
Ny Club Foreign Correspondents any Hong Kong. Sary: KellyHo/HKFP. Nahazoana alalana.
Tatitra nosoratan'i Tom Grundy ary navoaka tao amin'ny Hong Kong Free Press tamin'ny 24 Avrily 2025. Navoaka ho anisan'ny fifanaraham-piaraha-miasa ara-botoaty ity endrika manaraka ity.
Nahitana ny fitsapan-kevitra nataon'ny Hong Kong Foreign Correspondents Club (FCC) ny filazan'ny ankamaroan'ny mpikambana ao aminy fa niharatsy kokoa ny tontolo iasany tao anatin'ny roa taona.
Mpikambana sivy amby enimpolo no nandray anjara tamin'ny fitsapankevitra isaky ny roa taona nataon'ny FCC momba ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety teo anelanelan'ny volana Desambra 2024 ka hatramin'ny volana Febroary 2025. Io no fitsapan-kevitry ny FCC voalohany hatramin'ny nametrahan'i Hong Kong ny Andininy faha-23, lalàna mifehy ny fiarovam-pirenena ao an-tanàna, tamin'ny Marsa 2024.
Araka ny fitsapan-kevitra farany, manodidina ny 62 isanjaton'ireo namaly no nilaza fa niharatsy ny tontolon'asa matihanina hatramin'ny fitsapan-kevitra farany tamin'ny taona 2023, raha mihoatra ny 30 isanjato no nilaza fa mieritreritra ny hiala noho ny olan'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Saika ny 6 isanjaton'ireo namaly no ho manana drafitra handaozana ny tanàna.

Valin'ny fitsapankevitra nataon'ny Foreign Correspondents Club taona 2025. Sary: FCC Correspondent Magazine nandalo HKFP. Nahazoana alalana.
Nilaza tamin'ny gazetiboky Correspondent an'ny klioba i Lee Williamson filohan'ny FCC:
This survey reflects what we see on the ground every day. It appears that sources are less willing to be quoted, some journalists continue to practice self-censorship, and many newsrooms are downsizing their Hong Kong operations… Hong Kong does not enjoy the freedoms of the press that it once did… but that doesn’t mean we should stop our advocacy work.
Mitaratra ny zavatra hitantsika eny an-kianja isan'andro ity fitsapan-kevitra ity. Hita fa tsy mazoto hotsongaina ny loharanom-baovao, manohy ny fanivanan-tena ny mpanao gazety sasany, ary maro amin'ireo efitrano famoaham-baovao no manakely kokoa ny asan'izy ireo any Hong Kong… Tsy misitraka fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety tahaka ny taloha i Hong Kong… saingy tsy midika izany fa tokony hampitsahatra ny asam-pisoloana vava izahay.
Nanampy izy fa ny fanjakana tan-dalàna sy ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety no fanalahidy hatry ny ela nitarika ny firoboroboan'i Hong Kong.
Amin'ireo nanontaniana, 64 isanjato no nilaza fa tsy vonona hilaza na hiresaka lohahevitra saro-pady ny loharanom-baovao, raha nilaza kosa ny 65 isanjato fa nanao fanivanantena tao anatin'ny 18 volana farany. Nandritra izany fotoana izany, nilaza ny 18 isanjato fa nanao fanivanantena “fatratra”.
Maherin'ny antsasany — 52 isanjato — no nilaza fa “somary niahiahy” amin'ny mety hisian'ny fisamborana na fanenjehana azy ireo noho ny tatitra nataony, lahatsoratra na hevitra na asa navoakan'izy ireo.

Sary: gazetiboky FCC Correspondent Magazine tamin'ny alàlan'ny HKFP. Nahazoana alalana.
Hita ho nihakely habe koa ny efitrano famoaham-baovao, tamin'ny namalian'ny 36,23 isanjato fa nahita fihenan'isan'ny mpiasa tao anatin'ny 18 volana. “Fitsitsiam-pandanian'orinasa” no antony notononin'ny 57,14 isanjaton'ireo namaly, raha 7,14 isanjato kosa no nanonona fiovana eo amin'ny tontolom-politika sy fitsaràna.
Tamin'ny fanambaràna iray tamin'ny 22 aprily dia nilaza ny klioba hoe:
The FCC supports journalists’ fundamental right to conduct their work freely and without fear of intimidation or harassment.
Manohana ny zo fototry ny mpanao gazety hanao ny asany an-kalalahana ary tsy misy tahotra fandrahonana na fanorisorenana ny FCC.
Mifanohitra amin'izany kosa, efa ho ny 70 isanjaton'ny mpikambana FCC nanaovana fitsapan-kevitra tamin'ny taona 2023 no nilaza fa nanivan-tena tamin'ny asa sorany, raha nilaza kosa ny 83 isanjato mahery fa “niova ho ratsy kokoa” ny tontolo iasan'ny mpanao gazety ao an-tanàna.
Fanahiana amin'ny Fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety
Nihintsana i Hong Kong tamin'ny tondro iraisampirenena amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety hatramin'ny nametrahana ny lalànan'ny fiarovana. Notanisain'ireo kiady ny fisamborana mpanao gazety, ny fanafihana ny efitranom-baovao ary ny fanakatonana fampahalalam-baovao manodidina ny 10 ahitana ny Apple Daily, Stand News ary ny Citizen News. Mpanao gazety maherin'ny 1.000 no very asa, raha maro kosa no nifindra firenena. Mandritra izany fotoana izany, nandray tondrozotram-panoratana vaovao ny fampielezam-peo RTHK vatsian'ny governemanta ao an-tanàna, namafa ny tahiriny ary nanakana ireo sehom-baovao sy seho hanihany.

Tondron'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ho an'i Hong Kong araka ny Reporters Sans Frontières amin'ny alàlan'ny HKFP. Nahazoana alalana.
Tamin'ny taona 2022, nilaza i John Lee, Lehiben'ny mpanatanteraka, fa efa “am-paosin'ny” HongKongers ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety saingy “tsy misy ambonin'ny lalàna”. Na dia nilaza tamin'ny mpanao gazety aza izy mba “hitantara zavatra tsara momba an'i Hong Kong”, dia tsy sahy namaly ny sampan-draharaham-panjakana amin'ny foto-tantara mety hahaliana.