Hatrany Oganda ka hatrany Sri Lanka: ny ady ho amin'ny fitoviana sy fahafahan'ny LGBTQ+

Franck Musigha. Sary avy amin'i Frank Musigha, nahazoana alàlana.

Fanadihadian'i Clarisse Sih sy i Bibbi Abruzzini

Rehefa misy feo manohitra ny fampahoriana dia mihaino azy izao tontolo izao, ary manomboka ny fiovàna. Amin'ity taona ity, mizara tantara miavaka momba an'i Frank Mugisha, ogandey mpisolovava mpiaro ny zon'ny LGBTQ +, sy i Rosanna Flamer-Caldera, miady ho an'ny hasin'ny maha-olona any Sri Lanka ny “fanentanana Dia Miaraka Aminay” ary ny fahasahiana sy fikirizan'izy ireo no manazava ny lalana mankany amin'ny rariny sy fanekena ho an'ny rehetra.

Nangina mizotra hatanjaka

Manerana an'i Afrika, 31 ireo firenena mbola manameloka tanteraka ny fiarahan'ny lehilahy samy lehilahy na vehivavy samy vehivavy, mahazo sazy manomboka amin'ny fanagadrana izany ary mety miafara hatramin'ny fahafatesana mihitsy aza. Lalàna efa hatramin'ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany ireo lalàna ireo, izay mampidi-doza no sady mamoritra olona LGBTQ+ an-tapitrisany maro manerantany.

Na dia eo aza ireo fanamby ireo, manana anjara asa lehibe ny vondrona mpisolovava toy ny Sexual Minorities Uganda (SMUG) amin'ny famondronana firaisankina iraisam-pirenena, sy amin'ny fampahafantarana ireo toe-javatra zava-manjò ny fiaraha-monina LGBTQ+ ao Afrika.

“Nanomboka tao an-trano ny diako, nandà ny hangina momba ny fananahako”, hoy i  Frank Mugisha, mpisolovava ny LGBTQ+ no sady tale mpanatanteraka eo anivon'ny SMUG, tamin'ny antsafa nataon'i Bibbi Abruzzini sy Clarisse Sih tao amin'ny tambazotra Forus. “Te hanome toerana hahafahan'ny olona maneho ny tena fiziany aho” hoy ihany izy nanazava, raha nieritreritra ireo ezaka nataony nitondràny fiononana, fanovozana ary fanantenana.

Naorina ny taona 2004, lasa fanilo ho an'ny fiaraha-monina LGBTQ+ ao Oganda ny fisian'ny SMUG, na dia teo aza ny fanenjehana azy ireo. “Nanjary lasa ampinga sy hery ny fahitàna anay” hoy i Mugisha, mitantara ny ezaka toy ny fanentanana “Aleo izahay hiaina am-pilaminana”  tamin'ny taona 2007. Na teo aza anefa ny fanentanana sy ny fanaovan'ireo mpandray anjara saron-tava ho mariky ny tsy fahafantarana anarana sy mahaolombelona, izay niezaka nitady fangorahana, dia mbola herisetra mahery vaika ny setriny.

This was when we realized the importance of staying visible. We needed to show the world who we are and what we endure.

“Tamin'izany no nahatsapanay fa tena manan-danja ny tokony hijoroanay tsy an-kiafina. Mila mampiseho an'izao tontolo izao hoe iza izahay sy ny tsy rariny iainanay”

Tsy hoe tsy nisy fanamby goavana ny dia. Nisy lalàna nandràra ny fifankatiavan'ny olona mitovy fananahana ny taona 2023, izay nosokajian'i Franck ho toy ny lalàna “mamporisika hankahala olona sy fanavakavahana” izay nanohina mafy ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ any Ogandà. “Nandrakitra fanitsakitsahina mihoatra ny 1.060 izahay tao anatin'ny sivy volana” hoy ihany izy nitantara tamin'ny antsipiriany ireo tranga fandroahana, herisetra ary famonoan-tena mihitsy aza.

