
Cullighan Tanda. Loharano: Facebook
Famafàna ny fahalalahana maneho hevitra no namaritan'ireo vondron'ny haino-vaky-jery ny fampiatoana tampoka tamin'ny asany ilay mpampiantrano sy mpanentana malaza tamina onjampeom-panjakana iray tao Papouasie-Nouvelle-Guinée.
Tany am-boalohany dia naato roatokom-bolana i Cullighan Tanda , mpampiantrano sy mpanentana ao amin'ny FM100 (Kalang Advertising Limited) taorian'ny nitafàny tamin'ilay pôlitisiàna mpanohitra, Allan Bird, izay governeoran'ny East Sepik ao Papouasie-Nouvelle-Guinée. Nametra-panontaniana momba ilay fampiatoana i Tanda ary naneho ny “ahiahiny lalina momba ny fomba nanatanterahana ilay olana ara-pitsipika.” Taorian'izay, noroahana hiala tamin'ny asany izy.
Ny FM100 dia ao anatin'ny Telikom PNG Limited, orinasam-panjakana misahana haino-vaky-jery.
Neville Choi, filohan'ny filankevitry ny haino-vaky-jery ao amin'ny firenena, dia nanameloka ny “fampiharana fanapenam-bava sy fanilihana mpiasan'ny haino-vaky-jery miasa amin'ireo fikambanana haino-vaky-jery an'ny fanjakàna.”
Andry lehibe ijoroan'ny demaokrasia ny haino-vaky-jery malalaka, matanjaka ary tsy miankina. Izy no vatofehizoro mamela ny hisian'ny fahalalahana maneho hevitra, sy ny fahalalahana miteny. Tsy ahafahan'ny olona iray hanana zo hamoritra ireo mpiasan'ny haino-vaky-jery izay tsy manao afa-tsy ny asany, ary manao izany tsara, ny fanànana toerana ambony na fahefàna, indrindra fa ireo mpiasam-bahoaka mpila ranondranony maniry ny hahazo fitia imason'ireo mpitantana raharaham-panjakana amperinasa.
Choi dia nanamarika tranga tany aloha nahavoarohirohy mpanao gazety izay niatrika sazy noho ny namoahany tatitra manakiana.
Tao anaty ranty iray tamin'ny Facebook, nanitrikitrika i Bird fa tsy niteny na inona na inona manala baràka na manendrikendrika tao anatin'ny antsafa niarahany tamin'i Tanda. Niantso hanaovana “hetsipanoherana tsy fanaovana na inona na inona” izy, amin'ny alàlan'ny fanoavana ankivy ireo fandraharahàn'ny Telikom PNG Limited.
Mampahatahotra ny làlana izoran'ny firenentsika manoloana ny hetsika ataon'ireo Cartels ao anatin'ny fitondràna hamelezana ny mpanao gazety.
Tena diso fanantenana tanteraka aho amin'ny fomba nasetrin'ny fitantanan-dry zareo, indrindra fa rehefa nihaona tamin'ny Tale Jeneraliny talohan'ilay fampisehoana ka nahafahany nandà izany tamin'io fotoana io.
Ankehitriny, miantso ny rehetra eto Papouasie-Nouvelle-Guinée aho mba hanao hetsipanoherana tsy anaovana inona na inona hanoherana ny fihetsik'ireo mpiasa avy amin'ny governemanta.
Adrian X mpampiasa X (Twitter taloha) dia nametraka an-tambajotra taratasy iray fitarainan'i Tanda ary nangataka hahafantatra ny anaran'ireo manampahefana nanao tsindry tamin'ny FM100.
Tokony homen'ny Tale Jeneralin'ny Kalang Advertising Limited antsika ny anaran'ireo olona avy any ambony any. Iza no arovan-dry zareo? Maninona no tsy namoaka fanambaràna an-gazety momba izay antony tao ambadikin'ny fampiatoana sy ny fandroahana an'i Culligan? Misy zavatra faran'izay tena tsy mazava mitranga ao.
Robert Iroga, filohan'ny Pacific Freedom Forum, dia nanameloka ilay fandroahana no sady nanamafy ny filàna mitazona ny tsy fiandaniana ao anatin'ny matoan-dahatsoratra.
Ny fanarahamaso sy ny fitantanana ireo efitrano famoahana vaovao dia tsy tokony hitondra amin'ny fanampenam-bava sy fandroahana mpanao gazety, tsy misy dingana narahana na fandraisana andraikitra.
Ny tsy fiandaniana amin'ny matoan-dahatsoratra no zavatra ananantsika rehetra avela ho mpanao gazety ny mpanao gazety. Io no fanalahidy hiantohana ny fanomezana demaokrasia miroborobo, fanjakana itokisan'ny vahoaka, ary vahoaka mahara-baovao.
Ilay mpanao gazety avy ao Fiji, John Rabuatoka, dia naneho firaisankina tamin'i Tanda.
Rehefa nangatahan'i Cullighan ireo mpitantana mba hilaza aminy izay fitsipi-pitondrantena nambara ho tsy nohajainy, dia noroahana izy. Tsy nisy fanazavàna. Tsy nisy nangarahara. Fa dia fahanginana sy sivana fotsiny. Ny hany nambaran'ny lehibeny dia hoe “Tsindry avy any amin'ny fara-tampony”.
Tsy resaka hoe mpanao gazety iray monja, fa ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ao Papouasie-Nouvelle-Guinée sy ao Pasifika no niharam-pamelezana. Ho an'ny governemanta rehetra dia mifanohitra amin'ny demaokrasia ny fitsabatsabahana amin'ny haino-vaky-jery, indrindra moa fa ny fanasaziana ireo matianina manome fitenenana ny rehetra momba ny fahitàny ny tantara
Ny Vaomiera Maharitra misahana ny Fifandraisana ao amin'ny Antenimiera dia nanokatra fanadihadiana momba ilay olana. James Marape, praiminisitra ao Papouasie-Nouvelle-Guinée, koa dia namoaka baiko hanaovana fanadihadiana, ary nanampy fa tsy mahafantatra na inona na inona momba ilay raharaha izy.
Ao anatin'ny fanomezana laharana 2025 avy amin'ny Reporters Sans Frontières dia laharana faha-78 i Papouasie-Nouvelles-Guinée amin'ny Tondron'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety.