Tahaka ny fetin'ny lainga tratra aoriana ny haban-tseranan'i Trump amin'ny pengoay sy ny hazo kesika

Norfolk Island jail with local pines

Nosy Norfolk ahitana fonja sy hazo kesika – Sary nampindramin'i Steve Daggar, via Wikimedia CC BY 3.0

Tahaka ireny fetin'ny lainga tratra aoriana ireny ho an'ny sarambambem-bahoaka ilay haban-tseranan'ny “liberation day” (androm-panafahana) avy amin'ny filohan'i Etazonia Donald Trump. Tratran'ny haba 29 isanjato ny Nosy Norfolk, faritany any ivelany any Aostralia, na dia tsy manondram-bokatra any Etazonia aza ilay nosy kely ahitana mponina 2000 eo ho eo.

Famintinana haingana ity lahatsary YouTube Reuters ity :

Ny hazo kesik'i Norfolk no ananany betsaka.

Hazo kesika ao amin'ny nosy Norfolk. Sary via Flickr. CC BY-ND 2.0

Ireny no ampahany be amin'ny toerana mahafinaritra mametraka azy ho toeram-pizahan-tany lehibe. Raha ny marina dia ny fizahantany no sehatrasa mamelona azy voalohany.

Malaza amin’ny tsy fisian’ny heloka bevava ihany koa izy io, fa iray monja ny vono olona, tamin’ny taona 2002, tao anatin’ny 150 taona. Toeram-pisaziana britanika hatramin’ny taona 1855 izy io.

Hita hoe fahadisoan-tondro mahatsiravina, raha marina ireo ranty ao amin'ny BlueSky:

We've solved the mystery on why all those remote and uninhabited islands were targeted for tariffs by Trump – they show up in US trade data due to mislabelled shipments. eg mixing up Norfolk, Virginia or Norfolk UK with Norfolk Island!

www.theguardian.com/australia-ne…

[image or embed]

— Nick Evershed!? (@nickevershed.bsky.social) April 4, 2025 at 2:15 PM

Voavaha ny zava-miafina momba ny antony nahatonga an'ireo nosy lavitra sy tsy misy mponina ireo ho lasibatry ny habantseranan'i Trump – miseho amin'ny angon-drakitra ara-barotr'i Etazonia ireo noho ny fandisoa-marika  amin'ny fandefasana entana an-tsambo. Ohatra ny fampifangaroana an'i Norfolk, Virginia na Norfolk UK amin'ny Nosy Norfolk!

Niatrika zava-mitranga mitovy amin'izany ny nosy Heard sy McDonald, faritany Aostraliana ivelany (ampitan-dranomasina) tsy ahitana mponina afa-tsy pengoay sy  biby hafa ary tsy tonga ao raha tsy amin'ny alalan'ny dia an-dranomasina roa herinandro nahazo fandoavana haban-tseranana 10 isanjato.

Donald Trump just put a 10 percent tariff on the Heard Island and McDonald, which has a population of zero people and is inhabited only by penguins.

[image or embed]

— Shannon Watts (@shannonrwatts.bsky.social) April 3, 2025 at 9:46 AM

Nametraka habantseranana 10 isanjato fotsiny i Donald Trump amin'ny Nosy Heard sy McDonald, izay misy mponina aotra fa pengoay ihany no misy ao.

Nanala azy i LostNotDamned tao amin'ny ranty Reddit iray malaza manondro ny fatahoran'i Trump, ny fahasamihafana, ny fitoviana ary ny fampiatìna:

Let's just hope they're hard working and not some woke DEI penguins!!

Enga anie ireo mba ilay miasa fa tsy ireny pengoay woke SJW ireny!!

Angamba namaky ny tantaran'ny Global Voices tamin'ny taona 2023 mitondra ny lohateny hoe “Mampitsangam-bolo ny mpandala ny mahazatra ny tantara maha-raimanandreny pengoay pelaka [mg]” ny Filoha.

Maro ireo ao amin'ny media sosialy liana ao amin'ny Mastodon nihazakazahan'ny mpisera hanesoana ny saritaka. Ohatra roa fotsiny:

 

Post by @Jinjirrie@mastodon.social
View on Mastodon

 

 

Post by @Snowshadow@mastodon.social
View on Mastodon

 


Raha niteraka korontana ho an'ny toekaren'i Etazonia sy manerantany ny haban-tseranan'i Trump, dia tapa-kofehy tao tamin'ny TikTok kosa ny pengoay. Nanafaly vahoaka i Chelsea Gabrielle:

@chelseagabriella0

Damn no one is safe from the tariffs put on them #penguins #tariffs #heardisland #comedy#trending #penguin #foryoupage

♬ Gangsta's Paradise (feat. L.V.) – Coolio

Tsy tafiditra ao anaty lisitry ny haba i Rosia, hany ka tsy nahatombina na dia i Rolling Stone aza nanao lohateny hoe: “Nanomboka ady ara-barotra tamin'ny Pengoay i Trump, fa tsy amin'i Potinina”:

Trump is placing tariffs on countries around the globe — including even remote Antarctic islands inhabited only by penguins — while exempting the Russian regime of Vladimir Putin.

Mametraka habantseranana amin'ireo firenena maro manerana izao tontolo izao i Trump — anisan'izany na dia ireo nosin'i Antarktika lavitra izay tsy misy monina afa-tsy pengoay — nefa tsy novesarany izany ny fitondrana Rosiana tarihin'i Vladimir Potinina.

Mba nandray anjara tamin'ny hetsika tao amin'ny Threads koa na dia i Chuck Schumer, mpitarika demôkratika ao amin'ny Antenimieran-doholon'i Etazonia aza :

Donald Trump slapped tariffs on penguins and not on Putin.

Ny pengoay ry tonaka no nofelahan'i Donald Trump habantseranana fa tsy i Potinina.

Na izany na tsy izany, mahitsy ny tifitra totohondry, fa tsy vazivazy ny haban-tseranan'i Trump:

The fact this isn't an April Fools spoof is just wild. He tariffed penguins.

— StrawberryVotes (@verymerryberry.bsky.social) April 4, 2025 at 9:42 AM

Ny zavamisy aloha dia tsy fetin'ny lainga ity zava-mivaona ity. Pengoay no asaina mandoa habantseranana..

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.