toe-javatra roa ireo, nampahafantarin'ny vavolombelona tamin'ny fianakaviana fa maty amperinasa ny mpiara-miasa aminy. Ny iray noho ny fahamaizan'ny herinaratra, ary ny iray kosa nandritra ny nateraky ny fanakadrihana (ascenseur). Nolazaina tamin’ireo fianakaviana fa maty tao anatin’ny torimasony izy ireo.
Nilaza koa ny Vavolombelona fa noterena hiasa avy hatrany izy ireo, rehefa nahita ny fahafatesan'ny mpiara-miasa aminy amperinasa. Niverina niasa ny ampitso, tsy nahazo fialan-tsasatra na fanohanana ara-tsaina, ny mpiasa iray vao nanala ny vatan'ny namany taorian'ny loza nateraky ny milim-piasana.
Efa nanery ny Fandaminana Ankapoben'ny fiantohana ara-tsosialy (GOSI) ao Arabia Saodita ny tsy maintsy anaovana fiantohana noho ny ratra sy fahafatesana mifandraika amin'ny asa, nefa nolazain'ny HRW ny hantsana eo amin'ny lalàna sy ny fampiharana.
Na dia nosokajiana amin'ny fomba ofisialy ho mifandraika amin'ny asa aza ny fahafatesana, dia matetika ny fianakavian'ny mpifindramonina/mpiasa no miatrika fahatarana maharitra sy sakana ara-birao amin'ny fahazoana onitra.
Nitantara ny fahafatesan'ny vadiny tampoka ny Nepaley iray mpitondratena nizara ny zavatra niainany:
I begged the company multiple times for insurance money. But they said it is not in their rules as they do not have a life insurance policy, just accidental insurance.
Imbetsaka aho no nangataka vola fiantohana tamin'ny orinasa. Nambaran’izy ireo anefa fa tsy ao anatin’ny fitsipiny izany satria tsy manana fiantohana aina izy ireo fa fiantohana noho ny voina.
Miahiahy izy fa tsy feno ny fanadihadiana momba ny fahafatesan'ny vadiny, saingy tahaka ny an'ny maro mitovy aminy, tsy ampy vola izy hanoherana ny nolazain'ny orinasa na handehanana any Arabia Saodita hahazoana fanazavana.
For many bereaved families, especially those from South Asia, the burden of securing any form of redress often shifts to welfare programs run by their own governments. Ho an'ny fianakaviana maro nidonam-pahoriana, indrindra fa ireo avy any Azia Atsimo, dia matetika mankany amin'ireo fandaharan'asa fifanampiana tantanin'ny governemantany ny havesatry ny fahazoana fanonerana amin'ny endriny rehetra .
Voafetra ary matetika tsy azon'ireo tsy manana fahazoan-dàlana hiasa mbola manan-kery ny Vatsim-Panasoavana ny Mpifindramonina amin'ny ankapobeny. Miovaova arakaraka ny firenena niaviany koa ny halalina sy ny fahalalahan-tanana amin'ny fanohanana toy izany.