
Voasarimakirana maniry any Tajikistan. Pikantsary tamin'ny lahatsary “Таджикские лимоны” tao amin'ny fantsona Youtube-n'ny Новости Таджикистана от З. Fampiasana ara-drariny.
Iray amin'ireo fanondranana ara-pambolena malaza indrindra ao Tajikistan ny voasarimakirana, malaza amin'ny kalitaony miavaka ary tadiavin'ireo firenena Aziatika Afovoany sy any ivelany. Tsy mitovy amin'ny karazany hafa, hita ho mamy sy be ranony kokoa ny voasarimakirana (na grefy:lemon) Tajik, manify hoditra sy manitra aoka izany. Fanampin'izany, mampiavaka azy ny lokony volomboasary.
Nanomboka tamin'ny taona 1930 ny tantaran'izy ireo, fotoana naha-anisan'ny Firaisana Sovietika an'i Tajikistan. Tamin’ny taona 1934, tonga tao Stalinabad, araka ny niantsoana an’i Dushanbe renivohitr’i Tajikistan tamin’izany i Vladimir Tsulaya, teratany Géorgie Sovietika, nitondra ireo zana-boasary voalohany. Fanaon’ny Firaisana Sovietika ny mandefa tanora matihanina any amin’ny toerana lavitra, izay nilaina ny fahalalany sy ny fahaizany mba hamelarana sehatrasa (indostria) vaovao.
Nampivadiany ny voasarimakirana Meyer sy ny voasarimakirana Zeorziana, ka niteraka karazany vaovao, izay fantatra ho voasarimakirana Tajik taty aoriana. Notontosainy tao amin'ny toby fanandramana iray any amin'ny Lohasahan'i Vakhsh any amin'ny faritany atsimon'i Khatlon, izay mpamboly voasarimakirana avokoa ny 90 isanjaton'ny tokantrano izany asa rehetra izany.
Ity misy lahatsary Youtube momba ny voasarimakirana Tajik.
Fanampin'izany, namolavola fomba vaovao fambolena voasarimakirana any amin'ny faritra tsy mety amin'ny voasarimakirana i Tilaya sy ireo mpiara-miasa aminy. Nambolena rehefa nandavahana lalina tao anaty tranon-javamaitso ny voasarimakirana mba hanampiana azy ireo hahazaka ny maripànan'ny ririnina mangatsiaka. Voaporofo fa nahomby izany ary nampiharina tany Ozbekistan, Kyrgyzstan ary Turkmenistan mifanila aminy.
Taona maro taty aoriana, mbola iray amin'ireo mpitari-dalan'ny faritra amin'ny fambolena sy fanondranana voasarimakirana i Tajikistan. Tafavoaka velona tamin'ny ady an-trano, izay nanomboka tamin'ny taona 1992, herintaona taorian'ny nahazoan'i Tajikistan fahaleovantena, ary nifarana tamin'ny taona 1997 mihitsy aza ny sehatrasan'ny voasarimakirana. Amin'izao fotoana izao, miparitaka amin'ny tany maherin'ny 5.000 hektara ny toeram-pambolena voasarimakirana. Tamin’ny taona 2024, nanondrana voasarimakirana tany Rosia, Belarosia ary Kazakhstan maherin’ny 2 000 taonina amin'ny ankapobeny i Tajikistan.
Mivarotra voasarimakirana mitentina 0,3 dolara ny kilao ny tantsaha ao Tajikistan. Na dia mora vidy araka ny fenitra Tandrefana aza, heverina ho mampidi-bola ao Tajikistan ny sehatrasa voasarimakirana, satria mety ho 8-10 avo heny noho ny vokatra hafa ny tombony azo avy amin'ny fambolena voasarimakirana.
Avy amin'ny voasarimakirana Meyer ny zana-boasarimakiran'i Tsulaya, fampivadiana ny voasarimakirana sy voasary mandarinina, avy amin'ny anaran'i Frank Nicholas Meyer, Amerikanina mpikaroka ara-pambolena, izay nitondra voalohany an'io zavamaniry io avy any Shina tamin'ny taona 1908 izany. Nandany ny androm-piainany manontolo tany Tadjikistan i Tsulaya, manana mari-pahaizana momba ny fambolena, ary niasa mba hamorona sy hanatsara karazana voasarimakirana (na grefy) vaovao ka nahazoany ny anaram-bositra “rain'ny voasamakirana”.
Ity misy lahatsary YouTube momba ny taom-piotazana voasarimakirana ao Tajikistan.
Nampiroboroboin'ny governemanta ny fanitarana toeram-pambolena voasarimakirana. Kinendrin'ny Fandaharanasa Fampandrosoana Fambolena voninkazo, voaloboka ary voasary ho an'ny taona 2025-2029 ny hampiditra karazana teknolojia vaovao sy tranon-javamaitso mba hampitomboana ny saha sy ny fanondranana. Vina ao amin‘ny fandaharanasa ny hamokatra zaridainam-boasary vaovao mirefy 113 ha any amin'ny faritany samihafa. Tian'ny firenena ny hampitombo ny fanondranana voasarimakirana ho 7.000 taonina isan-taona.
Mitombo eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny lazan'ny voasarimakirana Tajik. Minisitry ny Raharaham-bahiny Shinoa Wang Yi no olona malaza indrindra niaiky ny fiamboniany. Niantso ny voasarimakirana Tajik ho iray amin'ireo tsara indrindra eran-tany izy tamin'ny taona 2019, raha nitsidika ny foara iraisampirenena fanaovantsoa tany Beijing, izay nampiratiana ireo vokatra Tajik, anisan'izany ny voasarimakirana. Sarotra tamin’ireo nanandrana azy ireo ny miady hevitra amin’izany fanambaràna izany.