
Fandravahana nataon'ny Global Voices nampiasàna Canva Pro.
Avy amin'i Lorena Andrade, mpikambana ao amin'ny tetikasam-panaovan-gazety Mi Historia
Tamin'ny taona 2018, niova tamin'ny fomba tsy noeritreretiko mihitsy ny fiainako . Nihalehibe tao amin'ny distrikan'i Meta ao Kolombia aho, izay soso-kevitra fotsiny ny lalàna ary nomena ny fahantrana. Any, mora rembin'ny vondrona mitam-piadiana, indrindra ho an'ireo elatra mpanohitra ao amin'ny Fuerzas Armadas Revolucionarias de Colombia (FARC) ny ankizy sy ny zatovo, na ankizivavy na ankizilahy.
Hatramin'izay, toerana azo antoka ho ahy ny baolina kitra. Isaky ny hariva, rehefa avy nianatra, dia nihazakazaka nankany an-kianja niaraka tamin’ireo namako aho ary nanazatra tena mandra-pahamaizin'ny andro. Tamin’ny iray tamin’ireny fanazaran-tena ireny no nihaonako tamin’i David. Mpianatra vaovao izy tany am-pianarana, zaza 17 taona niditra tao amin'ny kilasy taona fahasivy. Nahafinaritra ahy hatrany am-boalohany izy; niresaka be izahay, ary niandry ahy hatrany izy tamin’ny faran’ny fanazaran-tena. Niasa tsikelikely haka ny fitokisako izy ary, tamin'ny farany, tao am-poko. Nanomboka niaraka izahay ary nihevitra aho fa nahita olona manokana ho ahy nandritra ny enim-bolana.
Saingy indray andro, taorian'ny fanazaran-tena, namely ahy toy ny olona nandaka ny baolina teo amin'ny tarehiko ny zava-nitranga. Irery izahay tamin'izay, ary niova tanteraka ny nataony. Nosarangotiny mafy aho ary nilaza tamiko izy fa tsy maintsy hiaraka aminy aho. Nijanona kely ny foko. Niezaka ny hahatakatra izay nitranga, saingy tsy nahetsika aho noho ny tahotra. Nolazaiko taminy fa tsy afaka ny handeha miaraka aminy aho. Tamin’izay izy no niaiky fa raha tsy hiaraka aminy hanatevin-daharana ny mpiady anaty akata aho dia hovonoin-dry zareo izy. Tamin'izay fotoana izay dia tsapako fa fandrika daholo izay rehetra teo aloha. Ny fotoana rehetra nifanaovanay, ny haka ahy ho mpiady anaty akata no tena fikasan’i David. Nampiasa fikaotìna sy fanodikodinana ara-pihetseham-po izy ho fitaovam-piadiana.
Efa nampiasa ny fikaotìna ho teknika fakana mpiasa ny vondrona mitam-piadiana any Kolombia. Saingy, zava-baovao ao amin'ny Llanos Orientales any Kolombia, ny lemaka andrefana misy anay, ny fanerena ny tovolahy haka tovovavy tanora kokoa.
Satria mitady hanitatra sy hameno ny banga navelan'ny fametrahana fitaovam-piadiana vao haingana ireo antoko nisintaka tao amin'ny FARC sy ireo vondrona mitam-piadiana hafa, dia manararaotra ny fahalemenay ry zareo. Mampanantena fiarovana sy filaminana ary fahatsapana firaisan'aina izay banga ao an-tokantranonay ry zareo. Nampitandrina anay momba ny fomba fiasany ny mpampianatra anay, ary nahafantatra tantara momba ny tanora hafa izay latsaka tao anatin'io fandrika io koa aho. Fa tsy nieritreritra mihitsy anefa aho hoe mety hitranga amiko izany.
Tsara vintana aho. Hitan’ny anadahiko niady teny an-dalana izahay tamin’io andro io, ka nihazakazaka namonjy ahy izy. Tsy fantatro izay mety hitranga raha tsy teo izy. Angamba tsy ho eto aho hilaza ny tantarako. Ankehitriny, mbola milalao baolina aho, saingy tsy mitovy amin'ny taloha intsony izany. Nisy zavatra vaky tao anatiko tamin’io andro io. Angamba izany no fahaverezan'ny tsy fananan-tsiny, ny fahatsapana ho tsy amin'ny toerana azo antoka intsony, na tsy afaka mianoka ny fahasambarana madio amin'ny fanenjehana baolina.
Araka ny voalazan'ny Vaomieran'ny Fahitana ny Fahamarinana (Comisión para el Esclarecimiento de la Verdad) sy ny Fianarana ny Toetran'ny Tanora Voaroaka [Estudio de caracterización de la niñez desvinculada (2013–2022)], navoakan'ny UNICEF sy ny Ivontoerana Kolombiana momba ny fiahiana ny fianakaviana Kolombiana, matetika avy amin'ny darangan'olona mahantra sy ambanivohitra ireo nangonina ankaterena. Teknikam-panangonan'olona hiasa voarindra sy tsara petraka ampiasain'ny vondrona mitam-piadiana amin'ireo tanora ireo ny fanodikodinam-pihetseham-po, ary matetika ireo tovovavy, indrindra ireo izay niharan'ny fampijaliana na fanararaotana tao amin'ny fianakaviany, no tena mora iharan'ny kendaroroka ara-pihetseham-po.
Iray amin'ireo maro ny tantarako. Eto Llanos Orientales, ampy hakana fanahy ireo tanora sasany hanatevin-daharana ireo vondrona mitam-piadiana ny fampanantenana fiainana tsara kokoa na sakafo mafana fotsiny. Misy ny nalaina an-keriny, ny sasany iharan'ny kendaroroka, ary ny sasany omena kolikoly. Miova ny fomba fiasa, fa mitovy ny vokany: very ny fahazazana sy ny hoavinay.
Amin'izao fotoana izao, miady foana aho na eo amin'ny kianja filalaovana baolina kitra na eo amin'ny fiainana. Isan'andro aho dia miezaka mamerina ny sasany amin'ireo very, sady ho feon'ireo izay tsy afaka mitantara ny tantarany. Satria ao anatin'izany haizina rehetra izany, dia mila mahatsiaro fa mbola misy ny fanantenana, ary afaka manova ny anjara isika raha mitambatra.