
Kannavee Suebsaeng, solombavambahoaka avy amin'ny Fair Party no namahana saripika ahitàna ireo fiaraben'ny fonja misy varavarankely mainty, nivoaka ny Ivontoerana Fihazonana Mpifindramonina tao Suan Phlu. Loharano : Prachatai, mpifampizara votoaty amin'ny Global Voices. Fampiasàna ara-drariny.
Nandefa Uyghurs 40 hiverina ho any Shina ny governemanta Thai na teo aza ny fampitandremana avy amin'ireo mpanao adisisika mpiaro zon'olombelona hoe mety hiatrika famonjàna tsy ara-drariny, fampijaliana, ary hatramin'ny fahafatesana ireo voaroaka sy ny fianakavian'izy ireny.
Taorian'ny fidirany tsy ara-dalàna tao amin'ilay firenena, efa mihoatra ny folo taona ireo Uyghurs 40 ireo no voatazona tao Thailandy. Tamin'ny 2014, nandositra an'i Xinjiang ireo olona ireo ary nanandrana nitady fialokalofana tamin'ny fotoana nahasamborana an-dry zareo tao Thailandy.
Ny Uyghurs dia miozolmàna miteny tiorka any amin'ny faritra andrefan'i Shina, ahitàna an'i Xinjiang. Nanomboka tamin'ny 2016, ny Firenana Mikambana sy ireo vondrona erantany mpiaro zon'olombelona no nampaneno lakolosy fanairana momba ny fanitsakitsahana henjana ny zon'olombelona atao an'ireo Uyghurs taorian'ny nampiharan'i Shina famoretana faobe tao amin'ilay faritra sy ny nananganany ireo “toby fanarenana” voalaza fa nikendrena ny hanafoanana ny maripamantarana sy ny kolontsaina Uyghur.
Tamin'ny Janoary, ho fanoherana ilay fikasàna hamerina azy ireo any Shina dia nanao fitokonana tsy hihinan-kanina ireo Uyghurs voatazona tao Thailandy. 18 andro taorian'izay, natsahatr'izy ireo ny hetsipanoherana rehefa nampanantena azy ireo sy ny vahoaka ireo manampahefana Thai fa hijanona ao amin'ny firenena ihany ry zareo.
Saingy tamin'ny 27 Febroary, notaterina nangingina avy ao amin'ilay toby fitazonana mpifindramonina ry zareo ary nandray sidina niala ny firenena. Ny tranonkalam-baovao shinoa Xinhua nitatitra hoe “teratany shinoa miisa 40 voarohirohy ho nifindra monina tsy ara-dalàna no nampodiana avy any Thailandy, tafiditra ao anatin'ny fiarahana manao famoretana ny heloka bevava miampita sisintany.” Tsy nisy fanamarihana mihitsy hoe ireo olona voaroaka dia mpitsoa-ponenana nandositra an'i Shina mba hialàna amin'ny fanenjehana.
Ny praiminisitra Thai, izay nanao fitsidihana ara-panjakana tany Shina tamin'ny Febroary, dia nilaza fa “an-tsitrapo” no nialàn'ireo Uyghurs ilay firenena ary ireo manampahefana shinoa dia nanome “fiantohana” ho fiarovana an'ireo nampodiana. Ny sekretera miahy ny fiarovana ao aminy dia nanampy fa ny governemanta Thai dia “niasa tamin-kitsim-po ary te-hisoroka disadisa diplaomatika” satria tsy nisy mihitsy firenena vonona handray ireo mpitsoa-ponenana.
Fa ny solombavambahoaka avy amin'ny Fair Party, Kannavee Suebsaeng, dia namoaka taratasy avy amin'ny sasantsasany tamin'ireo Uyghurs voaroaka sy ny fianakavian'izy ireny izay nanao antso manohitra ny fampodiana an-tery an-dry zareo ho any Shina. Nampahatsiahivin'ilay mpanao lalàna ihany koa an'ireo manampahefana fa i Tiorkia efa nanambara ny fahavononany handray an'ireo Uyghur mpitsoa-ponenana.
Mifandray amin'io, renim-pianakaviana Uyghur iray no nampakatra ity lahatsary manaraka ity tamin'ny Janoary niangavy ny hamotsorana ny zanany lahy sy ireo hafa mpitsoa-ponenana voatazona ao Thailandy (manomboka eo amin'ny 5:37).
Vetivety foana dia nohelohin'ny Firenena Mikambana, ireo vondrona mpiaro zon'olombelona ary governemanta vitsivitsy ilay vaovao momba ny fandroahana tampoka an'ireo Uyghurs 40. Ity lahatsoratra avy amin'ny vondrona fiarahamonina sivily Freedom House ity no namintina ny fanehoankevitr'ireo vondrona mpiaro zon'olombelona.
Yesterday's decision by the Thai government to deport 40 Uyghur men back to China is a complete abandonment of the country's human rights obligations and an egregious example of #transnationalrepression.
As weeks of international outrage have emphasized, nothing awaits these men… https://t.co/1FVvz65cqE
— Freedom House (@freedomhouse) February 27, 2025
Ny fandroahana omaly nataon'ny governemanta Thai an'ireo lehilahy Uyghur 40 haverina any Shina dia fialàna tanteraka amin'ireo andraikitry ny firenena amin'ny zon'olombelona, no sady ohatra ratsy amin'ny #famoretanaIraisampirenena.
