Miaraha aminay hanatontosa “Edit-a-thon”: Manamafy orina ny Wikipedia Malagasy iarahana amin'ny Global Voices

Misy atrikasa edit-a-thon, fanitsian-dahatsoratra maharitra indray manezaka, kasain'ny Wikimedia Community User Group Madagascar sy ny Global Voices Malagasy hotontosaina amin'ny faritra efatra manerana an'i Madagasikara mandritra ny tontolo andron'ny 31 May 2025 ho avy izao. Asain'ireo vondrona roa ireo hisoratra anarana handray anjara izay liana amin'ny fitondrana anjara biriky hanabe voho ny fahalalàna maimaimpoana amin’ny teny malagasy, ho lalana iray hanasongadinana kokoa ny fitenintsika amin’ny sehatra nomerika (dizitaly/ankihy).

Fitaovana tena ilaina amin'ny fahazoana fahalalàna misokatra momba ny lohahevitra lehibe sy kely ny Wikipedia, rakipahalalana anjotra maimaimpoana natsangana sy nandrafetan'ny mpilatsaka an-tsitrapo avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao lahatsoratra maro. Tsy amin'ny fiteny be mpampiasa toy ny teny anglisy sy frantsay ihany no hikirakiràna ny Wikipedia, fa amin'ireo fiteny tsy maro mpiteny (manerantany) toy ny teny malagasy koa. Ankehitriny efa kely sisa dia hahatratra 100.000 ny lahatsoratra dikan-teny malagasy amin'ny Wikipedia. Na dia amin'ny teny malagasy aza ireo lahatsoratra ireo, dia matetika tsy amin'ny teny malagasy ny loharano nanovozana azy ireny.

Screenshot of the front page of Wikimedia in Malagasy

Pikantsarin'ny pejy fandraisana amin'ny Wikimedia teny Malagasy

Manana vaovao/lahatsoratra maherin'ny 20.000 momba ny olona sy ny toerana manerana izao tontolo izao izay mety ho loharano sarobidy ho an'ny Wikipedia malagasy amin'ny toerana azo ampidirana azy ny dikan-tenin'ny Global Voices amin'ny teny malagasy, fampitam-baovao tariham-bondron'olona (izany hoe tsy orinasa) ary tsy mitady tombombarotra.

Screenshot GV Malagasy

Pikantsarin'ny Global Voices amin'ny teny Malagasy

Tena ilaina amin'ny fampivoarana ny Wikipedia amin'ny teny malagasy ny fananana fanovozan-kevitra amin'ny teny malagasy, noho izany, tena fanararaotra ho an'ny Wikipedia sy ny Global Voices eto Madagasikara ity fiarahamiasa ity hampiroboroboana ny teny malagasy — izay tanjon'ity atrikasa ity indrindra.

Noho ny fanohanan'ny Knowledge Equity Fund, Orina Mpanasoa an'ny Wikimedia, dia faly izahay manambara fa miara-miasa amin'ny fikarakarana ity hetsika natao hampiraisana tanjona ity ny Wikimedia Community User Group Madagascar sy ny Global Voices Malagasy : ny fampitomboana ny fahalalàna misokatra amin'ny fiteny malagasy.

Momba ireo mpikarakara

Wikimedia Community User Group Madagascar dia vondrona tanora mpirotsaka an-tsitrapo mitozo amin'ny fampivelarana ny fahalalàna momba an'i Madagasikara amin'ny famoronana lahatsoratra vaovao sy fanatsaràna ny votoaty efa misy ao amin'ny sehatra Wikimedia.

Ny Global Voices dia vondrom-piarahamonina iraisampirenena ahitana mpanoratra, mpandika teny, ary mpikatroka miaro ny zon'olombelona. Miaraka isika mitrandraka ny herin'ny aterineto mba hizaràna tantara mba hiampita sisintany ny fahatakarana. Ao anatin'ity tambajotra manerantany ity ny Global Voices Lingua Malagasy, izay miompana amin'ny fandikana ny lahatsoratra/vaovaon'ny Global Voices ho amin'ny teny malagasy, azo alaina amin'ny alàlan'ny fahazoan-dàlana maimaimpoana.

Tanjon'ny atrikasa

Hanovozan'ny mpandray anjara ireto fahaiza-manao manaraka ireto ity atrikasa ity:

  • Mamorona sy manova (manatsara) votoaty amin'ny teny malagasy amin'ny fampiasana ny sehatra Wikimedia.
  • Mampiasa ny lahatsoratra avy amin'ny Global Voices Malagasy ho toy ny loharano azo antoka.
  • Mampifandray ny vondrom-piarahamonina roa tonta hiasa miaraka mankamin'ny iraka iraisana
  • Manangana tambajotra hifanohanana sady mampifandray ireo mpandray anjara.

Sarintanin'ireo faritra efatra hanatontosana ny atrikasa.

Antsipirihan'ny hetsika

  • Daty: 31 May 2025
  • Fotoana: 9 ora maraina – 4 ora folakandro (hisy sakafo antoandro maimaimpoana)
  • Toerana: Tontosaina indray miaraka amin'ny faritra efatra eto Madagasikara: Analamanga (Antananarivo), Matsiatra Ambony (Fianarantsoa), Boeny (Mahajanga), ary Diana (Antsiranana)

Tinaky amin'ireo mpandray anjara

  • Mahay mamaky teny sy manoratra ary miteny malagasy
  • Fahafahana manatrika ny atrikasa mandritra ny tontolo andron'ny 31 may
  • Fanoloran-tena handray anjara lahatsoratra telo farafahakeliny mandritra ny volana Jona
  • Fahafahana manatrika ny lanonana fanolorana ny loka amin'ny 30 Jona 2025

Hahazo mari-pankasitrahana ireo mpandray anjara namita manontolo ny atrikasa mandritra ny lanonana fanomezana ny loka.

Lanonam-panolorana ny loka: 30 Jona 2025

Loka 

  • Loka voalohany : Rakibolana Vitasoa lehibe
  • Loka faharoa: Rakibolana Vitasoa kely+ kanokanona
  • Loka fahatelo: Rakibolana Vitasoa kely

Saram-pandraisana anjara

Maimaimpoana tanteraka ity atrikasa ity ho an’ireo mpandray anjara voafantina.

Ahoana ny handraisana anjara

Fenoy –> ato <– ny fisoratana anarana handray anjara.

Fara-fangatahana handray anjara: 27 may 2025 hatramin'ny valo ora alina na 8:00 PM (ora eto Madagasikara)

Fampilazana: Hahazo fanamafisana fandraisana anjara amin'ny mailaka hatramin'ny 29 may 2025 ireo voafantina ho amin'izany

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.