Kanefa na izany aza, ny fanolorantenan'i Frank sy ny finiavany hamorona endrika vaovao amin'ny fiaraha-miasa no manome hery ny tolona ataony. Manoloana ny fandrahonana ho faty sy ny fampihorohoroana, ny fahaverezana asa sy namana, ary anisany amin'ireo olom-bitsy sahy mijoro amin'ny maha hafa azy ara-pananahana any Oganda, tsy mbola nihemotra amin'ny ady ataony hiarovany ny zon'ny LGBTQ+ i Frank Mugisha. Nahazoany toerana tao amin'ny 2024 Time 100 list, ny Robert F. Kennedy Human Rights Award, sy ny fanendrena Loka Nobel ny fandriampahalemana ny asa nataony. “Nahita firaisankina manerantany izahay — avy amin'ny haino aman-jery hatramin'ny governemanta iraisampirenena— ary izany no fiainanay. Izay feo rehetra hasandratray dia dingana iray mankany amin'ny rariny.”

Miparitaka lavitra mihoatra an'i Oganda ny hafatr'i Frank. Miantso fiaraha-mientana hanoherana ny fankahalàna izy, ary mandrisika ireo mpanara-dia manerantany mba hijoro, hanao fanangonan-tsonia ary hanohana ireo fikambanana ao an-toerana :

Homophobia isn’t just an African problem; it’s a global issue. International solidarity is our safety. When you raise your voice, you represent those who can’t.”

“Tsy olan'ny Afrikana fotsiny ny Homophobia, fa olana manerantany. Firaisankina iraisam-pirenena no antoka maharo anay. Rehefa manandratra ny feonao ianao dia efa solontenan'ireo izay tsy afaka manao izany.”

Ahitàna akony amin'ny mpikatroka manerantany sy ho amin'ny firaisankina ny antso ataon'i Frank. Manerana ny kaontinanta, mamaritra ny lalany manokana amin'ny tolona fitovian-jon'ny rehetra, ny ady ataon'ny olona toa an'i Rosanna Flamer-Caldera.

Fihetsiketsehana avy any Ogandà hatrany Sri Lanka

Rosanna Flamer-Caldera. Sary nalain'i Rosanna Flamer-Caldera, nahazoana alàlana.

Nanomboka tany San Francisco tamin'ny faramparan'ny taompolo 1970 ny dian'i Rosanna Flamer-Caldera, mpikatroka iray, fony mbola nandinika lalina ny fiziany izy. “Toy ny nifanome tanana tamiko izao tontolo izao vao tonga tao San Francisco aho”, hoy izy nandritra ny fanadihadiana nataon'i Forus. Nanjary nisy dikany ny fiainany raha vao nahita ny herijika sy ny fahavononan'ireo vondrom-piarahamonina LGBTQ+, izay tarihin'i Harvey Milk, “Tena nanova ny fiainako ny fahitako izany” hoy izy nahatsiaro. “Andriamby ho an'ny LGBTQIA+ avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao i San Francisco, ary nanome hery ahy hiseho.”

Saingy toa lasa fifohazana mafy ho ahy ny fiverenako tany Sri Lanka ny taona 1990. ” Tsapako fa heloka bevava ny maha- anisan'ny  vondrom-piarahamonina LGBTQIA+ ahy any” hoy izy nanazava. Na dia natahotra aza izy, nanohana azy hatrany ireo ray aman-dreniny. “Tsy misy takalo na sanda ny fitiavan-dry zareo ahy ary nampatsiahiviny fa na iza tiako na iza dia mety amin'izy ireo rehefa tsy mandratra ny hafa aho,” hoy izy. Io fanohanana io no antony mbola nampijoro azy.

Nihamafy ny fahavononan'i Rosanna hiandrandra fiovàna rehefa tsapany ny zava-misy henjana amin'ny rafi-pitsaràna ao Sri Lanka : ” Ny fehezan-dalàna manafay eto dia manameloka ny firaisana ara-nofon'ny samy lahy na samy vavy efa nifanaiky, ary nihevitra aho fa tsy maintsy hiova izany. Saingy ny toe-tsaina mihitsy aloha no mila fiovàna.”

