Toerana fiasàn'ireo Global Voices 2025 (ampahany voalohany)

Raha efa nanontany tena ianareo hoe avy aiza àry no amoahan'ireo mpikambana hafa ato anatin'ity vondrom-piarahamonina miely patrana erantany ity ireny tantaran-dry zareo sy asa fandikàna ataony ireny, tetezo midina àry hahitanareo ny sasany amin'ireny toerana fiasàna ireny!

Rahma (Governôrà Avaratra, Bahrain):

“Ity toerana iray mafàna sy mahafinaritra fisotroana kafe ao afovoan-tanàna ity dia iray amin'ireo toerana tiako indrindra hiasàna (miasa avy lavitra aho) sy andraisako anjara amin'ny Global Voices. Tsy manana toerana mendrika kokoa hiasàna ao an-tranoko aho, araka izany dia ity trano fisotroana kafe ity no lasa mpamonjy aina ho ahy!”

Melissa (Beloeil, Belzika):

“Faly tokoa aho amin'izao fotoana izao manana toerana natokana hiasàna. Ny lamba dia avy amin'ny dia iray natao tany Jordan (toerana nandraisanay anjara tamina fikaonandoha Global Voices), ilay tavy dia avy El Salvador, mitondra fandrisihana ho ahy ilay rafitra, ary ilay baolina dia manampy ahy hanatsara ny fijoroko, hehe!”

Jer (Mexico City):

“Tena be fangirika amin'ny resaka toerana fiasàko aho! Fony nifindra ho amin'ilay tranonay vaovao izahay dia nandany fotoana betsaka tokoa aho nieritreritra sy nandrafitra azy mba hahazo hazavàna tsara ka hahazoana aina sy ho manjamanja rehefa manao antso ifanatrehan-tava (video call) 💅🏻.

Eo ankavian'ny varavarankely no misy ny sezako mipetraka/mitsangana (hita eto amin'ny endrika mitsangana), mba hahafahako mibanjina ireo hazo rehetra, ary eo ankavanana ny jiro fanaovako video, izay ampy hazavana tsara mba hahatsapàna ho toy ny hoe varavarankely iray hafa.

Mazava loatra, ny zavatra tena misongadina indrindra dia i Hibou, ilay sakako siberiàna, izay miambina mba hahazoana antoka hoe tsy manao tsirambina aho 😼”

Juliette (Yaoundé, Kamerona):

“Eo anelanelan'ny maha-reny sy ny asa matianina 😊. Fifangaroana iray lafatra 👌.”

Pei-Chi (Taipei, Taiwan):

“Any amin'ireo tendrombohitra ao Taipei avaratra aho no monina. Avy eo amin'ny toerana fiasàko, samy tazako ireo tendrombohitra sy ny ranomasina. Somary miala lavitra kely ny afovoan-tanàna izy io, nefa tiako. Misy fahatsapàna fiasàna sy fiainana anaty fahalemana avy eto :)”

Gina (Quito, Ekoatora):

“Cada vez que me siento a escribir para Global Voices, mi gata Maggie se coloca detrás de la computadora para que le haga caricias. Siempre me acompaña en cualquier lugar que me encuentro en casa. Me gusta escribir acompañada de la luz del día y el silencio de la mañana.”

“Isaky ny mipetraka aho hanoratra ho an'ny Global Voices, dia mipetraka ao ambadiky ny solosainako i Maggie sakako mba ho azoko safosafoina. Manaraka ahy eraky ny trano izy. Mankafy manoratra mandritra ny andro mazava aho, mihanoka ny fitonian'ny maraina.”

Louis (Kigali, Roandà):

“Ity no efitrano fandriako sy birao toerana iasàko sy anoratako ny ankamaroan'ireo lahatsoratra ho an'ny GV.”

Gabriela (Lima, Pero):

“Zoro iray ao amin'ny efitranoko izay tsy dia lehibe manao ahoana izy ity, tsy manatrika varavarankely. Tia miasa eo am-pihainonana mozika aho. Na dia tsy tia tabataba aza aho, tsy mahavita miasa anaty fahanginana. Araka izany, ny mozika no namako rehefa miasa. Ny olana dia rehefa tiako ilay hira ary manomboka mihira aho… ary varimbariana! Zoro tena an'ny tena manokana io ka mety hitoetra ao andro maro misesy ny “fandaminako”.”

Mamisoa (Madagascar):

“Faritra ambanivohitra no misy ny toerana fiasàko, izay manome tontolo milamina sy manainga fanahy, na ho an'ny asa, na ho an'ny fampianarana. Misy toerana kely natokana ho an'ny fampianarana ao, izay anolorako fampianarana maimaimpoana ny fiteny frantsay ho an'ireo ankizy eo an-toerana, indrindra fa ao anaty vondrom-piarahamonina iray tsy manana fahafahana hamonjy sekoly fianarana fiteny vahiny.”

Emma (Kingston, Jamaika):

“Zoro iray ao an-trano no toerana fiasàko, misy varavarankely mitodika any an-jaridaina. Indraindray (amin'ny maha-ornitôlôgy mavitrika) dia varimbariana aho noho ny amin'ireo vorona eo amin'ny sisin'ny varavarankely! Manotrona ahy ilay Buddha voasokitra mahafinaritra (novidiako tao Sri Lanka fony nanatrika ny Vovonambe GV) sy ny tetiandro artistikako, hatramina andiana Avocets (vorona britanika tsara tarehy mponina amin'ny toerana mando). Mety ho ambony ambany kely ihany ny latabatro. Ilay iMac-ko mahagaga no ivom-pivezivezeko!.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.