
Fampirantiana gazety an-tsoratra marobe ao Kamerona: Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube France 24
Sahirana mafy ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety manerana izao tontolo izao. Ny fanomezana laharana 2025 avy amin'ny fikambanana Reporters Sans frontières (RSF) no manamafy io fitontonganana manerantany io, fa mba ahoana ny amin'ireo firenena mampiasa sy miteny frantsay?
Ny 2 May 2025, navoakan'ny Reporters sans frontières (RSF) ho fantatry ny rehetra ny fanomezany laharana ny toedraharaha momba ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety manerana izao tontolo izao. Marihan'ilay tatitra tamin'ity taona ity ny fahalemena ara-bola, mahatonga ny asa fanaovana gazety ho tena nanahirana. Izany dia manampy trotraka ireo tsindry maro efa voarakitra tao anatin'ny tatitra RSF tamin'ny 2024.
Ny taona 2025, niharatsy tanteraka ny toejavatra ho an'i Afrika atsimon'i Saharà, indrindra fa ho an'ny tontolo mampiasa sy miteny frantsay. Manampy an'ireo fandrahonana sy tsindry pôltika, toy ny any amin'ny faritra hafa eto an-tany ihany, ny faharefoana ara-bolan'ireo vondrona media.
Fanaovana ho fitaovana ny milina ara-toekarena
Lasa tsy hita firy ao Afrika amin'ny ankapobeny ireo gazety tsy miankina. Indrindra fa ny fahavelomana ho an'ny ankamaroan'ireo media dia miankina amin'ny vola ampidirin'ny dokambarotra, izay mazàna no mivangongo eny an-tànan'ireo rafitra karamain'ny fanjakàna.
Araka izany, tao anatin'ny taona iray dia nihemotra avy any amin'ny laharana faha-113 i Togo ka lasa faha-121 ao anatin'ilay tatitry ny RSF. Ao anatin'io toejavatra tsy azo ihodivirana io, ho fankalazàna ny andro erantany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, ankalazaina rehefa 3 May,
[…] mandohalika ny gazety tsy miankina eto amin'ny firenentsika. […]Efa mirodana sahady ny toekaren'ny media, na dia mbola any am-bohoka aza, ary miaraka aminy, ny hasin'ilay asa.
Maro ny gazety voatery hanakatom-baravarana. Ireo izay mbola mijoro vonjimaika dia fanontàna mitsitaitaika sisa no mampiavaka azy. Mitsakaraka anaty toejavatra sarotra ny asa fanoratana. Eo anelanelan'ny faharefoana ara-toekarena, ny hetra mahery setra, ny tsy fahampian'ny tohana avy amin'ny fanjakàna, ny famoretana sy ny fivakisana nomerika, toa tsy misy mpiraharaha ireo media tôgôley. Kanefa, iraka fanefàna asa ho an'ny daholobe no efain-dry zareo. Tsy misy azo anamarinana ny fanapahankevitra hanerena azy ireo hanaraka ny rafitra hetra mitovy amin'ny an'ireo orinasam-barotra tsotra.
Nihemotra kely ihany koa i Bénin: avy amin'ny toerana faha-89, lasa faha-92 tamin'ity taona ity. Nandritra ny antsafa iray nifanaovany tamin'ny Afrik.com, nambaran'ny RSF fa miatrika fitsabahana mahery vaika ataon'ny pôlitika ireo gazety ao Bénin. Ao anatin'ilay tatitra 2025 nataony, tombanan'ilay fikambanana ihany koa hoe mampihatra vahoho ara-toekarena amin'ireo media ny fanjakàna ao Bénin. Ny manazava izany dia ny fomba fitsinjaràna ireo fifanarahana dokambarotra omena ny media, araka ny fanazavan'ilay tatitra :
Ny tsy fahitàna ireo orinasa goavana misahana asa fanaovana gazety no manamarika ny tontolon'ny haino-vaky-jery. Tsy antenaina ho ela velona ny ankamaroan'ireo haino-vaky-jery ary miatrika ny fahateren'ny tsenan'ny dokambarotra. Mba tsy hanomezana fifanarahana dokambarotra ho an’ireo haino-vaky-jery mpanakiana azy dia tsy tapaka mampiasa ny fahefany ny fanjakàna.
Nihemotra toerana iray i Kamerona: avy amin'ny laharana faha-130 lasa faha-131 ny taona 2025. Manoloana ireo fepetra sarotra hanatanterahana ny asa, sarotra ho an'ireo Kameroney mpanao gazety ny hieritreritra asa matianina. Fanohanana asa fikarohana hahazoana doctorat, nataon'i Hervé Tiwa tamin'ny Febroary 2025, tao amin'ny Sekoly ambony fianarana ny siansa sy teknikan'ny fampitambaovao sy ny fifandraisana – École supérieure des sciences et techniques de l’information et de la communication (Esstic) ao Yaoundé, Kamerona no manamafy izany. Manome sary tena mampanahy ilay asa fikarohany nomeny lohateny hoe « Presse écrite, management médiatique et construction de la précarité des journalistes au travail : une analyse socio-économique des entreprises à capitaux privés au Cameroun », araka ny voalazan'ny tranonkala “Le quatrième pouvoir “:
(…) mampanahy ny zavamisy ara-toekarena ao amin'ilay sehatra. Marobe ny zava-manahirana : fahalafosan'ny sandan'ny famokarana, tambajotram-pitsinjarana tsy mahomby, karàma tsy ara-dalàna na tsy misy mihitsy aza. Io toejavatra sarotra io dia misy fiantraikany lalina amin'ny hasin'ireo mpanao gazety sy ny kalitaon'ny vaovao.