Tamin'ny taona 2004, niara namorona ny EQUAL GROUND i Rosanna, fikambanana voalohany indrindra mpiaro ny zon'ny LGBTQIA+ tao Sri Lanka. Mihoatra lavitra noho ny fanavaozana ara-pitsarana ny ezaka vitan'ny EQUAL GROUND, izay mifantoka kokoa amin'ny fanabeazana sy ny fiarahan-dia.

Our aim was clear: fight to decriminalize same-sex relationships while challenging societal mindsets. We wanted to create a world where everyone could live without fear or prejudice. We encouraged friends, family, and community leaders to be vocal in their support of LGBTQIA+ rights. Building a network of allies is critical to dismantling hate.

” Nazava ny tanjonay : miady hanesorana tsy ho heloka bevava ny fiarahan'ny lahy samy lahy na vavy samy vavy, na dia manohitra ny fomba fisainana eo anivon'ny fiaraha-monina aza. Te hanangana tontolo iray tsy misy tahotra na fahavoazana izahay. Ary amporisihinay ny namana, na fianakaviana na ireo mpitarika vondrom-piaraha-monina hijoro hatrany hiaro ny zon'ireo LGBTQIA+. Tena ilaina hanafoanana tanteraka ny fankahalàna ny fananganana tambajotran'ny mpiara-dia.”

Nahazo fandresena goavana ara-pitsarana ihany koa ny fikambanana. Fandresena miavaka azon'i Rosanna tamin'ny taona 2021 ny ady ara-pitsaràna nanoloana fanamarihana manavakavaka nataon'ireo mpampiofana polisy. “Nampakatra ny raharaha izahay ary nandresy,” hoy izy. “Nodidian'ny Fitsarana ny polisy hametraka torolàlana mahakasika ny fomba ifaneraserana amin'ny olona LGBTQIA+ ary mandràra ireo teny mandratra. Dingana lehibe izany.”

Fotoana manadanja iray hafa ny raharaha 2018 CEDAW izay nanohitra ny lalàm-panavakavahana ao Sri Lanka. ” Naharitra efa-taona ny fiomanana” hoy i Rosanna “Saingy nataonay izany, ary tamin'ny taona 2022, nahazo didim-pitsaràna nametraka fiandohana ho fitaratry ny hafa manerantany izahay.” Nisy fiantraikany mahery vaika izany, toy ny fanomezam-bahana anay ao amin'ny vondrom-piaraha-monina.

Raha ny marina, araka ny tantaran'ny didim-pitsarana tamin'ny taona 2022, niandany tamin'ny Flamer-Caldera ny Firenena Mikambana tamin'ny raharaha mahakasika fandraràn'i Sri Lanka ny fifanakaikezana akaiky amin'olona mitovy fananahana, izay mihevitra azy io ho fanitsakitsahina ny zon'olombelona. Nitondra ny zon'ny LGBTQ+ ho raharaha politika voalohany tao Sri Lanka io fanapahan-kevitra io, ary nanosika mpanao lalàna iray hametraka volavolan-dalàna tsy ho heloka intsony ny fiarahan'ny lahy samy lahy na vavy samy vavy. Na dia nanambara tsy hanohitra ny fanitsiana aza ny prezidà Ranil Wickremesinghe, dia napetraky ny fitsaràna an-tampony ny tsy mampifanaraka azy amin'ny lalampanorenana. Niaraka tamin'ireo fikambanana hafa tamin'ny fanangonan-tsonia ho fanohanana ilay volavolan-dalàna ny EQUAL GROUND, fikambanan'i Flamer-Caldera mpiaro ny zon'ny LGBTQ+, ka niròna nankany amin-dry zareo ny fitsaràna tamin'ny herintaona, nanokatra ny lalana ho amin'ny fampandaniana izany ao amin'ny Parlemanta. 