Araka ny voasoritr'ireo herinandrom-patezerana iraisampirenena, tsy misy na inona na inona miandry ireny lehilahy ireny… https://t.co/1FVvz65cqE
— Freedom House (@freedomhouse) 27 Febroary 2025
Phil Robertson avy amin'ny Asia Human Rights and Labour Advocates nilaza fa tokony nialàn'i Thailandy ny sezany ao amin'ny Filankevitry ny Firenena Mikambana momba ny Zon'Olombelona noho ny fihetsiny tsy manaraka ny etika.
Io fanitsakitsahana goavana ny zon'olombelona io dia mamàfa ny fihatsarana ivelantsihin'ny praiminisitra Paetongtarn Shinawatra sy ny governemanta Thai tarihany izay nilaza ho mpikambana iray manaja ny zo ao amin'ny Filankevitry ny Firenena Mikambana momba ny Zon'Olombelona. Mba hanehoany ny andraikiny tamin'ilay fihetsika mahasorena sy tsy azo ekena, tokony hametra-pialàna ny governemanta Thai ary handao ny sezany ao amin'ny Filankevitra.
Ity sariitatra nataon'i stephff ity, mpanao sariitatra malaza monina ao Bangkok, no maneho ny tombontsoa jeôpôlitika manodidina ilay olana:
Please don't send them back to China where they face harsh persecution ! @PravitR @LiaSciortino @Reaproy @Piyabutr_FWP @CartooningPeace @pedroletti pic.twitter.com/jvvGiT80LJ
— stephff cartoonist (@stephffart) February 27, 2025
Miangavy, aza alefa miverina any Shina ry zareo, toerana mety hiatrehan-dry zareo fanenjahana henjana ! @PravitR @LiaSciortino @Reaproy @Piyabutr_FWP @CartooningPeace @pedroletti pic.twitter.com/jvvGiT80LJ
— stephff cartoonist (@stephffart) 27 Febroary 2025
Ho setrin'izany, ny masoivoho shinoa ao Thailandy dia nanitrikitrika fa tsy manana mihitsy zo hitsabaka amin'ilay raharaha ireo andrim-panjakana tandrefana. Mba hanoherana ireo honohono momba ny fiarovana ireo voaroaka dia namoaka sary izy ahitàna ny fihaonan'ireo fianakaviana taorian'ny nahatongavan'ireo Uyghurs 40 tao an-tanànan'i Xinjiang any Kashgar. Notsindriany ihany koa fa ireo Thai manampahefana dia afaka mandrakariva mitsidika ireo Uyghurs 40 any Xinjiang.
Nandefa solontena hijery maso ny zavamisy any an-toerana ny governamnta Thai. Amin'ny hoavy, horaisin'i Shina an-tanan-droa hatrany ny solontenan'ny governemanta Thai tonga hitsidika sy hamantatra ny fepetra iainan'ireo olona voaroaka. Ho an'ireo ao Thailandy izay miahiahy momba ny zavamisy ao amin'ny faritr'i Xinjiang any Shina, entaninay izy ireny hitsidika an'i Xinjiang ary hiaina mivantana ny fivoaran'ilay faritra, ireo fiovàna, ary ny fiainana sambatr'ireo olona ao.
The Chinese Embassy on Fri night released pics of some of the 40 #Uyghurs who were deported back to #China from #Thailand & said they have been released to “lead a normal life” & the Chinese gov't is ready to welcome Thai officials to check on them in the future. #ChinainThailand pic.twitter.com/V9m5Z3L7Hd
— Khaosod English (@KhaosodEnglish) March 1, 2025
Tamin'ny alin'ny Zoma, namoaka sarin'ny sasantsasany tamin'ireo #Uyghurs 40 noroahany avy ao #Thailandy hiverina any #Shina ny masoivoho shinoa & ary nilaza fa navotsotra izy ireny mba “hiaina fiainana ara-dalàna” & ary ny governemanta shinoa dia vonona ny handray ireo Thai manampahefana hanara-maso azy ireny amin'ny hoavy. #ChinainThailand pic.twitter.com/V9m5Z3L7Hd
— Khaosod English (@KhaosodEnglish) 1 Martsa 2025
Kanefa, ilay zokiolona mpanao gazety, Pravit Rojanaphruk, nanamarika hoe “loza mahatsiravina ho an'i Thailandy amin'ny resaka fifandraisana amin'ny maha-olona” ilay fandroahana tampoka, ary mampiahiahy ilay kiafinafina nanodidina ilay hetsika.
Tamin'ny 2 ora maraina, nentina nivoaka ny toby Thai fitazonana mpifindramonina ireo olona ireo, tanaty fiara enina, voarakotra scotch mainty ny varavarankely rehetra ary nafenina ny famantarana hoe pôlisy, tsy nisy fiara hafa navela hanaraka. Fomba iray tsy nanara-dalàna izao mba hitaterana olona hamonjy seranam-piaramanidina ho any Shina sy hiverina amin'ny fiainana ara-dalàna.