Tsy afa-bela tamin'ity fironana ity i Maoritania, nefa dia nofaritan'ny RSF ho ny tena malalaka tao Afrika tamin'ny 2024. Avy amin'ny faha-33 erantany, lasa faha-50 ho an'ny taona 2025; azo tsapain-tànana ilay fijotsoana. Araka izany dia very toerana 17 ilay firenena ary fanitsakitsahana sy fandrahonana no manamarika ny andavanandron'ireo Maoritaniàna mpitatitra vaovao, indrindra fa ireo mpanao gazety mpanadihady.
Niala tamin'ny laharana faha-53 ary lasa faha-64 koa i Côte d'Ivoire ; nihemotra toerana 13 ihany koa i Madagasikara, avy amin'ny faha-100 lasa faha-113 ho an'ny taona 2025 ; ary i Tchad teo amin'ny faha-96 lasa faha-108 ho an'ny taona 2025.
Any amin'ireo firenena miaina fifandonana, vao mainka rotika ireo haino-vaky-jery. Very toerana folo ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô (RDC), lasa faha-133. Ny firongatry ny fanitsakitsahana tato ho ato vokatry ny ady ao Kivu Avaratra, any amin'ny atsinanan'ilay firenena, dia kapoka mandrivorivo atao an'ireo haino-vaky-jery sy ireo mpanao gazety izay voatery manakatona varavarana mba ho fanavotana any ainy.
Firenena ambany fitondràna miaramila
Amin'izao fotoana izao, ahitàna firenena dimy eo ambany fitondràna miaramila ao Afrika, ka ny efatra amin'izany dia any amin'ny tontolo mampiasa sy miteny frantsay ao Afrika Andrefana sy ao Sahel Afovoany: Ginea, Borkina-Fasô, Mali ary i Nizera.
Avy amin'ny toerana faha-78 tamin'ny 2024 lasa faha-103 ho an'ny taona 2025, fijotsoana nahery vaika no niainan'i Ginea ao amin'ilay filaharana, very toerana 25. Porofoin'io toerana io ny fankahalàna ataon'ny fitondràna tetezamita miaramila amin'ny asa fanaovana gazety. Ireo mpiasan'ny haino-vaky-jery no manefa be, lasa iharan'ny herisetra, fisambontsamborana fahatany ary fandrahonana ho faty.
Very toerana 19 i Borkina Fasô: faha-105 tamin'ity taona ity raha faha-86 tamin'ny 2024. Mali very toerana 5 tao anaty filaharana. Nizera nidina toerana telo ao anaty filaharana. Hatramin'ny nahatongavan'ireo tafika teo amin'ny fitondràna, lasa zavatra mahazatra ny fandrahonana, fanafihana ary ny fanagadràna. Any amin'ireo firenena telo mampiasa sy miteny frantsay ao Sahel ambany fitondràna miaramila ireo, tsy manome antoka ho fiarovana ny mpanao gazety mihitsy ny fikorontanana pôlitika, ny tsy fandriampahalemana misy ifandraisany amin'ny fisian'ireo vondrona mitam-piadiana.
Tranga roa maningana: Gabôna sy Senegal
Raha ao Afrika no ahitàna ny fahasimbàna lehibe indrindra amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, dia mbola misy kosa anefa tsirim-panantenana roa. Teo ambany fitondrana tetezamita izay vao nifarana niaraka tamin'ny nahalàny ny filohampirenena vaovao, Gabôna, teo amin'ny laharana faha-56 tamin'ny 2024, dia nitsambikina tafakatra ho amin'ny laharana faha-41, lasa ho ny firenena afrikàna tsara toerana indrindra ao anatin'ilay fanomezana laharana.
Zaza hendry i Sénégal, faha-74 ao anatin'io fampilaharana 2025 nomen'ny RSF io, nahazo toerana 20 raha mitaha amin'ny toerana faha-94 nisy azy tamin'ny 2024. Io fivoarana io dia vokatr'ireo fanavaozana nirosoan'ny fitondran'i Bassirou Diomaye Faye, hatramin'ny niakarany teo amin'ny fitondràna tamin'ny Aprily 2024. Na izany aza, ao amin'io firenena io, miatrika fitsirihana momba ny hetra ireo orinasa misahana haino-vaky-jery, araka ny soritan'ny RSF ao anatin'ilay tatitra nataony.
Etsy ankilany, ny République Centrafricaine koa dia nitsambikina niakatra toerana efatra, niala tamin'ny faha-76 ka lasa faha-72 tamin'ity taona ity.
Amin'ny ankapobeny, ny fanomezana laharana 2025 nataon'ny RSF dia fisintonana lakolosy fanairana, satria raha tsy misy zavatra atao, ho nofinofy sisa ny fahaleovantenan'ny haino-vaky-jery.