Misary antsaina indray ny fahefana sy fanantenana amin'ny hoavy

Vinanin'i Rosanna ny mba hanekena ny zon'ny LGBTQ+ ho tahaka ny zon'olombelona. “Mamorona mpiara-miasa izahay ary manangana tambajotra fanohanana isan-tsokajiny amin'ny sehatra rehetra, anisany ny fizahantany”, hoy izy nanazava “Mety hanova zavatra maro na ny sehatra ara-toekarena ho an'i Sri Lanka, indrindra amin'izao fotoan-tsarotra izao, ny fizahantany LGBTQ+.”

Na dia eo aza ny fihemorana ankapobeny, toy ny fihenan'ny famatsiam-bola avy amin'ireo tsara sitrapo manerantany ; mbola tsy very fanantenana ary voatonona ho Freethinker 2024 tao amin'ny  olona zato mahasintona olona indrindra ao amin'ny gazetiboky TIME tamin'ny taona 2024 i Rosanna. “Nandalo fotoan-tsarotra izahay fa tafavoaka tao.”Raha misy vondrona iray voatafika, fotoana sisa andrasana dia lasibatra ihany koa ny hafa. Tsy maintsy miray hina isika mba hampitsaharana izany ranomodin-doza izany.” hoy hatrany izy.

Nasongadin'i Rosanna ihany koa ny anjara asan'ny fandaharanasa DEI (Diversity, Equity, and Inclusion) ho an'ny fanovàna. “Nanome fiofanana ho an'ny mpiasa maherin'ny 50.000 amin'ny orinasa 150 izahay.” hoy izy. “Hanova ny fomba fisainana eny anivon'ny toeram-piasana sy sehatra azo antoka ho an'ny olona LGBTQIA+ ny fandaharan'asa natao tamin'izany.”

Diabe miaraka aminay

Mariky ny herin'ny faharetana sy ny fitiavana, rehefa tojo sedra ny tantaran'i Frank Mugisha. Mazava ny antsony hanao hetsika, rehefa miara-mijoro : “Ndeha ho atao hetsika tsimifanavaka izy ity. Sahia mijoro ho an'ny zon'ny LGBTQ, ny zon'ny vehivavy, ary ny fitovian-jo na aiza na aiza. Ho foana ho azy ny fankahalana ary afaka hanangana tontolo iray ahafahan'ny tsirairay miaina an-kahalalahana tsy mifampitsara na mifanenjika amin'ny maha izy azy, raha miaradia isika.”

Miraikitra ao anatin'ny toe-tsain'i Rosanna Flamer-Caldera io firaisankina manerantany io. Nanomboka nahatsapany ny fiziany ao amin'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ tao San Francisco ka hatramin'ny fiverenany tao Sri Lanka niatrika ireo zava-misy henjana sy fanamelohana samihafa. Tsy mbola nitsahatra ny tolon'i Rosanna ho an'ny rariny an-taonany maro ary nahitana vokatra. Ny fianakaviany rahateo nanohana azy hatramin'ny farany, lasa mpiaro ny zon'ny LGBTQ+ ao Sri Lanka izy, ary voaporofo fa azo atao tsara ny fanovàna na dia miaina anaty tontolo manodidina tena sarotra aza.

Tamin'ity taona ity, niaradia ny roa tonta nanatevin-daharana ny tetikasa #MarchWithUs, ary nanamafy ny antso ho an'ny rariny. Ndao hiara-dia satria natao ho an'ny rehetra ny fahafahana.

Anisan'ny tetikasa #MarchWithUs, andian-tantara avy amin'ireo mpikatroka momba ny rariny manerana an'izao tontolo izao koa ity lahatsoratr'i Clarisse Sih sy Bibbi Abruzzini ity. Henoy ny tantaran'i Frank Mugisha feno sy ny an'i Rosanna Flamer-Caldera.

Mikatona ny famoahana hevitra