‘Ataovy ho lehibe indray i Moldavia’: Nandefa sary niaraka tamin'i Donald Trump Jr ny ben'ny tanànan'i Chișinău

Trump Jr. nanao fampielezan-kevitra ho an-drainy tany Iowa, Novambra 2016. Sary avy amin'i Max Goldberg tao amin'ny Wikimedia Commons CC BY 2.0.

Tamin'ny teny Rosiana ity lahatsoratra ity no nivoaka voalohany tao amin'ny NewsMaker.Md tamin'ny 29 Aprily 2025. Nandika teny ny lahatsoratra ny Global Voices, nanitsy azy mba ho mazava, ary namoaka azy indray miaraka amin'ny sahan-kevitra fanampiny ao anatin'ny fifanarahana fiaraha-miasan'ny media.

Nandefa sary tao amin'ny media sosialy tamin'ny 28 Aprily niaraka tamin'i Donald Trump Jr., lahimatoan'ny filoha amerikana Donald Trump ny ben'ny tanànan'i Chișinău, Ion Ceban. Nilaza i Ceban fa nihaona tamin'ny zanak'i Trump tany amin'ny hetsika iray tany Bucarest izy ary nasiany soratra eo ambanin'ilay sary manao hoe: “Ataovy ho lehibe indray i Moldavia.”

Nizara i Ceban fa tsy naka sary niaraka tamin'i Donald Trump Jr. fotsiny izy, fa niresaka “lohahevitra maromaro, anisan'izany ny fifandraisan'i Moldavia sy Etazonia.” Ankoatra izany, araka ny filazan'i Ceban, “nanaiky ny hanohy ny fifanakalozan-kevitra” ny roa tonta. Ny sary miaraka amin'ny zanaky ny filoha amerikana dia nasiana soratra hoe “Ataovy ho lehibe indray i Moldovia,” teny filamatra nataon'ny filohn'i Etazonia Donald Trump nalaza fa somary namboarina kely fotsiny.

Niteraka resabe tao amin'ny media sosialy ny sarin'i Ceban niaraka tamin'i Trump. Nomarihan'ny sasany ny fifandraisana sarotra teo amin'ny manampahefana Moldavy sy Washington taorian'ny nahafilohan'i Etazonia an'i Donald Trump.

Niatrika olana tamin'ny fampiatoana tampoka ny fandaharanasan'ny USAID i Moldavia. Nahazo tombontsoa tamin'ny famatsiam-bolan'ny USAID nanomboka tamin'ny 1992 ny firenena, efa ho 2,5 miliara dolara teo ho eo, ary nanatanteraka tetikasa tamin'ny sehatra maro, anisan'izany ny fanabeazana, ny fizahantany, ny fambolena, ny indostria, ny teknolojian'ny fampahalalam-baovao, ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny fanavaozana ny fitsarana, ny ady amin'ny kolikoly, ny fanatsarana ny angovo, ny fananganana làlana, ny fampitam-baovao ary ny fiarahamonim-pirenena. Nanery ny governemanta tao Moldavia sy ny ONG hitady famatsiam-bola hafa avy any Eoropa ny fampiatoana ny USAID. Tandindonin-doza ihany koa ny fiarovana ny angovon'i Moldavia satria voakasika ihany koa ny fanamboarana ny herinaratra mahery vaika eo anelanelan'i Romania sy Moldavia.

Ny hafa nilaza ilay sary ho porofon'ny fanohanan'i Etazonia ny mpanohitra ao Moldavia.

Araka ny notaterin'ny Reuters tamin'ny Febroary, natsangana tany Moldavia ny firaisan'ny antoko mpanohitra talohan'ny fifidianana parlemantera. Mampivondrona ny antokon'ny ben'ny tanànan'i Chișinău, Ion Ceban, sy ny antokon'ny praiminisitra teo aloha Ion Chicu ary ny antokon'ny solombavambahoaka teo aloha Marc Tcaciuc ity fiaraha-mitantana antsoina hoe “Solony” ity. Natao ho an'ny fampiraisam-bolon'ny firenena amin'ny Eoropeana ity fiaraha-mitantana ity ary manakiana ny filoha ankehitriny Maia Sandu sy ny antokony PAS ho tsy mahomby sy tsy miraharaha ny tombontsoam-bahoaka.

Mbola nisy hafa koa nanararaotra naneso ny Ben'ny tanànan'i Chișinău. Hoy ny mpisera iray: “Ataovy ho hendry indray i Ceban!”(Make Ceban Smart Again!”)

Fantatra fa nitsidika an'i Bucarest i Trump Jr. izay anatin'ny fitetezam-paritra eoropeana mandalo an'i Romania, Hongria, Bolgaria ary Serbia. Tao an-drenivohitr'i Romania, nanatrika hetsika ara-barotra nokarakarain'ny mpandraharaha Adrian Thiess ny zanaky ny filoha amerikana. Nankany Sofia i Trump Jr. taorian'i Bucarest. Ny tanjona nambara tamin'ny fitetezam-paritra dia ny hanitarana ny tombotsoan’ orinasan'ny fianakaviana Trump sy hanamafisana ny fifandraisana amin'ireo mpiara-dia ara-politika mpandala ny nentin-drazana ao amin'ny faritra, araka ny fampitam-baovao romanianina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.