
Fandravahana nataon'ny Global Voices
Lahatsoratra nivoaka voalohany tao amin'ny IFEX, media mpiara-miombon'antoka amin'ny Global Voices. Nohavaozin'ny Global Voices araka ny fivoaran-draharaha farany tamin'ny 16 Aprily 2025.
Namoaka lalàna mampiady hevitra ny governemantan'i Però tamin'ny 16 Aprily 2025, izay nomelohin'ny fiarahamonim-pirenena manerana ny faritra satria tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana, noho ny fanitsakitsahany ny fahalalahana hijoro ho fikambanana, hisaina ary handray anjara ara-politika. Kinasan'ny lalàna ny hanamafisana ny fanaraha-maso ireo famatsiam-bola iraisampirenena azon'ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana (FTMF-ONG).
Novain'ny fanitsiana ny sehatrasa ara-dalànan'ny Sampandraharaha Peroviana ho an'ny Fiaraha-miasa Iraisampirenena (APCI), sampan-draharahan'ny governemanta, manome fahefana malalaka ho azy hifehy sy hanasazy ireo ONG mahazo fanampiana iraisampirenena. Ka izay no nanondroana azy ho “lalànan'ny APCI”, na dia tondroin'ny gazety sy ny mpitsikera azy ho “lalàna anti-ONG” aza.
Talohan'ny nandaniana azy, niangavy tamin'ny governemantan'i Però ny solontenan'ny vazimba teratany, ara-tsosialy sy politika mba tsy hamoaka io lalàna io. Nampitandrina ry zareo fa “hanimba ny fanohanana ny vahoaka mahantra indrindra sy hametra ny asan'ny fikambanana izay mitory ireo fanitsakitsahana sy miaro ny vondrom-piarahamonina marefo” ity fanavaozana ity ary “hiantraika lalina amin'ireo lohahevitra toy ny tontolo iainana, ny fampiatiana ara-tsosialy, ny fahasalamana ary ny fitantanana ny loza mety hitranga.”
Nitsipaka ampahibemaso ny lalàna ihany koa ny Institute for Press and Society (IPYS). Nampitandrina fa tsy mifanaraka amin'ny endrika maha-tsy miankina ireo ONG araka ny sehatrasan'ny lalàmpanorenana ao Però ilay fanavaozana ary misy itovizana akaiky amin'ireo lalàna napetraky ny fitondrana tsirefesimandidy hafa ao Amerika Latina. “Mametraka fifehezana mitovy amin'ny fanjakam-polisy ity lalàna ity,” hoy ny IPYS.
Araka io lalàna io, dia azo foanana ny fisoratan'ny FTMF-ONG iray anarana raha voafaritra ho nanao hetsika toa mahakasika “filaminam-panjakana, fiarovana ny olom-pirenena, ny fiarovam-pirenena, ary ny filaminana anatiny”. Nosokajian'ny lalàna ihany koa ny ONG rehetra, tsy misy anavahana, ho andry ao anatin’ny rafitra nasionaly iadiana amin’ny famotsiam-bola.
Raha mifantoka amin'ny fihoara-pefy ara-batsy ny taratasin'ny fanavaozana, dia nampitandrina kosa ny IPYS fa tsy ny tamberin'andraikitra ara-bola no tanjona fa ny ifehezana ara-kevitra sy ara-politika ny fiarahamonim-pirenena.
Tonga ao anatin'ny tontolo miha-mankahala ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao Però ny fampiharana io lalàna io. Naneho ny ahiahiny ny Inter-American Press Association (IAPA) taorian'ny iraka nijereny ny zava-misy tao amin'ny firenena, amin'ny “fiharatsiana dia ratsy” ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny fanehoan-kevitra ao anaty krizy ara-politika sy araka ny andrim-panjakana mitarazoka alohan'ny fifidianana taona 2026.
Nomarihan'ny delegasiona IAPA ny fitomboan'ny fankahalana ireo fampitam-baovao tsy miankina, ny fanenjehana ara-pitsarana ireo mpanao gazety mpitsikera, ary ny fampiasàna tsy tapaka ny fandisoam-baovao sy ny fanafihana amin'ny media sosialy, izay manaratsy endrika ilay asa ary manohintohina ny zon'ny vahoaka hahara-baovao.
Tamin'ny Janoary, nisy namono tao amin'ny faritr'Ica ilay mpanao gazety Gastón Medina. Taratry ny fisian'ny tsimatimanota ny tsy fahitana fivoarana lehibe amin'ny famotorana, sy ny filazana fa niezaka ny manampahefana nanakana ny fanangonam-baovaon'ny gazety amin'ilay heloka bevava, nefa porofo mazava ihany koa amin'ny firongatry ny herisetra.